
Loharano : FEMEN
Taorian'ny fanapahana ny lahatenan'ilay Ministry ny Fitsarana Alberto Ruiz-Gallardón [es] tao amin'ny Kongresy tamin'ny fihorakorahana hoe “Manan-kasina ny fanalan-jaza !”, dia nidina an-dalàmbe voalohany ilay fikambanana antsoina hoe Femen tao Espana ny 12 Oktobra tao Madrid, izay toerana nankalàzana ny andro iraisam-pirenen'i Columbus.
“Mazava ho azy, hanohy ny hetsika ataonay hatrany izahay, mazava hoazy fa hanohy ny hetsi-panoherana izahay,” hoy Lara Alcázar, mpitarika ilay Hetsika Femen ao Espana, taorian'ny nahazoany fahafahana vonjy maika noho ny fiampangàna mavesatra azy ho nanao fihetsika mamohafady taorian'ilay raharaha tao amin'ny Kongresy. Ary tena izany mihitsy no zava-nisy.
Tao anelanelan'ireo Sainam-pirenena maro, hetsika miaramila, ary sary hafa maro fanehoana fitiavan-tanindrazana, dia mbola niboridana indray ireo vehivavy, nanao ny hetsika voalohany tao Espana ary amin'ity indray mandeha ity dia niaraka tamin'ny teny fanevan'izy ireo tamin'ny filanjana sorabavety, teo ihany koa ny tratrany sy ny nonony, toy ny hoe “Afaka aho”, “Femen Sextremist”, ary “Ny vatako no fitaovam-piadiako”.

Loharano : FEMEN
Ny anton'ny nahatonga ireo mafana avy amin'io Fikambanana maha-be resaka io hanao hetsi-panoherana dia ilay fanovàna [es] nataon'ny Ministeran'ny Fitsarana hanafoana ny lalàna misy amin'izao fotoana izao izay manome vahana ny vehivavy hanàla zaza hatreo amin'ny faha 14 herinandron'ny vohoka, tsy itakiana izay antony. Io dia mety hanafoana ny zon'ireo tsy ampy taona 16 sy 17 taona izay tsy afaka hampiato vohoka raha tsy mahazo alàlana avy amin'ny ray aman-dreniny.
Manameloka ny governemana ao Espana ho mpanavakavaka ny Femen, izay voagejan'ny fombam-pivavahana, ary tery saina tamin'ny fiompanan'ny resak'izy ireo amin'ny “loza mitatao ho an'ny fahafahan'ny vehivavy ao Espana,” ary namintina hoe raha toa ka manan-kasina ho an'ny Gallardón ny moraly sy ny fivavahana, ho azy ireo kosa dia manan-kasina ihany koa ny fanapahan-kevitr'ireo vehivavy amin'ny vatany.
Ho famintinana, nanome toky izy ireo fa ny dingana manaraka hataon'izy ireo dia ny hanangana foiben'ny Femen ao Madrid mba hampahery ilay sampan'ny fikambanana ao Espana ary koa mba hahafahan'ireo hetsi-panoherana hivoatra hatrany.

Loharano : FEMEN
Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ireo mpampiasa Twitter :
Una ley del aborto especial para que se jodan las que no tienen medios Las que tienen dinero, en avión a abortar fuera #AlmeidaL6N
— jesuslopezvillaverde (@jesuslopezvill5) October 12, 2013
Lalàna manokana mikasika ny fanalan-jaza izay hahatonga ireo tsy manam-bola hihinan'ny fatiny. Izay manam-bola afaka mandeha fiaramanidina ary manala zaza any ivelany
— jesuslopezvillaverde (@jesuslopezvill5) 12 Oktobra 2013
La verdad es que la ley anti aborto no es tan mala, si no tenemos dinero, siempre podemos alimentar a nuestros hijos con bocadillos mágicos.
— ♡ Cabronaza ♡ (@ZorraEnfurecida) October 9, 2013
Ny marina dia tsy ratsy manao ahoana akory ilay lalàna, raha tsy manam-bola isika, afaka velomintsika amin'ny “sandwiches mahagaga” ny zanantsika.
— ♡ Cabronaza ♡ (@ZorraEnfurecida) 9 Oktobra 2013
Votan a la gente que estando en plena crisis se preocupan por el aborto, que quieren hacer volver España de los años de Franco.. y así va.
— Ane (@AneVelez7) October 13, 2013
Nifidy olona miahy be loatra ny resaka fanalan-jaza izy ireo tao anatinà krizy, ho an'ireo izay te hiverina any amin'ny andron'i Franco .. ary dia izao no vokany.
— Ane (@AneVelez7) 13 Oktobra 2013
me LLAMAN FASCISTA si mis “pecados” son AMAR A ESPAÑA Y SU UNIDAD Y DEFENDER LA VIDA ¡NO AL ABORTO! LO SOY
— chesco veler (@mazinguer90) October 12, 2013
Antsoin'izy ireo hoe “FASCIST” aho ary raha “fahotana ho ahy” ny FITIAVANA AN'I ESPANA SY NY FIRAISAN-KINA ANANANY ARY NY FIAROVANA NY AINA. TSIA HO AMIN'NY FANALAN-JAZA! ISANY KOA AHO !
— chesco veler (@mazinguer90) 12 Oktobra 2013