- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Ny Zavatra Rehetra Ilainao Fantarina Momba ireo #SudanRevolts

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Sodàna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Face

Sodaney mafana fo am-polony maneran-tany amin'izao fotoana izao no mitokona tsy hihinan-kanina entin'izy ireo hanoherana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Sodàna [1]. Eo ambany ny sorabaventy #Strike4Sudan [2], nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Lapam-panjakana Amerikana ao Washington DC ireo mafana fo mpitokona hatramin'ny 20 Oktobra. Ny volana lasa teo dia novalian'ny governemantan'i Sodàna tamin'ny basy sy entona mandatsa-dranomaso ireo hetsi-panoherana tanaty filaminana. Maherin'ny 200 ireo mpanohitra maty ary maherin'ny 2000 ireo voasambotra, [3]ny sasany aza nampijaliana mihitsy. 

Niparitaka eran-tany tamin'ny alalan'ny media sosialy ny sary mahery setran'ireo mpanohitra maty sy naratra, mitantara ny tantaranà fitakiam-piovàna Sodaney efa nokasaina hatao hatramin'ny 2009. Anivon'io fanoherana io ny hetsi-bahoaka tsy mampiasa hery antsoina hoe Girifna, izay midika hoe “Leo izahay. “ [4]

Tamin'ity herinandro ity ny tonian-dahatsoratsika ao  MENA, Amira AlHussaini ary ny Tonian-dahatsoratra lefitra, Sahar Habib Ghazi dia niresaka momba ny #SudanRevolts [5] niaraka tamin'ny Sodaney mpanoratra, Usamah M [6]sy Magdi ElGizouli, [6] ilay lehilahy ao ambadiky ny bilaogy malaza Still Sudan, ary hanontany azy ireo ny antony mahatonga ireo olona sasany miantso ireo hetsi-panoherana mitranga ireo ho Lohataona Arabo manaraka [7].

Tsidiho ny pejin'ny hetsika GV Face: #SudanRevolts [8] raha mila fanazavana fanampiny.

[9]

Vehivavy mafana fo manohitra ny fitànana mpanoratra iray antsoina hoe Rania. Navoakan'ny @Girifna tao amin'ny Twitter