Zambia: Tandremo Ny Aloaky Ny Vavanao — Mihaino Ny Filoha

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nampitandrina an'i Jumbe, Lehiben'ny foko Kunda any amin'ny Faritra Atsinanan'i Zambia, ny Filoha Zambiana Michael Sata hoe fantany ny zavatra noteneniny tany am-pandriany.

Raha nandray fitenenana tamin'ny fanokafana ny Lapan'ireo Mpitarika, fivorian'ireo mpitarika foko maherin'ny 30 ao Lozakà (izay misolo tena ny ampahany vitsivitsy amin'ireo vondrom-poko 73 misy ao amin'ny firenena), dia nilaza ny Filoha Sata :

Fantatro avokoa ny zava-mitranga na aiza na aiza alehanao mandritra ny 24 ora, eny fa na any am-pandrianao aza […] Maninona ianao no nitsikera ny fampahafantarako ny Lehibe faran-tampony Mpezeni [iray amin'ireo lehibe roa tranainy indrindra any amin'ny Faritany Atsinanana]? Inona no tianao hataoko? Nampahafantatra ny lehibe ny vahoaka aho ary nahita zavatra tsy nanjary tamin'izany ianao.

Tsy vitan'ny hoe nahagaga ny firenena fotsiny ny fahakizintinan'i Sata fa nanamafy ihany koa ny tahotry ny vahoaka ny amin'ny fanaraha-maso midadasika ataon'ny governemanta mitondra, izay niakatra teo amin'ny fitondrana ny Septambra 2011. Entina hanaratsy kokoa ny zava-mitranga, herinandro vitsy monja taty aoriana, nisy fitaovana fihainoana hita teo ambanin'ny seza fiandrianan'i Lubosi Imwiko II, ilay Litunga (na mpitarika) ny faritra misahotak'i Barotseland, izay hisahotahan'ny vahoaka mba hisarahany amin'ny ampahany sisan'i Zambia.

Surveillance camera stencil art. Photo by Paul Lowry via Flickr (CC BY 2.0)

Sary hosodoko maneho kamera fanaraha-maso. Sary an'i Paul Lowry nalaina tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ny Zambia Reports, vohikala fanaovan-gazety iray tsy miankina, dia nitatitra fa iray amin'ireo “fandanian'andro” tena tian'ny Filoha Sata ny “fihainoana ireo resaka an-tariby an'ireo olona voakendry, isan'izany ny Kabinetrany sy ireo minisitra lefitra.” Mitohy io lahatsoratra io:

Milaza ireo [lo]harano fa paikady voarindra mampiasa ny endrik'ireo finday avy any Shina sy Rosia ka manome fahafahana ny Filoha hiaino mivantana ireo resaka izany, izay mifanohitra amin'ny fihazonana raki-peo tahaka ny hita tamin'ilay raharaha farany teo[…] Arakaraka ny habeny ireo fitaovana ireo ary ny sasany dia ampiasaina tahaka ny “modem” aterineto mahazatra sy mampahazo aina.

Nitsikera io tantara io ny mpamaky, Mpangula Mputyu, ary miresaka momba ny fiainana somary mitoka-monina iainan'i Sata:

[…] Hivoatra ve ity firenena ity raha ny lehilahy eo amin'ny lapam-panjakana dia variana maka aina sy mihaino zavatra TSY manome lanja ny fampivoarana ao Zambia […] Izany ve no mahatonga an'i Sata ao amin'ny lapam-panjakana foana ka tsy MIVOAKA mihitsy.

Ireo fihainoan'ny Filoha Sata voatatitra ireo dia mahatonga hino an'ireo tatitra tany amin'ny voalohadohan'ity taona ity izay nanarakaraka ny fialan'ny minisitry ny raharaham-bahiny, Given Lubinda, izay nosazian'ny antoko mitondra, Patriotic Front (PF). Mpikambana tao amin'ny Kaomity Foiben'ny politika sy ny fanaovana fanapahan-kevitra i Lubinda, nefa noesorina tao amin'ny Kabinetra noho ny porofo nambara fa azo avy amin'ireo fitaovana fanaraha-maso amin'ny alalan'ny finday.

Araka ny heno dia nanakana vohikalan'ny mediam-bahoaka lehibe tahaka ny Zambian Watchdog sy ny Zambia Reports noho ny tanjona hanakana azy ireo tsy hitatitra momba ny fanararaotana ny kolikoly politika, ny governemantan'ny PF government, izay nitondra nanomboka ny 2011, ary araka ny tatitra dia nanao fifanekena tamin'ireo teknisiana ao Shina hanara-maso ny Aterineto. Nametraka fepetra ho an'ireo mpampiasa finday hanoratra anarana ny karatra SIM-ny ihany koa izay.

Tanatinà ezaka hanitatra ny fanaraha-maso eny an'arabe, nikasa hametrka kamera CCTV eny an-dalamben'i Lozakà renivohitra ny governemanta Zambiana, saingy voatery nanajanona io tetikasa io tao anatin'ireo ahiahy fanaovan'ireo mpitondra voakasik'izany tsolotra sy ny fitarainan'ireo vahoaka milaza fa tsy mendrika ny governemanta ireo kamera ireo ny 210 tapitrisa dolara Amerikana aloan'izy ireo.

Tsy ho ela, mety hahita an'i Zokibe hijery sy hiaino ny fihetsiny rehetra ireo Zambiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.