- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho An'ny Rosiana Mpanohitra, Hatsiaka Mandoro Ny Afo Olaimpika

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanatanjahantena, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
A guard lights the Olympic torch with a lighter during the relay through Kremlin. YouTube screenshot. [1]

Mpiambina iray mandrehitra ny afo Olaimpika amin'ny brike nandritra ny fifandimbiasana nitondrana azy nanavatsava an'i Kremlin. Dikasary avy tamin'ny Youtube .

Maherin'ny iray tapitrisa no nijery ny lahatsary YouTube [2] mampiseho ny fandrehetana ilay afo Olaimpika taminà brike,  [2]raha maty izany tamin'ny nitondràna azy nifandimby namakivaky an'i Kremlin nandritra ny lalao Olaimpikan'ny Ririnina 2014. Tranga iray handinihana ny karazana ady amin'ny filazam-baovao ataon'ny ankamaroan'ireo Rosiana mpampiasa aterineto izany — na tiany na tsy tiany.

Haingana ny fiparitahan'ilay vaovao tao amin'ny Twitter, nibitsika tamin'ny tsy fahalalàna sy ‘schadenfreude’  ny olona : 

F*****ck!!!!!!  Maty ilay afo nandritra ny namakivakiany an'i Kremlin!!!!! Narehitry ny mpiambina iray taminà brike!!!

Nosoratan'ilay mpaka sary Dmitry Ternovskiy. Novalian'i Mark Feygin Mpisolovava ao amin'ny fiarovana ny ekipa malazan'i Pussy Riot hoe:

Marika izao. Hitsonika ny ranomandry any Sochi ary hitondran'izy ireo sarintsariny [ ranomandry]. Ny mpiambina amin'ny brike ary ny mpiasa amin'ny sigara…

Nalain'i Feygin sary an-tsaina ny fitaintainan’ i Sochi fa hafana ny fandraisana ny Lalaon'ny Ririnina. Rosiana maro no nitsipaka io lalao io hatrany am-boalohany, amin'ny filazàna fa sehatra malalaka ho fanodikodinam-bola sy ahafahana manao kolikoly io. Nanaparitaka lahatsoratra [6]haingana ny mpitarika ny mpanohitra, i  Alexey Navalny, milaza fa mitentina 200 tapitrisa rubles (6 tapitrisa USD) ilay afon'ny 2014, midika ho fandaniam-bola fahatany, sy milaza ny tsy fahombiazan'ny governemanta Rosiana izany.  

Some netizens have noticed a similarity between the design of the 2014 Games torch and the logo of the Russian brand vodka. Anonymous image freely distributed online.

Tsikaritr'ireo mpiserasera sasany fa misy fifandraisany ny hevitra namoronana ny afon'ny Lalao 2014 sy ny sary famantarana ny toaka Rosiana vodka . Sary avy amin'olona tsy mitonona anarana ary zaraina malalaka.

I Roman Dobrokhotov, mpikambana ao amin'ny mpanohitra, dia nanao vazivazy :

Fantapantantra ihany izany fa tsy fifanandrifian-javatra akory : maty ny afo olaimpika isaky ny mangalatra 1 lavitrisa dolara i Putin.

Maty matetika ilay afo hatramin'ilay nahafatesany voalohany, ary azo inoana fa arahan'ny  [8] haino aman-jerin'ny mpanohitra akaiky ny isan'ny fahafatesan'io afo io.

Mampalahelo, sasantsasany amin'ny tsy fetezan-javatra no mivangongo amin'ny governemanta Rosiana ary dia any amin'ilay lehilahy mitondra ilay afo no iparitahan'ny tetikasa Olaimpika. Ilay lehilahy lehibe, goavana, i  Andrei Malgin, nohorakorahan'ilay mpitoraka bilaogy mpanohitra, izay nanontany tena [9]ny antony nanomezana ilay afo ho entin'ilay lehilahy “matavy, manana olana ara-pisefoana” ( Novonoin'i Magin io filazana io tato aoriana). I Olga Leonova [10] [ru], mpitoraka bilaogy mpanohitra iray hafa, nanao fanamarihana  [11][ru] ihany koa momba ny toe-batana sy ny olana ara-pisefoan'ilay “tsy mpanao fanatanjahantena” nitondra ilay afo.

Araka ny fantatra, sy araka ny valinteny haingana nomen'ireo mpitoraka bilaogy mpomba an'i Kremlin, dia tsy iza fa i Shavarsh Karapetyan [12] fa tompon-daka Armeniana fahiny tamin'ny an-kisitrika, sady ny mahery fo marina io alain'i Malgin sy Leonova baraka io. ‘Pneumonie’ (aretin-tratra) azony tamin'ny 1976 rehefa namonjy ireo olona 20 avy tao aminà fiara fitaterana iray latsaka tao anaty farihy mangatsiaka be io aretin'i Karapetyan io.

Nibitsika [13][ru] ny filohan'ny Komity Mpandrindra ny Lalao Olaimpika Rosiana, i Dmitry Chernyshenko, fa ny fampianarana ny olona ny momba ireo olona “fahatsiahy” toa an'i Karapetyan no ivon'ny fifandimbiasan'ny fitondrana ilay afo. Notoniany ihany koa ny tahotra fa hoe afo Olaimpika izay heverina fa tokony hotazonina hirehitra raha vao nalaina tany amin'ny fiangonana Grika, dia manjary an'olon-tsotra tsy dia misy lanjany kokoa ankehitriny :

Nisy mpikambana tsy nanokatra ny fantsona teny an-dàlana. Ny dingana manaraka amin'ilay fifandimbiasana dia fandrehetana azy amin'ny afo [Olaimpika] tena izy. Io no zavatra mitranga.

Nahitsy i Chernyshenko araka ny tsindrom-paingotra nataon'ireo mpitoraka bilaogy sasany, [16][ru] tamin'ny fitanisàna ny lalao Olaimpikan'ny Lohataona natao tany Londona sy Beijin– maty matetika ny afo nandritra ny fifandimbiasana, nefa tsy dia olana loatra izany satria misy afo Olaimpika fiandry mandrakariva. Marina fa misy olona mankasitraka raha toa ka tsy eo intsony io afo io. Ohatra,  nibitsika tamin-kafaliana i Dmitry Enteo, mpitondra fivavahana adala :

Manana fototra mitombina ny Afo Olaimpika fa tsy fiankohofana amin-java-masina!!! Misaotra an'Andriamanitra izay nanao io fahagagana io tamin'ny alàlan'ny vavak'i Md George!

Mitovy fijery amin'izany [18][ru] i Deacon Andrei Kuraev, mpitondra fivavahana sady mpitoraka bilaogy mamokatra be:

Но седой Кремль и его святыни не пустили этот огонь в себя. Он погас аккурат в момент его пронесения под Спасскими воротами (с восстановленной иконой Спаса Смоленского). […] Огонь, зажженный в Кремле и обнесенный вокруг его святынь, можно передать всей России.

Tsy navelan'i Kremlin ntaolo be sy ireo toerana masina hiditra ao aminy ilay afo, satria maty tamin'ny fotoana nandalovany teo ambanin'ny Vavahadin'ny Mpamonjy (izay mitàna ny sarivongan'i Smolensk Savior nasiam-panamboarana). […] Azo entina any amin'ny tanàna sisa any Rosia ilay afo narehitra tao Kremlin ary nentina nanodidina ny toerana masina ao aminy.

Nalaza ny fanazavana mifandraika amin'ny fomba fivavahana paganisma tato ho ato — andro vitsivitsy talohan'ilay zava-niseho tamin'ilay afo, dia nisy mpitondra fivavahana iray ( mpitondra fivavahana ambony) niteny [19] fa resin'ilay Okrainiana Vladimir Klitschko ilay Rosiana mpanao ady totohondry ao amin'ny sokajy mavesatra Alexander Povetkin tamin'ny fiadiana ny anaram-boninahitra noho ny tombontsoany amin'ny fomba amam-panaon'ny paganisma vaovao.  

Tahaka ilay afo maty, dia heverin'ny maro fa karazana famantarana ihany koa ny faharesen'i Povetkin. Heverin'i [20][ru ] Alexey Chadaev, mpitahiry ny tsiambaratelon'i Kremlin fa vokatry ny fanandraman'ny mpanohitra Rosiana hanazimbazimba an'i Kremlin sy ny Filoha Putin io karazana fitadiavana “famantarana” sy fanoloran-tena amin'ny ” sampy” io. Na izany aza dia mampisy tsirim-panantenana kely io andrana io raha ampitahaina amin'ny kapitalisma taloha. Hita ao amin'ny sary rakotra ao amin'ny Facebook-n'ny [21]brike Zippo miaraka amin'ny tenifototra hoe #zipposavesolympics ity sary ity :

Zippo Facebook page. Screenshot. [21]

Zippo Facebook page. Screenshot.