Lavin'ny Filohan'i Panama Ny Mahavoarohirohy Ny Zananilahy Amin'ny Afera Maizina Italiana

Presidente Ricardo Martinelli. Foto de Presidencia de la República de Ecuador en Twitter, bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Filoha Ricardo Martinelli. Sary avy amin'ny Biraon'ny Filoha ao amin'ny Repoblikan'i Ekoatera ao amin'ny Flickr, alalana Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

[Mankany amin'ny pejy miteny espaniola ny rohy rehetra ankoatra izay marihina manokana.]

Niteraka ny fahatezeran'ny mpiserasera indray ny filoha Panameana Ricardo Martinelli taorian'ny filazalazana nataony tamin'ny fahitalavim-pirenena izay miharihary fa mampiseho fanazavana momba ny zavatra voasoratra ao amin'ny gazety La Prensa newspaper ahitana ny zanany lahy tafiditra amin'ny kolikoly Italiana manodidina ny [raharaha] Valter Lavitolla ary andraisan'ny fitondrana Panameana anjara [en] Panamanian President Ricardo Martinelli has once again provoked the ire of netizens following comments he made on national television ostensibly to clarify certain recordings published in La Prensa newspaper which linked his son to the Italian corruption scandal surrounding Valter Lavitolla and involving Panama's government [en].

Nipoitra ny raharaha tamin'ny fandrenesana siosio fa nanaiky nandray kolikoly tamin'ny fananganana fonja tany Panama i Martinelli sy ny mpikambana maro ao amin'ny governemantany. Tsy nijoro mihitsy moa ilay fonja, ary nosamborina tany Italia i Lavitolla ary nampangaina ho nanao kolikoly.

Nanambara mazava tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny filoha tamin'ny 10 Oktobra fa efa hifarana ny ‘tantara tsangana’ nosoratan'ny La Prensa, ary eo am-pelantanany ny porofon'ny tsikombakomba ambadika.

Alakamisy ny fizarana farany nosoratan'ilay mpanohitra ao amin'ny La Prensa rehefa hivoaka ny fanambarana an-gazety ataonay hanapongatra ny fisian'ny tsikombakomba ambadika

Ao amin'ny tambajotra Telemetro, noho ny fombany mampiady hevitra sy manao teny mandratra, dia tsy nanome ny porofo araka izay nolazainy mialoha ny filoha Martinelli, fa nilaza hoe vela-pandrika natao taminy sy ny fianakaviany ireo rehetra ireo:

“Adin'ny samy Italiana mifangalatra io; ady avo lenta ao amin'ny fiarahamonina Italiana ,” hoy ny mpitarika ny fitondra-panjakana Panameana, nampiany fa tsy mahagaga raha nampidirin-dry zareo ao anatin'ny raharaha ihany koa ny zanany lahy ho takalon'ny tsy nahazoan-dry zareo ny fifanarahana.

Nisioka teny vitsy nataon'ny Filoha nofinidiny ny RPC Radio. Ao amin'ny iray amin'ireny no nandrenesana azy niteny amin'ny fombam-boto fa tsy mila sisi-bolavy nickel avy amin'izy ireo izy, real iray, manonona ny volavy 5-cent.

Tsy mila vola real fanitri-b**y avy amin'izy ireo aho; miteny izany amim-piandranandranana aho

Izany fomba fiteny izany no tahaka ny nahatezitra ny mpisera Twitter maro. Tito Herrera, ohatra, mieritreritra fa mahakivy ny karazan-tafatafa tahaka itony, saingy mampiseho amin'ny vahoaka koa amin'io fotoana io hoe iza moa izy ireny:

Tena mandiso fanantenana ahy ireny tafatafa ireny fa mampiseho amin'ny vahoaka ihany koa hoe manao ahoana ny tena lokony…. #Emputado #FuckingReal #Panama

 Miangavy ny filoha hanao teny mendrika kokoa i Aurelio Barria:

Mila fanajana kokoa avy amin'ny teny ampiasain'ny filohantsika ny olom-pirenena, mba akaro ny lenta azafady, inona ny dikan'izany hoe “Tsy mila vola real fanitri-b**y aho”?

Mora mandray ny zavamisy kosa ny hafa, tahaka an'i Thais Llean, ary mampahatsiahy fa lasa filoha noho ny demokrasian'ny maro an'isa i Ricardo Martinelli — ary filoha nofidian'ny Panameana izy na dia nilaza aza nandritra ny fampielezan-kevitra nataony fa “adala”.

 #Panamá now Mitaraina ve ankehitriny i #Panamá? Ianao ihany no tompon'andraikitra tokana! Nifidy azy ianao! Na dia niteny aza izy hoe adala, dia nankafy izany ianao! Tsy lainga iny! Mahadikidiky

Nanao fehinteny i Ursula Kiener fa manana filoha mpanompa tsy nisy toy izany hatramin'izay i Panama, ary mitaraina amin'ny maodely mampalahelo apetrany ho an'ny vahoakan'i Panama:

Ofisialy ankehitriny, isika no manana filoha matevin-koditra indrindra eo amin'ny tantara. Reehfa hita ny ohatra ratsy indrindra ataony amin'ny alalan'ny fihetsiny sy ny voambolana fampiasany.

Manontany tena i Vivian Moreno raha tsy maintsy andalovana ilay mahajiolahimboto Vivian Moreno asks whether the vulgarity is necessary:

…Ary maninona izy no tsy maintsy manao toetran-jiolahimboto e, tena marina e, maneno ny sofiko maheno azy ary goana ny kiboko mahatsiaro fa izy no FILOHA!

Saingy misy kosa ireo mijery azy amin'ny lafiny mampihomehy; Manolo-kevitra i Abraham Bernalcorrea fa tokony handeha mivantana ny tafatafa amin'i Martinelli:

Tokony handeha mivantana avokoa ny resadresaka ifanaovana amin'i Martinelli rehetra handrenesantsika ny tsikanikany any ambadika.

Manala azy ny fandaharana mpanesoeso Proyecto Criollo amin'ny fomba famalian'ny governemanta ny raharaha manafintohina rehetra milaza fa mandainga sy manompa ry zareo, saingy tsy manome fanazavana mihitsy:

Lainga sy fahadalàna daholo izany. Lavitola, Finmecanica, Cemis, PECC, Chinese visas, HP1430, sns. Lainga daholo ny zava-drehetra, matetika. Teboka

Manam-panontaniana mitombina ihany i Edilberto Gonzalez: na dia eo aza ny fahatezerana ateraky ny voambolan'ny filoha, dia sarotra ny mahalala izay sainin'ny Panameana, dia ireo izay tsy mandray anjara amin'ny fifampitam-baovaon'ny fiaraha-monina. 

Ary inona no sain'ny ambini'ny mpifidy, dia ireo tsy manana Twitter?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.