
‘Hitanao Atoa. Nethanyahu, mipataloha jeans daholo izahay.’ Mana Neyestani, mpanao sariitatra manana ny toerany (fampiasàna nahazoana alàlana)
Nofenoin'ireo Iranianina hafatra, bitsika ary sary ny aterineto tahaka ny fanesoana ny fanamarihan'ny Praiminisitr'i Isiraely, Benjamian Netanyahu hoe tsy afaka manao “jeans” ireo Iranianina.
Netanyahu, dia nanambara tao anatin'ny tafatafa iray tao BBC Persian ny Sabotsy hoe “Raha nanana fahafahana ireo vahoaka ao Iran dia ho afaka nanao irony jean manga irony, nihaino mozika Tandrefana ary nanao fifidianana malalaka.”
Meir Javedanfar, mpandalina iray safiotra Iraniana-israeliana ao Afovoany Atsinanana, dia milaza hoe , Azo heverina o ny URSS teoaloha no zavatra nosainin'ny Praiminisitra Netanyahu fony izy nilaza ireo zavatra mikasika an'i Iran.”
Lalao #IranJeans vs. Netanyahu ity
Arash Kamangir, bilaogera ao Toronto ary mpikatroka mafàna fo ety amin'ny “cyber”, dia milaza ao amin'ny Twitter:
#IranJeans the new face of the Iranian use of the web. Maintains criticism of the Iranian state and defends own identity at the same time.
— Arash Kamangir (@Kamangir) October 6, 2013
#IranJeans (#JeansIranianina) tarehy vaovaon'ny fampiasan'ny Iranianina ny aterneto. Mitàna ny tsikera momba ny Fanjakana Iranianina sy miaro ihany koa ny maha-izy azy manokana.
— Arash Kamangir (@Kamangir) 6 Oktobra 2013
Iiriix, mpiandraikitra ny tetikasa any Iran dia namoaka ny sarinà trano iray fivarotana Jeans any Iran ary manoratra hoe :
Mr. @netanyahu, here is a shop selling weapons of mass destruction in #Iran. #jeans (Photo:Mehr) 🙂 pic.twitter.com/Dhs79Vg7o5
— iiriix (@iiriix) 6 Oktobra2013
Ramose @netanyahu, ity misy fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika ao #Iran. #jeans (Sary:Mehr) 🙂 pic.twitter.com/Dhs79Vg7o5
— iiriix (@iiriix) 6 Oktobra 2013
Nima Shirazi manamarika fa ny Praiminisitr'i Israely dia niantso an'i Hassan Rouhani, filoham-pirenena vaovao ao Iran ho “amboadia mitafy hodi-janak'ondry” ary mibitsika hoe:
For Netanyahu Iranians are either wolves in wolf's clothing or in sheep's clothing who can't wear #jeans. But really: pic.twitter.com/hkXlQLp072
— Nima Shirazi (@WideAsleepNima) October 7, 2013
Ho an'i Netanyahu, ny Iranianina dia mbola amboadia mitafy fiakanjoan'amboadia na mitafy fitafin-janakondry izay tsy afaka manao #pataloha. Saingy ny marina : pic.twitter.com/hkXlQLp072
— Nima Shirazi (@WideAsleepNima) 7 Oktobra 2013
N,avi, milaza fa te-hahalala ny habean'ny jeans ho an'i Netanyahu izy ary mibitsika hoe:
Iwas thinking to send a per of (Iran Tafteh'jeans) Iranian made jeans to Mr Netanyahu. Any one knows his size ??? #IranJeans
— N,avi,D (@Divan_M) October 7, 2013
Nieritrerira handefa pataloha jeans vita Iranianina (jeans Tafteh Iranianina) ho an'Atoa Netanyahu aho. Misy mahafantatra ve ny habeny??? #Jina Iranianina
— N,avi,D (@Divan_M) 7 Oktobra 2013
Manana hevitra hafa i Freedomseeker, bilaogera, ka namoaka ny sary izay raha ny fahitàna azy dia mampiseho Iranianina mpitandro filaminana manakana vehivavy teny an-dalàna noho ny amin'ny akanjo anaovany. Miteny ity bilaogera mba hanadalàna [fa], “Mihaino miafina ny mozika pop avy any Andrefana aho izao.”
Bilaogera hafa, Andarbab dia manoratra [fa] hoe tsy momba ny Praiminisitra Isiraely aho, ny olany amin'ny Repoblika Islamika dia resaka momba ireo baomba nokleary ary tsy mba miraharaha ireo vahoaka Iranianina izy. Fa ity misy lahatsoratra navoaka [fa] tao amin'ny fampahalalam-baovao ofisialin'i Isna ity, izay nahitana ny nilazàn'ny manampahaizana iray momba ny sarimihetsika fa ny sariny dia tsy nalefa tamin'ny fahitalavitra sariny noho izy nanao jeans.