- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakibolana Miteny avy any Micronesia

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Jolay 2013, nikarakara atrikasa famelomana ny teny ho an'ireo mafana fo momba ny teny an-dalam-pahaverezana manerana ny Micronesia indray ny namantsika ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Teny Velona [1]. Nitovy tamin'ilay atrikasa natao tany Santiago, Shilia ny Janoary 2013 [2] ho an'ireo mafana fo momba ny teny ao Amerika Latina, izay nandraisan'ny Rising Voices anjara, ity atrikasa naharitra efatra andro ity. Tahaka ilay atrikasa natao tany Amerika Latina, dia mifantoka lehibe kokoa amin'ny fampiasana ny teknolojia anatin'ireo ezaka famelomana ny teny io fivondronana io, ary iray amin'ireo vokatra nivoaka avy ao ny fanamboarana “Rakibolana Miteny” [3] ho an'ireo teny rehetra nisy mpisolo tena.

Nampiantranoin'ny Island Research Education Initiative (IREI – Tetikasam-mpikarohana ho an'ny Fanabeazana any amin'ny Nosy) [4] sy ny Tolotra Fanabeazana Manokana [5]FSM [5], Departemantan'ny Fanabeazana io atrikasa io. Azonao jerena ao amin'y bilaogin'ny Teny Velona ny famintinana feno an'io atrikasa io [6].

Ireo tenin'ny vondrom-piarahamonina valo sy ireo olona valo nandray anjara sy nisolo tena azy ireo:

Voalisitra sy aseho ato [15] ireo “Rakibolana Miteny” ireo, ary afaka mihaino ny feo fanononana ireo teny sasany avy amin'ireo teny Micronesiana [16] ireo ny tsirairay.

talkingdictionaries