Mampiseho Ny Fifanenjanan'ny Vehivavy Sy Ny Lehilahy Kiobàna Ny Firoborobon'ny Famoronana Orinasa

Vehivavy Kobianina

Nahatonga ny fitomboan'ny miasa tena (cuenta propia), raiso amin'ny hoe tsy ampiasain'ny fanjakàna, ny fiovàn'ny lasitra ara-toekaren'i Kiobà. Tsy zava-baovao any Kiobà ny Miasa Tena; iray amin'ireo andrin'ny fepetra ara-toekarena vao haingana noraisin'ny governemanta  izy io. Kanefa nampibaribary fifanipahana sy fifanenjanana teo anivon'ny fianakaviana Kiobàna io lalàna io, ary indrindra manoloana ny sokajim-fifandraisan'ny lahy sy ny vavy. 

Nanomboka ny taona 2010, nampiditra tsikelikely asam-barotra sy fifanakalozana maro io fomba famokarana vokatra sy tolotra io. Araka ny gazety Trabajadores [Mpiasa], ny feon'ny Central de Trabajadores de Cuba, nisy olona 436.342 niasa tao amin'io sehatra io tamin'ny faran'ny volana Jolay 2013 

Ho an'i Teresa Lararaka, mpikaroka :

… la actualización del modelo económico cubano requiere de una intensidad del trabajo doméstico y de cuidado para sustituir con trabajo no remunerado los gastos que antes eran asumidos en gran medida por el Estado y para producir bienes y servicios que ya no se compran en el mercado. La reducción paulatina de los subsidios a productos normados, la disminución de comedores obreros y el recorte racional de los gastos del presupuesto estatal exigen la incorporación de todos estos gastos al ámbito del hogar.

… ny fanavaozana ny lasitra ara-toekarena dia mila asam-pianakaviana sy fikarakarana henjana mba hanoloana ny asa izay tsy andraisam-bola miaraka amin'ireo saram-pandaniana izay tany aloha dia alain'ny fanjakana ny ankamaroany, ary mba hamokarana vokatra sy tolotra, mbola tsy afaka novidiana teny an-tsena. Ny fampidinana kely ny fanampiana ho an'ireo vokatra efa tafapetraka, ny fihenàn'ireo mpiasa amin'ny tolotra ara-tsakafo, sy ny fanakantsanana araka ny tokony ho izy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana dia mitaky ny fampidirana ireo saram-pandaniana rehetra ireo ho ao anatin'ny fiainan-tokantrano.  

Anatin'io vanim-potoana io no nidiran'ireo vehivavy ho amin'ny asa tena any Kiobà. Araka ny Oficina Nacional de Estadísticas(Birao Nasionalin'ny Antontanisa), niakatra ho 62.000 ny isan'ireo vehivavy ao amin'io sehatra io tany akaikin'ny taona 2011.  

Ireo Kiobàna miasa tena sy ny Orinasa

Ny nananganana vao tsy ela akory izay ny Entrepreneurial Women site [es] tranonkalan'ireo Vehivavy Mpandraharaha izay mifantoka amin'ny maha-lahy sy vavy ary ny fanànana asa dia manamafy ny filàna fanavaozana izay tsy ara-toekarena fotsiny, fa ihany koa ny fomba famaky sy fijery ny hoe miralenta.

Amin'izany, ny fampiasana ny fotokevitra hoe orinasa dia hipoitra ho toy ny andry manana lanja amin'ny fifandraisana vaovao eo amin'ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny tontolon'ny asa, izay tsy hahitàna ny fanambaniana ny vehivavy, sy manome vàhana ny famoronana orinasa bitika tarihan'ireo vehivavy sy toe-karena ifanohànana.

Arindran'ny Servicio Informativo de la Corresponsalía en Cuba del Servicio de Noticias de la Mujer de Latinoamérica y el Caribe ilay tranonkala [es] (SEMLAC amin'ny fiteny Espaniola, masoivohom-baovao an'ny vehivavy), tantanina avy ao Kiobà, ary misy sokajy fito izay andefasan'izy ireo gazetin'asa, valina fanadihadiana, ary lahatsoratra fanehoan-kevitra.   

Fanampin'izay, afaka miditra aminà seha-pifanakalozan-dresaka virtoaly ireo mpampiasa, ka ao anatin'io no iadiana hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto: ahoana no hahafahantsika manova izao zava-misy izao? Mitovy ve ny lehilahy sy ny vehivavy any anaty orinasa? Ary inona ireo sakana atrehan'ireo vehivavy mba handraisana anjara amin'ny fitantanana ireo orinasa bitika? 

Ao anatinà tetikasa marolafy, manonta taratasim-pifandraisana ihany koa ny “Entrepreneurial Women” izay ao amin'ny renivohitra irery ihany no zaraina amin'izao fotoana izao, hoy i Sara Artiles, iray amin'ireo mpitantana ilay tranonkala. Fanampin'izany, mitantana dinidinika fifampiresahana vitsivitsy izy ihany koa izy. Ny tranonkala, ny tolotra, sy ny lisitry ny mailaka dia ikendrena ny hamoronana kolontsainan'ny miralenta miaraka amin'io sehatra ara-toekarena io: “Mihazo any tsikelikely izahay, fa ho any izahay,” hoy i Artiles.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.