- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARY: An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy, Fiangonana Manatantara Ravan'ny Horohorontany Tao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Voina
@tokyodrastic: Loboc Church in Bohol collapsed front and center... Landslides around. People must be hurt. But seeing no casualties pic.twitter.com/oaoeU3bsI0 [1]

Fiangonana Loboc ao Bohol nianjera ny teo aloha sy ny tao afovoany. Sary avy amin'ny @tokyodrastic

Olona maherin'ny [2] maherin'ny 150 no matin'ny horohorontany maridrefy 7,2 tao amin'ny vondro-nosy afovoan'i Filipina tao Bohol sy  Cebu tamin'ny 15 Oktobra 2013.

Niainga tao Bohol nisy ny foibeny ny horohorontany mahery vaika, tamin'ny 8:12 maraina ary niteraka fahasimban-dalana, trano, tranobe sy fiangonana manan-tantara ao amin'ny nosy.

Nizaka mafy ny voka-dratsin'ny horohoron-tany ihany koa ny vondro-nosy mifanila amin'i Cebu, izay tanàndehibe faharoa lehibe indrindra ivelan'i Manille, renivohi-pirenena, ka nahitàm-pahasimbana avokoa ny toeram-pivarotana, ny tsenam-bahoaka, sekoly, sy tranobe hafa.

Nahare hovitrovitra ihany koa ireo faritany hafa tao amin'ny faritra afovoan'i Filipina saingy tsy nisy ny loza niseho na teo amin'ny olona na teo amin'ny fotodrafitrasa.

Nifoha vao maraimbe tanaty vakansy, tsy nampoizin'ny maro ny horohorontany. Tamberin'ny hovitrovitra an-jatony [3] amin'ny hatanjaka isan-karazany no niseho manaraka ny horohorontany goavana voalohany.

Nizara ny zava-niainany nandritra ny hovitrovitra tamin'ny alalan'ireo tambajotra sosialy tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube, ary ny Instagram ireo mpiserasera tao amin'ny tambajotram-piarahamonina:

Mahatsikaiky fa nihazakazaka avy tao amin'ny trano fandroana ny raiko mba hampiditra pataloha, ary ny rahavaviko misitrika ao anaty fandriana miaraka amin'ny solosaina finday eny an-tanany.????

Oay, nampihozongozona ny vorombinay mafy eto amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Iloilo ny horohorontany. Nihevitra aho fa nampiditra zavatra fotsiny ry zareo.

taitra tampoka tamin'ny torimaso lalina noho ilay horohorontany mahery vaika ary nivoaka haingana tany ivelany. Voatahy tafaraka tamin'ny fianakaviako. Mailo amin'ireo tamberin'ny hovitrovitra #horohorontany

 Androany ny Lozam-bakoka (#Heritage) eo amin'ny firenana

Naka sary misy ireo fahasimbana naterak'ilay horohorontany mahery vaika ihany koa ireo mpiserasera ao amin'ny tambajotram-piarahamonina:

@KaiizenM More photos of damaged buildings.I do not own anything. #Cebu http://twitpic.com/dhe9nh [10]

Sto Nino, Fiangonana ao Cebu. Sary nampakarin'i @KaiizenM

@BlueGrayKimpots: Ohlala... Cebu Doctors University after the very trong earthquake. :( #earthquake pic.twitter.com/bPslkaaL8W [11]

Oniversite: Cebu Doctors University. Sary: @BlueGrayKimpots

@randelltiongson: Damaged by the earthqauke here in Ayala Center Cebu pic.twitter.com/TSJhUNl8f1 [12]

Toeram-pivarotana Ayala ao Cebu. Sary: @randelltiongson

Anisan'ireo fotodrafitrasa simba be indrindra noho ny horohorontany ireo fiangonana tranovato tranobiriky manatantara ao Bohol. Natsangana tamin'ny alalan'ny asa fanandevozana polo na andevo Filipino nandritra ny fanjanahantany Espaniola tamin'ny taona 1700 sy 1800, anisan'ny vakoka ara-kolontsaina sarobidy indrindra ao amin'ny firenena ireo fiangonana ireo.

 

@rod_bolivar: Saint Vincent Parish Church in Maribojoc, Bohol crumbled to the ground after the earthquake. pic.twitter.com/MhTC584Wid [13]

Fiangonan'ny Masindahy Vincent Parish ao Maribojoc, nianjera tamin'ny tany i Bohol taorian'ny horohorontany. Sary: @rod_bolivar

@Huntress96: the worst church damage in Bohol. The church is now pulverized :"( pic.twitter.com/fcsv2ibPK3 [14]

“Fahasimbana goavana indrindra tamin'ny fiangonana tao Bohol. Potipotika tanteraka ny fiangonana amin'izao fotoana izao.” Sary: @Huntress96