- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Anarivony Miresaka Zon'Olombelona Ao Amin'ny “Blog Action Day”

Sokajy: Aostralia, Ejipta, Hongria, Japana, Nizera, Yemen, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Androany (16/10/2013), anarivony ireo bilaogera nanambatra ny heriny hiresaka Zon'Olombelona. Blog Action Day [1] anio (Andro Ho An'ny Bilaogy) – hetsika iray goavana izay tohanan'ireo bilaogera antapitrisa manerantany sy mampiray azy ireo.

Mpiara-miombona antoka amin'ny fanatenterahana ny “Blog Action Day” tamin'ity taona ity ny Global Voices, ary tsy andrinay ny hisian'ny fihodinana iray vaovao hirohotana hiresahana lohahevitra iray manan-danja sy tena ilaina. Ny sasany amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices koa dia nandray anjara tamin'io hetsika io, ary ireto ambany ireto ny rohy ahitanareo ny bilaogin-dry zareo tsirairay avy.

Mba handraisana anjara amin'ny Blog Action Day dia azonao atao ny manoratra ny bilaoginao ao amin'ny Bilaogin'ny Blog Action Day [2]. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra entina manara-maso azy ity dia ny #BAD13, [3]#HumanRights [4], #Oct16 [5].

Braille block floor in Japan helps guide the visually impaired. By Miki Yoshihito on Flickr (CC BY 2.0) [6]

Lalàna Mivoitra Hanampiana Ireo Sembana Ara-pahitàna ao Japana. Avy amin'i Miki Yoshihito tao amin'ny Flickr (CC BY)


This post will be updated throughout the day as new blogs are published.