Madagasikara: Mafàna ny fara-doboka

Zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny firenena iray ny fifidianana, na inona na inona karazany. Tsy manao izany ho ambanin-javatra koa ireo mpifidy sy mpisehatra isan'ambaratonga mba hiatrehana izany, ary indrindra mba hibatàna fandresena.

Edgar mandalo, Robinson mitazana ery aoriana ery!

Edgar mandalo, Robinson mitazana ery aoriana ery!

Fara-doboka ny anio, satria hifarana ny Alakamisy 24 Oktobra amin'ny 6 ora maraina ny fampielezankevitra. Nisy tamin'ireo kandidà ny nisafidy ny hitety ny araben'ny renivohitra mba hampahafantarana ny aminy sy ny tokony handresena lahatra ny mpifidy. Misy kosa ireo nisafidy ny hihataka kely, hivoaka ivelan'ny renivohitra ka namory vahoaka taminà kianja malalaka.

Photo 222

Mpomba an'i Robinson mifanome tànana miaro ny lalan'ny fiaran'i Edgard

Raha zava-nahafinaritra ny fifanizinan'ireo mpiandany tamin'i Hery Vaovaon'i Madagasikara, sy ny an'i Laza Razafiarison, teo amin'ny ampahan-dàlana ambadiky ny biraon'ny Lapan'ny Tanàna, androany tamin'ny mitataovovonana, dia saika nisy vanja nandrehitra ny afo kosa ny fifanenan'ny mpiandany amin'i Robinson Jean Louis sy Edgard Razafindravahy teny Andohatapenaka. Raha iny nandalo iny ny mpiandany amin'ny mpifaninana laharana 34, dia sady niaritra ny hogahogan'ny ankilany, no nisy toraka indray mandeha niantefa teny amin'ny fiara. Soa fa mba misy ihany ny olona tonga saina, fa tsy andron'ny korontana no tadiavina sy katsahana, fa fifidianana milamina, ka avy hatrany dia nandray andraikitra nanao laharan-tokana nifanolotra tànana, nanao manda mba hahafahan'ireo fiara nandalo sy nizotra tanaty filaminana. Mahafinaritra.

Ny tena olana koa tamin'ity andro androany ity, dia ny fitohanana tsy hay lazaina nanjo ireo rehetra mpampiasa ny arabe. Kilaometatra maro no fitohanana miandry anao raha hihazo an'Andohatapenaka, Ambohibao na Ivato iny.

Fitohanan'ny fifamoivoizana

Fitohanan'ny fifamoivoizana

Fa ny tsy tokony ho adinon'ny tsirairay, na mpifidy izy na mpifaninana dia ny fiarovana ity fifidianana ity ho anaty mangaraharaha sy hilamina. Tsy sanatria hatoritory ka tsy hanara-maso ny fandehany, mialoha, mandritra ary aorian'ny latsa-bato. Tahaka ity tsikaritry ny Andrimaso ity:

Andrimaso: Formation bulletin de vote Fokontany Avadoha : Pas de mention spécimen sur le bulletin de formation => ceci ouvre la possibilité à une ré-utilisation du bulletin déjà coché pour le bourrage lors de vrais élections. Merci à la citoyenne pour sa contribution. Ce sont vos élections, protégez votre vote !! http://andrimaso.madatsara.com/index.php/reports
 

Fampianarana ny olona tao amin'ny Fokontany Avaradoha: tsy nisy soratra specimen ny biletà nanaovana fampiofanana => manokatra làlana ho an'ny hosoka hampiasàna ilay biletà efa voamarika io mba hamenoana vata rehefa tena tonga ny androm-pifidianana. Misaotra an'ilay olom-pirenena noho ny fandraisana andraikitra nataony. Fifidiananao io, arovy ny vatonao !! http://andrimaso.madatsara.com/index.php/reports

Ndeha ianareo hampiainina an-tsary ny fara-doboka sendra ny fakantsarin'ny teto amin'ny Global Voices Online Malagasy:

eto aloha ny an'i Hery laharana faha-3 , iry mijoro ambony tafon'ny fiara kosa ny an'i Laza laharana-19

eto aloha ny an'i Hery laharana faha-3 , iry mijoro ambony tafon'ny fiara kosa ny an'i Laza laharana-19

Mpomba an'i Dadafara laharana faha-13 mampidera ny azy amin'ireo mpomba an'i Hery sy Laza

Mpomba an'i Dadafara laharana faha-13 mampidera ny azy amin'ireo mpomba an'i Hery sy Laza

 

Niaretan'ny olona teny Andohatapenaka ny hainandro sy ny vovoka

Niaretan'ny olona teny Andohatapenaka ny hainandro sy ny vovoka

Fa tsy ilaozan'izay misy mpanao hatsikana koa ny fiainana (sary tao amin'ny Facebook)

Fa tsy ilaozan'izay misy mpanao hatsikana koa ny fiainana (sary tao amin'ny Facebook)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.