Nandritra ny fetin'ny Eid al-Adha [15 Oktobra], nomena alalana hotsidihan'ireo fianakaviany ireo gadra Saodiana sasany. Maro ireo fitsidihana nofoanana tamin'ny fety tamin'ity taona ity, ka niteraka fahatezerana marobe teo amin'ireo fianakavian'ny gadra.
Iray amin'ireo olana mafampàna indrindra mikasika ny zon'Olombelona ny olana momba ny fanagadrana tsy amin'ny antony ao amin'ny fitondram-panjaka. Nanambara ny loharanom-baovao tsy miankina momba ny zon'olombelona fa olona 30.000 no nogadraina tsy amin'ny antony [ar], ka maro tamin'izany ireo nosamborina taorian'ny “ady amin'ny fampihorohoroana” faobe tamin'ny 9/11. Nosamborina tsy nisy taratasy (didy fampisamborana) ireo gadra ireo ary tsy nahazo naka mpisolovava sy tsy niakatra fitsarana.
Iray amin'ireo fianakaviana, Yasser al-Ayaf, nisioka momba ny olona nihaona taminy:
اليوم زيارة المعايدة لوالدي .. الجوير يقول عبدالله متغير “يقصد ابوي” وعدنا من حيث اتينا دون زيارة (وعلى قدر المضالم تأتي الدعوة)
— ياسر عبدالله العياف (@yasser939393) October 16, 2013
Andro Eid tokony hitsidihako ny raiko androany. Nilaza i al-Jouir [Talen'ny fonja] fa niova ny raiko Abdullah ka niverina tsy afaka nitsidika izahay …
Tamin'ny volana Aogositra, nahazo didy famotsorona avy amin'ny mpitsara ny rain'i Yasser, izay nigadra nandritra ny fito taona ary tsy mbola nandalo fitsarana, saingy tsy notanterahin”ny minisiteran'ny Atitany izany didy famotsorana izany:
اللهم لك الحمد حتى ترضى صدور امر افراج لوالدي قبل دقائق من الأن ..
— ياسر عبدالله العياف (@yasser939393) August 27, 2013
Misaotra Andriamanitra. Nivoaka minitra vitsy lasa ny didy famotsorana ny raiko.
Maha al-Dhuhayan, vadin'i Abdullah al-Ayaf nisioka hoe:
مر يوم العيد بلا اتصال من ز وجي واليوم موعد الزيارة وطال الانتظار فاقبلوا علينا ليخبرونا انه لا زيارة اليوم…!! #عيد_المعتقلين
— مهاء الضحيان (@cczz9000) October 16, 2013
Lasa ny Eid kanefa tsy mba nahazo antso avy amin'ny vadiko aho. Tokony hitsidika azy izahay androany, kanefa rehefa niandry efa ela be izahay, dia nolazaina avy eo fa tsy mahazo mitsidika!
Raha tsy navela hitsidika ireo fianakaviana, nanapa-kevitra hanao sit-in fohy izy ireo ny andro faharoan'ny Eid, ny 16 Oktobra. Nohodidinin'ny mpitandro ny filaminana izy ireo ary tsy nahazo valin-teny:
من ست ساعات ولارد احد ! طيب ليش تواعدوننا بزيارات ؟ pic.twitter.com/SAKEpWx9fk
— ياسر عبدالله العياف (@yasser939393) October 16, 2013
Efa adiny enina izay, mbola tsy misy olona mamaly ny fitakiana! Nahoana ianareo no nilaza taminay fa mahazo mitsidika izahay?
Amin'iray amin'ireo horonantsary nampiakarina avy ao amin'ny sit-in, ankizy iray miventso [ar] hoe: “Maniry ny hamotsorana ny gadra ny vahoaka!”
Tamin'ny 7 ora hariva, ora ao an-toerana, nanapa-kevitra ny hody izy ireo:
تفرق المشاركون في #اعتصام_الطرفية بعد وقوف بعضهم لقرابة ٨ساعات ليعايدوا أقاربهم ولم يلاقواسوى قسوة قلوب المباحث وفضاضة السنهم #عيد_المعتقلين
— المناصرون (@almonaseron) October 16, 2013
Nody avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny sit-in tao al-Terfeya [fonja]. Nisy tamin'izy ireo no nijanona tao nandritra ny adiny 8 mba hihaona amin'ireo havany, saingy ny hamafin'ny fon'ireo polisy no hany mba hitan'izy ireo.
Ny ampitso, 17 Oktobra, tapa-kevitra hiverina hangataka fitsidihana hafa izy ireo. Nolazaina izy ireo mba handeha any amin'ny Biraon'ny Governora. Maha al-Dhuhayan nisioka hoe:
اليوم الثاني على التوالي مرابطة من اجل اتصال او زا يارة بلا جدوى واﻵن توجهنا الى الأمارة عسى الله ان يحدث بعد ذلك فرجا #عيد_المعتقلين
— مهاء الضحيان (@cczz9000) October 17, 2013
Efa roa andro misesy izao no nanaovanay sit-in mba hitaky antso an-tarobia na fitsidihana, saingy tsy nahitam-bokany. Amin'izao fotoana izao, handeha hamonjy ny biraon'ny governora izahay. Hamonjy anay anie Andriamanitra .
Reema al-Jourish, izay manana vady nogadraina tsy amin'ny antony ihany koa, nisioka hoe:
عاااجل اعتقال جميع الشباب و اختفاء كامل للنساء لانعلم عن النساء شي ذويهن يتصلون بهم ولا يوجد رد #عيد_المعتقلين
— ريما الجريش (@twit_rima) October 17, 2013
Nosamborina avokoa ireo tovolahy rehetra ary nanjavona ireo vehivavy. Tsy fantatray izay misy ireo vehivavy. Niezaka niantso azy ireo ny fianakaviany saingy tsy nahitam-bokany.
Nilaza ny vaovao fa ankizy 15 no nosamborina:
لا يزال ١٥ طفل من (أسرة الحربي و العياف و الضحيان) يعتقلون في سجون القصيم ، كانوا في الطريق لزيارة آبائهم في سجن مباحث الطرفية
— اعتقال (@e3teqal) October 17, 2013
Mbola notanana ireo ankizy dimy ambinifolo (avy ao al-Harbi, al-Ayaf sy fianakavian'i al-Duhayan) raha teny an-dalana hitsidika ny rain'izy ireo ao amin'ny fonjan'i al-Terfeya.
Nisy ihany koa ireo gadra sasany tsy nahazo fitsidihana Eid hatrany am-boalohany, tahaka ilay mpikatroka ny zon'olombelona Houd al-Aqel, izay nosamborina tamin'ny volana Martsa:
إدارة سجن الحاير تحرمنا من زيارة هود ومعايدته رغم اتصالاتنا ومطالبتنا المستمرة #عيد_المعتقلين
— خولة العقيل (@khawlah20) October 18, 2013
Nolavin”ny tompon'andraikitra mitantana ny fonjan'i al-Hayer taminay ny fitsidihana an'i Houd na dia teo aza ireo antsonay sy fitakianay tsy an-kiato.