- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara : Fifidianana Filoham-pirenena 25 Oktobra 2013 – Nankaiza Ireo Mpifaninana Hafa ?

Sokajy: Madagasikara, Fanentanana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Politika

Ny zoma 25 Oktobra, 2013 ho avy izao no daty voafaritra fa hanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena eto Madagasikara, fotoana izay hiandrandràn’ny maro ny hisian'ny fiovàna, fandrosoana, ary indrindra indrindra fialàna anaty krizy.
Tsy ny mponina ihany anefa no miandrandra valiny mahasao amin’io fifidianana io, fa eo ihany koa ireo Kandidà rehetra nirotsaka ho Filoha, izay samy nanao izay ho afany nandritra izay fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay. Fotoana nahafantaràna bebe kokoa ny kandidà tsirairay avy, izay marihana fa misy ireo tsy tazana mihitsy; na dia fantatra aza fa 33 no isan’ireo Kandidà nirotsaka ho fidiana ho amin’io fifidianana Filoham-pirenena io.

Samy manontany ny amin'izay ho kandidàny ireto olona ireto tao amin'ny Facebook:

 Olivier Fridolin M [1] Dia iza izany no fidiana? Sarotra koa miverina @ naloha eh!

Diamondra Hajanirina R [2] D iz zan no ho fidina e?????

Photo 154

Sary: @avylavitra

Kandidà 33 noho izany no tokony ho fantarina sy ho hita etsy sy aroa, kanefa raha ny hita sy ny re matetika amin’ny fahitalavitra , ny onjam-peo sy ny tambajotra sosialy toy ny Facebook ,sns…dia ny antsasany amin’ireo Kandidà ireo ihany (16 isa ) no tena mitety faritra sy tena hita manerana ny tanàna, ka misy ny manao fampielezan-kevitra milamindamina ary misy ny tena makotrokotroka tokoa (Afisy, T-shirt,fanentanana isan-karazany,…).

Mbola ao amin'ny Facebook ihany, mametraka fanontaniana ny mpanao gazety iray hoe:

[3]

Lojika manao ahoana ary izany no hiheverana kandidà fa ho lany izy. Ny isan'ny olona nanatrika ve ? Ny isan'ny t-shirt sy ny zavatra nozaraina ve ? Ny horakoraka azony ve ? Ny vola natsipitsipy teny rehetra teny ve ? Ny zava-misy mantsy, rehefa zahana toa ny lalambe ihany no nahita endrika ny kandidà izay nanana fahefana nanao propagandy fa ireo izay tsy nanana kosa nampiasa ny TVM no nataony fa ny tsy fantatr'izy ireto dia izao : zara raha manana jiro 4 ora ny mponina any amin'ny faritra maro, zara raha todin'ny fiara any aminy ary ny mampalahelo indrindra dia mbola eo koa ny hoe sady tsy mahay mamaky teny ny be no sady tsy mahay manoratra…

Ireto avy ny Kandidà 16 tena fantatry ny mponina araka ny fanadihadiana sy hita manerana ny Nosy :
 Hajo Herivelona Andrianainarivelo
 Edgard Marie Noé Razafindravahy
 Hery MArtial Rakotoarimanana Rajaonarimampianina
 Jean Louis Robinson Richard
 Rolland Iarovana Ratsiraka
 Camille Vital Albert
 Rabeharisoa Sarah Georget
 Rabemanantsoa Brigitte Ihantanirina
 Willy Sylvain Rabetsaroana
 Tabera Randriamanantsoa
 Fetison Rakoto Andrianirina
 Laza Razafiarison
 Ratrema William
 Julien Razafimanazato
 Venance Patrick Raharimanana
 Randriamampionona Joseph Martin (Dadafara)
Hoy Ramatoa Rakotokely Lydia naneho ny heviny :

“Samy manana ny fomba handresen’ny lahatra ireo vahoaka mpifidy avokoa ireo Kandidà ireo ka zary lasa fijerena ny fahafaha-manaon’ireo Kandidà ilay fampielezan-kevitra. “

Koa mampametra-panontaniana ihany izany ankehitriny hoe :
Nankaiza ireo Mpifaninana hafa ? Sa ve efa nilavo lefona sahady?

Misy ireo milaza fa :
– Tsy ampy ny ho enti-manan’ireo mpifaninana hafa ireo ; ka na ,izy ireo manao fampielezan-kevitra fa mangingina any amin’ny fokontany (mitety varavarana) sy kaominina lavitra any, na koa efa miomana sahady amin’ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka atsy ho atsy. Ary dia efa nisy mihitsy aza ny nanàla ny firotsahany ho fidiana ho Filoham-pirenena raha vao nahita ireo mpifaninana aminy be dia be ka nisafidy ny hanohana Kandidà hafa. Raha tsy hilaza afatsy i Maitre Avoko, avy ao amin’ny Kung Fu Malagasy.
– Mety ho antony iray hafa ihany koa ny tsy fanekena ilay ‘Bulletin Unique’ na ny ‘Biletà tokana’ izay iaraha-mahalala fa nampisy adihevitra be teto amin’ny firenena ny amin’ny mety tsy hahaizan’ny any ambanivohitra lavitra Andriana any ny fomba hampiasàna azy io , ka heverina hampisy ny fangalaram-bato.

kandidas33

sary nalaina tato [4]

 

- Eo ihany koa ny fahateren’ny fotoana fanomanana izay heverin’ireo mpanao politika sasantsasany fa ilàna fiomànana ela fa tsy am-bolana vitsy fotsiny ihany . Betsaka araka izany ny tsy fetezan-javatra, fa ny tena henjana dia ny olona maro tsy tafiditra tanaty lisitra, nahatonga an'i Nadia R hiteny hoe:

[5]

Izao no soso-kevitro aminareo rehetra milaza fa tsy nahazo karatra sy tsy anaty lisitra. Nanao recensement ny Cenit nisy fotoana dia nisy reçu nomena anareo. Tehirizo tsara raha tena tsy afaka mifidy ianareo. Iny avy eo no entina hanaovana réclamation… Tandremo pièce mitambatambatra ilaina ireny ho an'ny Ces…

Ity misy hanihany iray avy amin'i DotMg:

Dot MG [6]

Raha izaho no lany Dada tsy avelako mody, Neny sy Boaikely roahiko tsy mahazo miditra eto tsony, tsinjoviko ny vahoaka fa ny bois de rose hanamboarako cure dents amin'izay mba samy manana bois de rose ny Gasy.
Vazivazy fa raha izay aza no drafi-panarenam-pirenena hatolotro tsy ho mena mitahy amin'ny an'ireo 33 ireo.

Tsy ny eto an-toerana ihany anefa, fa hatramin'ireo mpanara-baovao avy any ivelany koa dia mametraka fanontaniana, saingy tamin'ity indray mitoraka ity, fanontaniana mikasika an'i Andry Rajoelina koa:

rfi [7]

A quelques jours du scrutin présidentiel dont le premier tour est fixé au vendredi 25 octobre, le chef de la transition malgache cultive toujours le mystère sur son propre avenir. Va-t-il faire ses adieux à la politique ? Renaître de ses cendres aux côtés du prochain président ? Prendre les chemins de l’exil ou se mettre en réserve de la République et préparer son éventuel retour aux affaires dans cinq ans ?
Décryptage à lire ici : http://rfi.my/GZRFqC [8]

Andro vitsy alohan'ny fihodinana voalohany hifidianana izay ho filoham-pirenena, ny Zoma 25 Oktobra, manohy hatrany ny kifonofono mikasika izay ho avy ara-politika ny filohan'ny tetezamita Malagasy. Hanao veloma sy sehtra politika ve? Hifoha indray avy amin'ny lavenony ka hijoro miaraka amin'izay filoha ho lany eo? Handray ny zotran'ny fanaovana sesintany ny tenany sa hipirimpirina hanomana ny fiverenany amin'ny raharaha afaka dimy taona?

Farany, ny antenain’ny Malagasy rehetra amin’izao Fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao dia ny hisian’ny mangarahara tanteraka ka mba ho ny tena safidin’ny vahoaka tokoa no hiseho amin’izany. Efa misy koa ireo mpanara-maso ny fifidianana eto an-toerana sy ireo mpanara-maso iraisam-pirenena ka hinoana fa samy handray ny anjara andraikiny avy izy ireo .

observateurs

Loharanon'ny sary/ pejy FB MOE [9]

Aty alohan'ny fifidianana anefa dia efa mitranga sahady ny fanelingelenana ny ho fanarahamaso tsy hisian'ny hala-bato. Mahatonga an'i Jean-Luce R [10]. hanoratra taratasy ho an'ny filohan'ny CENIT:

[11]

Jean-Luce Randriamihoatra [10]

TARATASY MISOKATRA HO AN’I ATALLAH BEATRICE

Eo am-pihainoana anao ao amin’ny TV Plus izahay dia tena malahelo. Tsy hainay intsony raha ianao no tokony alahelovana na ny Malagasy mihaino ny teninao.

Hoy ianao mantsy :
“Tsy fahadisoan’iza na iza ny nisian’ny doublons miisa 1.400.000”, satria tsy mbola nisy ny “logiciel amélioré”. Na ianao misolo vaika ny ankalana, na ianao tsy mahay ny momba izany “informatisation” izany.
Ny “logiciel” dia nataon’olombelona. Ka raha misy fahadisoana, dia ny “informaticiens” sy ny “analystes” namolavola izany no DISO. Diso ihany koa izay Tomponandraikitra Voalohany (ny mpangalatra sy ny mandray halatra dia mitovy heloka).

Tsotra ihany ny anay : Mila faizina ny nanao ny fahadisoana, satria tsy kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena, ary aminay dia tsy afaka manala ny tenany Atoa Hery Rakotomanana sy ny “teknisianiny”.

Sao lahy mamela heloka ianao, … satria (sanatriavina) mety hanao fahadisoana fanahy iniana … na noho ny tsy fahaizana ?
Ahiahy tsy hihavanana ny anay !

— miaraka amin'i Nivo R [12].

TARATASY MISOKATRA HO AN’I ATALLAH BEATRICE Eo am-pihainoana anao ao amin’ny TV Plus izahay dia tena malahelo. Tsy hainay intsony raha ianao no tokony alahelovana na ny Malagasy mihaino ny teninao. Hoy ianao mantsy : “Tsy fahadisoan’iza na iza ny nisian’ny doublons miisa 1.400.000”, satria tsy mbola nisy ny “logiciel amélioré”. Na ianao misolo vaika ny ankalana, na ianao tsy mahay ny momba izany “informatisation” izany. Ny “logiciel” dia nataon’olombelona. Ka raha misy fahadisoana, dia ny “informaticiens” sy ny “analystes” namolavola izany no DISO. Diso ihany koa izay Tomponandraikitra Voalohany (ny mpangalatra sy ny mandray halatra dia mitovy heloka). Tsotra ihany ny anay : Mila faizina ny nanao ny fahadisoana, satria tsy kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena, ary aminay dia tsy afaka manala ny tenany Atoa Hery Rakotomanana sy ny “teknisianiny”. Sao lahy mamela heloka ianao, … satria (sanatriavina) mety hanao fahadisoana fanahy iniana ... na noho ny tsy fahaizana ? Ahiahy tsy hihavanana ny anay !
 

Sy i Lova Rakotomalala [13] hanoratra toy izao rehefa nizara ny sary avy amin'ny Andrimaso [14].:

[15]

 
Les mesures de masse pour fraude systématique lors des élections ont commencé: 1) on hacke les sites d'observations citoyens malgaches 2) on envoie des observateurs de pays “amis” ( ex: Maurice) contrôlés les PV 3) Pour soi disant formés les électeurs dans le fonkotany, on les fait remplir des bulletins sans la mention spécimen dessus. Du coup, ces bulletins pourront être utilisés pour bourrer les urnes plus tard. SVP, Prenez toutes mesures suspectes en photo, c'est le seul moyen de se battre. Courage à tous.
 

Nanomboka ny sahady ireo fihetsika hanaovana hala-bato faobe mandritra ny fifidianana: 1) nojirihana ny tranonkalan'ny olom-pirenena Malagasy natao hanarahamaso 2) nandefasana mpanara-maso avy amin'ireo firenena “akama” ( oh: Maorisy) hanamarina ireo  PV firaketana an-tsoratra 3) Ho an'izay lazaina fa hoe fanofanana ny mpifidy any amin'ny fokontany, asaina mameno ilay biletà tokana ry zareo, nefa tsy asiana ilay soratra SPECIMEN akory eo amboniny. Amin'izay fotoana izay, afaka ho ampiasaina ireny biletà tokana ireny hamenoana ny vata fandatsaham-bato atsy aoriana kely atsy. MIANGAVY, Raketo an-tsary izay fepetra rehetra mampiahiahy, izay no hany fomba tokana ahafahantsika miady. Mahereza daholo.

Fara-doboka androany, ary nandritra izay fotoana rehetra izay dia samy nampiasa izay fitaovana hahafahany miserasera amin'ny vahoaka daholo ireo kandidà tsirairay. Isan'ireny ireto santionan-tsary vitsivitsy ireto:

ny rindrin'ny trano

ny rindrin'ny trano (Sary: @avylavitra)

karazana taxi vaovao

karazana taxi vaovao (Sary: @avylavitra)

ny havoana Ampamarinana

ny havoana Ampamarinana (Sary: @avylavitra)

 

fiara mitety tanàna

fiara mitety tanàna (Sary: @avylavitra)

na maimbo aza eto, ampiasaina ihany rehefa be mpandalo

na maimbo aza eto, ampiasaina ihany rehefa be mpandalo (Sary: @avylavitra)

 

Farany:

Nanoratra ny namana vitsivitsy tao amin'ny FB fa nitrangan-javatra mampalahelo ny famoriam-bahoaka iray tany amin'ny faritr'i Bongolava ho fiatrehana izao fifidianana izao. Manontany i Alisoa Rasoanaivo, ary mamaly i Mandimby Maharo:

[16]Alisoa Rasoanaivo
dia ahoana, taorian”izany faty olona izany, fa toa hitako amin'ny pub hoe hanao faradoboka andro alina i Edgard Razafindravahy ny alarobia ??
 

[17]

Mandimby Maharo [18]
Namoizana aina indray ny fitarihana olona hioby ny loko volomboasary.Avy ao anatin'ireo mpihogahoga ihany no nitifitra… Tsy film efa nandeha fa toa ho zary fomba fanao handrombahana fahefana.

 

Manahy ny ampitso kosa i Jentilisa ao anatin'ity bitsika nalefany ity:

[19]

Zo Andriamifidisoa [20]
Ny propagandy ho vita anio fa hiatrika ny mafimafy kokoa isika. #mg261 [21] #mdg2013 [22] Aleo atao hoe ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa

Lahatsoratra niarahan'i nirinandrea sy avylavitra nanatontosa.

 Sary: misy ny nosintonina avy amin'ny pejy FB, misy ny nalain'i avylavitra