- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza Ny Faha-efa Taonan'ny Fikambanana Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ny Saodiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Tamin'ny 12 Oktobra 2009, nanambara ny fametrahana fikambanana mahaleotena mpiaro ny zon'olombelona ireo mpikatroka Saodiana, dia ny fikambanana Saodiana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA). Efa-taona aty aoriana, mankalaza ny zava-bitany ny Saodiana.

Ao amin'ny Fanambarana mahakasika ny anton'ny fananganana azy, nilaza ny mpikambana ao amin'ny ACPRA fa:

Why ACPRA?
1. In Saudi Arabia there are serious violations of fundamental human rights, in general, and political rights in particular. Unfortunately there has been a dramatic increase in serious human rights abuses since the Gulf war (i.e., 1990) since people have become aware of their basic rights. However, the government has increased its oppressive measures by arresting thousands of young citizens after stifling other peaceful initiatives…

   Nahoana no ACPRA ?
    1 . Ao Arabia saodita , misy ny fanitsakitsahana mahery vaika ny zo fototry ny olombelona amin'ny ankapobeny, ary indrindra ny zo politika. Indrisy, misy ny fitomboana mahatsiravina amin'ny fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona nanomboka tamin'ny adin'ny firenena Golfa (c. 1990) , satria nahatsiaro tena momba ny zo fototra ho azy ireo ny vahoaka. Na dia izany aza, nampitomboin'ny governemanta ireo fepetra famaizana tamin'ny alalan'ny fisamborana ireo tanora olom-pirenena an'arivony rehefa avy nanakatsakana ireo fisantaran'andraikitra nentina milamina…

Nanomboka tamin'ny fananganana azy, niara-niasa akaiky tamin'ny fianakavian'ireo gadra tsy amin'ny antony ny ACPRA, mandrakitra an-tantara ny raharaha momba azy ireo, mampahery azy ireo mba hihamafy ary hitory ny minisiteran'ny Atitany ka hitondra ny raharahan'izy ireo eny amin'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanagadrana tsy amin'ny antony, [1] izay namoaka fanapaha-kevitra marobe manohitra ny governemanta Saodiana. 

Voaràra ao amin'ny fanjakàm-panjaka ny fananganana fikambanana mahaleotena momba ny fiarahamonim-pirenena: imbetsaka nakatona ireo habakany, sy ny habaka fitaratrany, nenjehina ireo mpikambana, tsy navela hivezivezy ary nosamborina, [2]ka tamin'ny Volana Martsa, nofoanan'ny didim-pitsarana ny fikambanana. [3]

Mpisera Twitter Saodiana nankalaza ny faha-efataonan'ny ACPRA. Dr Dr. Madawi al-Rasheed nisioka [ar] hoe:

Tsy ho adinoinay mandrakizay ianao satria nanome ohatra maha-olona afaka, ary nozakainao mafy izany. Nampianatra ny taranaka vaovao ny dikan'ny fanamby sy ny tolona amin'ny fomba mandroso sy mahalala fomba ianao.

Tamin'ny fanehoana hevitra momba ny fanemorana ny Lalànan'ny Fiarahamonim-pirenena, izay novolavolaina tamin'ny taona 2007 ary noheverina fa hiantoka ny fahalalalahana hanangana fikambanana mahaleotena, nisioka toy izao ny mpamakafaka Fayed al-Olaiwi:

Nihevitra ny governemanta fa noho ny fanemorana, dia hijanona ny fikatrohana milamina momba ny Lalànan'ny Fiarahamonim-pirenena milamina, saingy misy foana ireo vonona hanao sorona ny tenany, tahaka ny ACPRA.

Nampangaina ho “naniratsira ny fahefana mpitsara” ireo mpikambana ao amin'ny ACPRA rehetra izay nentina notsaraina. Naneho hevitra momba izany NY mpisera Twitter Saodiana Rana al-Mukibl nisioka hoe:

Rehefa nosamborina ireo izay mitaky ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenan'ny fitsarana, nohamafisin'ilay tsy misy saina ireo fiampangana manohitra ny fitsarana maloton'izy ireo.

Bilaogera Hadeel Mohammad nampatsiahy ny fitakian'ny ACPRA mba hanala sy hitondra eny amin'ny fitsarana ny Minisitry ny Atitany, Nayef bin Abdulaziz al-Saud:

Maro ireo sakantsakana noravan'ny ACPRA tao amin'ny firenena. Mitaky ny fanesorana an'i Al-Saud? Nisy izany, Izay mbola misy mihevitra izany ho famonoan-tena #acpra4years