Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

23 Oktobra 2013

Tantara tamin'ny 23 Oktobra 2013

Madagasikara: Mafàna ny fara-doboka

[...]Fa ny tsy tokony ho adinon'ny tsirairay, na mpifidy izy na mpifaninana dia ny fiarovana ity fifidianana ity ho anaty mangaraharaha sy hilamina. Tsy sanatria hatoritory ka tsy hanara-maso ny fandehany, mialoha, mandritra ary aorian'ny latsa-bato.[...]

Nofoanana Ny Fitsidihana Ireo Gadra Saodiana, Nosamborina Ireo Fianakaviana

Tsy vitan'ny nosakanana tsy hitsidika ireo gadra Saodiana ireo fianakaviany nandritra ny fetin'ny Eid Al Adha , fa nosamborina ihany koa raha nikarakara sit-in mba hahitana ireo havana malalany.

Madagasikara : Fifidianana Filoham-pirenena 25 Oktobra 2013 – Nankaiza Ireo Mpifaninana Hafa ?

Kandidà 33 no tokony ho fantarina sy ho hita etsy sy aroa, kanefa raha ny hita sy ny re matetika amin’ny fahitalavitra , ny onjam-peo sy ny tambajotra sosialy toy ny Facebook ,sns…dia ny antsasany amin’ireo Kandidà ireo ihany (16 isa ) no tena mitety faritra sy tena hita manerana...

SARY: An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy, Fiangonana Manatantara Ravan'ny Horohorontany Tao Filipina

"Ny fiangonanay no simba fa tsy ny fanahinay", nanjary teny malaza tao amin'ny aterineto tao Filipina izany taorian'ny horohorontany namely ny faritra afovoan'ny firenena