Androany (16/10/2013), anarivony ireo bilaogera nanambatra ny heriny hiresaka Zon'Olombelona. Blog Action Day anio (Andro Ho An'ny Bilaogy) – hetsika iray goavana izay tohanan'ireo bilaogera antapitrisa manerantany sy mampiray azy ireo.
Mpiara-miombona antoka amin'ny fanatenterahana ny “Blog Action Day” tamin'ity taona ity ny Global Voices, ary tsy andrinay ny hisian'ny fihodinana iray vaovao hirohotana hiresahana lohahevitra iray manan-danja sy tena ilaina. Ny sasany amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices koa dia nandray anjara tamin'io hetsika io, ary ireto ambany ireto ny rohy ahitanareo ny bilaogin-dry zareo tsirairay avy.
Mba handraisana anjara amin'ny Blog Action Day dia azonao atao ny manoratra ny bilaoginao ao amin'ny Bilaogin'ny Blog Action Day. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra entina manara-maso azy ity dia ny #BAD13, #HumanRights, #Oct16.

Lalàna Mivoitra Hanampiana Ireo Sembana Ara-pahitàna ao Japana. Avy amin'i Miki Yoshihito tao amin'ny Flickr (CC BY)
This post will be updated throughout the day as new blogs are published.