Mitsambikìna Eny Amin'ny Tetezana Fa Handalo Ny Fiara Mitandahatry Ny Filoha Tajik!

Tsy ela akory izay, lehilahy tanora telo no voadaroky ny mpitandro filaminana sady nahiditra am-ponja tany Dushanbe, taorian'ny tsy nahafahan'izy ireo niala ny làlan'ny fiara mitandahatry ny filoha Tajik. Niteraka fipoahan'ny hetezerana tety anatin'ny media sosialy io trangan-javatra io, izay namboraka ny fankahalan'ireo Tajikistani mpampiasa aterineto ireo fitohatohanan'ny fifamoivoizana sy ireo voka-dratsy hafa ateraky ny fiara mitandahatry ny filoham-pirenena.

Ny 27 Septambra, lehilahy tanora telo miasa anatinà fikambanana mpanao asa soa ao an-toerana no voasambotry ny [ru] mpitandro filaminana any Dushanbe afovoany, renivohitr'i Tajikistan. Nisarika saina marobe io trangan-javatra io taorian'ny namoahan'i Kamil Areshov, iray tamin'ireo lehilahy voatàna, tao amin'ny Facebook ny fomba fijeriny ny zava-nitranga. Araka ny voalazan'i Areshov, mpitandro filaminana maro mamo no nidaroka azy sy ireo mpiara-miasa aminy roa, ny antony, raha ny voalazany, dia satria niadana ny nanisahan'izy ireo ny fiarany hiala ny fiara mitandahatry ny Filoha Emomali Rahmon. Notanana noho ny “fihetsika jiolahim-boto” izy telo lahy avy eo ary nosaziana dimy andro an-tranomaizina.

Nandray fizotra hafahafa io tantara io ny 3 Oktobra rehefa nanely ny “fibabohana” nataon'i Areshov ny fahitalavi-panjakana iray izay nibabohany [ru] ho tsy nanaraka ny fitsipiky ny fifamoivoizana sy tsy nanaikyny baikon'ny mpitandro filaminana. Raha nivoaka io lehilahy tanora io sy ireo namany, dia tsy nety niresaka tamin'ny media. Fotoana fohy taorian'ny famoahana azy, namafa ny lahatsoratra mikasika io trangan-javatra io nataony tao amin'ny Facebook i Areshov.

A humorous photo circulating on Facebook. On the photo, a police officer is portrayed as saying, "Hey you! Jump off the bridge! The presidential motorcade is approaching!"

Sary iray mahatsikaiky mivezivezy any amin'ny Facebook. Mampiseho mpitandro filaminana iray nalaina sary eo am-pitenenana, “Eh ianao io! Mitsambikina eny amin'ny tetezana! manakaiky ny fiara mitandahatry ny filoham-pirenena!”

Noho ny fielezan'io trangan-javatra io tanatin'ny media sosialy, nangataka ireo sasany tamin'ny mpampiasa aterineto ny hamafàna ny sazy nomena ireo tovolahy ireo izy ireo. Ohatra, nilaza [ru] i Aziz Kholmatov ao amin'ny bilaogin'ny ASIA-Plus fa diso ireo mpitandro filaminana tamin'io raharaha io, ary nangataka:

[мы] очень надеемся, что поступок тех сотрудников правоохранительных органов не останется безнаказанным и руководство МВД проведет тщательное расследование по данному факту и привлечет к ответственности причастных и виновных лиц.

Manantena marimarina tokoa izahay fa hosaziana noho ny fihetsiny ireo solontena avy ao sampana mpampihatra lalàna ireo, raha hanadihady tanteraka io zava-nitranga io ny lehibe ao amin'ny [Ministeran'ny Atitany] ary hitàna ho tomponandraikitra ireo olona rehetra voarohirohy tamin'io raharaha io.

Betsaka ny mpampiasa aterineto maro hafa no nandray io fahafahana nomen'ilay resabe io mba hilazan'izy ireo ny fankahalàny ireo fiara mitandahatry ny filoham-pirenena sy ireo vokadratsy rehetra aterany. Ao amin'ny Blogiston.tj, nanoratra [ru] i Beparvo :

Мы все живем в Таджикистане и мы все реально знаем как достают эти кортежи. Один президент куда то едет а изза него пол города закрывают. Его машина должна например проехать в 10 часов и всего за две минуты проедет а дороги уже в 9 часов начинают закрывать. Ментов наверно со всего Таджикистана пригоняют, они через каждый метр дороги стоят и свистят как придурки. Еще у водителей денег снимают. А бедные люди не могут на работу попасть или в школу или в больницу. Уже реально все это достало выше крыши.

Miaina aty Tajikistan avokoa isika ary mahafantatra [ny hamaroan'ireo olana] aterak'ireo fiara miandahatra ireo. Rehefa misy alehan'ny filoham-pirenena iray, mikatona ny antsasaky ny tanàna noho izany. Raha vinavinaina handalo amin'ny 10 ora ny fiara mitandahatra miaraka aminy ka roa minitra fotsiny no ilainy handalovana arabe iray, manomboka amin'ny 9 dia efa tapahan'izy ireo ny làlana. Taomin'izy ireo ny mpitandro filaminana rehetra manerana an'i Tajikistan; mijoro manaraka ny halavan'ny arabe ireo mpitandro filaminana ireo [izay handalovan'ny fiara mitandahatra], mielanelana iray metatra avy, ary mitsioka ny kiririokany tahaka ny adala. Maka vola amin'ireo mpamily ihany koa izy ireo. Mandritra izay fotoana izay dia tsy afaka mandeha an-tsekoly na toeram-pitsaboana ny vahoaka mahantra [noho ny fahatapahan'ny fifamoivoizana]. Leo sady sosotra amin'izy ity aho.

Araka ny voalazan'io mpitoraka bilaogy io, miharatsy kokoa ny zava-misy rehefa mampiantrano hetsika iraisam-pirenena avolenta ny renivohitr'i Tajikistan:

А еще когда другие президенты приезжают к нам вообще черте что творится. Вообще все дороги от аэропорта закрывают, даже пешеходам не дают ходить там где хотят. Зачем нам вообще все эти гости президенты если простые люди нормально не могут в своем городе ходить и на машине ездить.

Lasa helo ny tany rehefa filoham-pirenena avy any amin'ireo firenen-kafa no tonga ao [Dushanbe]. Mikatona ireo làlana rehetra mitondra mankany amin'ny seranam-piaramanidina, ary na ny olona aza tsy avela handeha eny amin'izay tiany. Fa inona loatra no ilàntsika ireo filoham-pirenena rehetra mitsidika ny firenena ireo raha ny olon-tsotra aza tsy afaka mandeha malalaka sy mitondra fiara anatin'ny tanànany manokana?

Mieritreritra [ru] i ‘Grazhdanin’ [Olom-pirenena] fa mamofona vanim-potoana Fahagola ny fomba fitondran'ireo manam-pahefana any Tajikistan ny fiara mitandahatryny filoham-pirenena, raha nitsikera tati-baovao iray momba io zava-nitranga io ny tenany:

Просто средневековье какой та. Освободите дорогу Царю. Царь едет Царь. Как в историческом кино Царь едет а вокруг все кланяться а кто оказался не в то время не том месте КАЗНИТЬ…

Tahaka ny tamin'ny vanim-potoana Fahagola ity. Omeo làlana ny Tsar! Tonga ny Tsar! Toy ny anatinà horonantsary iray momba ny Tantara ity: mandalo ny Tsar ka miankohoka ny olon-drehetra, raha toa kosa ka MELOHINA HO FATY ireo tavela taminà toerana tsy tkony hisy azy tamin'ny fotoana tsy tokony ho nanaovany izany… 

Another photo circulating on Facebook. On this photo, Tajik police officers are portrayed as telling an elderly man, "We don't give a shit that your legs hurt. Get lost! Go over there because [the president's motorcade] is approaching.

Sary iray hafa miely ao anaty Facebook. Anatin'ito sary ito, ahitana ireo mpitandro filaminana Tajik milaza aminà lahy antitra iray “Tsy misy iraharahian'ny t**nay izay tongotrao marary any. Lasa mandeha” Ndeha mifindra etsy fa handalo [ny fiara mitandahatry ny filoha].

Nanosika ireo mpampiasa Twitter sasany hametraka sosokevitra mahatsikaiky ho an'ireo olona rehetra mahita ny fiara mitandahatry ny filoha ihany koa io tranga tao Dushanbe io.

Lalàna vaovao ao Tajikistan: raha mahita fiara mitandahatry ny filoha ianao, mandria amin'ny tany, ka ny tarehinao no ataovy mihaona amin'ny tany, ny tànanao ataovy ao ambadiky ny lohanao, aza miaina, ataovy ohatrany hoe maty ianao.

…raha mahita [ny fiara mitandahatra] avy eo am-baravarankelin'ny tranonao ianao, miala teo, mankanesa any amin'ny trano fidiovana, hidio ao ny tenanao ary piho ny jiro

…raha mitondra fiara ianao [no mahita ny fiara mitandahatra], mikisaha eo amin'ny sisiny, vonoy ny fiara, mialà tao, ary mihazakazaha mafy mamonjy tendrombohitra

Endriny iray vaovao: raha mahita ny fiara mitandahatra [an'i Emomali Rahmon]  ianao, ampiakaro ambony ny tànana ary mankanesa any amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana akaiky indrindra anao #Tajikistan

Eny an-dàlana ho an'ny amin'ny [tobin'ny mpitandro filaminana], manomboha midaroka ny tenenao ary manorata fibabohana fanamelohan-tena noho ny ezaka hanongam-panjakana

Taorian'ilay “fibabohan”‘i Areshov, naroso ny hanovàna ilay “lalàna”:

Endrika vaovaon'ilay lalàna ao Tajikistan: raha mahita ny fiara mitandahatry ny filoha ianao, mankanesa any amin'ny biraon'ny fahitalavitra hibabohanao heloka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.