Tafatafa Niarahana Tamin'ilay Tompon-dakan'ny Ady Totohondry Tao Ginea Lasa Belza Mpanao Politika
Lasa Belza mpanao politika ihany koa ilay tompondaka in'enina teo amin'ny ady totohondry iraisan'ny kaontinanta (Federasion'ny ady toto hondry iraisam-pirenena ) sokajin-danja antonony i Lansana Bea Diallo, fantatra kokoa amin'ny anarana Bea Diallo [fr], teraka tao Liberia ary teratany Gineana.

Bea Diallo, Ady Farany amin'ny naha-mpanao ady totohondry azy. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-ny (nahazoana alàlana)
Lany tao amin'ny parlemantam-paritr'i Brioksela (Bruxelles) sy tao amin'ny parlemantan'ny vondrom-piarahamonina Frantsay i Bea Diallo, mpanolotsain'ny tanàna momba ny Tanora, ny Asa, ny Fianakaviana, sy ireo fifandraisan'ny andian-taranaka ary ny Fitoviam-bintana ao Ixelles, iray amin'ireo kaominina sivy ambinifolon'ny faritry ny Renivohitr'i Brioksela.
Nametraka fanontaniana vitsivitsy taminy ny Global Voices.
Global Voices (GV): Tompon-dakan'ny ady totohondry no nahalalanay anao, nefa lasa olom-boafidim-pirenena ao Belzika ihany koa ianao? Làlana re izany !
Bea Diallo (BD): Eny, nahafantatra ahy amin'ny maha-mpanao ady toto hondry ahy ireo Gineana, fa indrindra koa amin'ny mahalehilahy niezaka ny hivarotra ny endrik'i Ginea ary ankehitriny, tsy vitan'ny hoe fotsiny solombavam-bahoaka ao amin'ny parlemanta Belza efa ho folo taona aho izao, fa koa voafidy ho solombavam-bahoaka eto an-toerana efa ho 7 taona izao. Lasa lehilahy feno traikefa aho ary neken'ny tontolo politika, izay tsy tongatonga ho azy.
GV: Matetika dia sarotra ny manambatra ny fanatanjahantena avo lenta amin'ny fianarana, nefa ianao nahazo diploma lisansa amin'ny sehatry ny Toekarena.
BD: Eny, matetika ny fanatanjahantena avo lenta dia tsy miaraka amin'ny fianarana any amin'ny anjerimanontolo,nefa , araka ilay lazaiko matetika, maro ireo zavatra vitanao rehefa eo ny finiavana ary ny nofinofiko dia ny hahomby amin'izy roa mba hanompoako ny firenena niaviako indray andro any. Ho fanampiana an'i Ginea ho lasa firenena mahaleotena tanteraka ary indrindra ny mba hanomezana tombontsoa ny vahoaka manoloana io harena io.
GV: Ahoana ny fomba nidiranao nanao politika?
BD: Tena kisendrasenda no nahatongavako tamin'izany, tsy nikasa ny hiasa anatin'ny politika mihitsy aho, nefa amin'ny mahalehilahy mpiady ahy, nanolo-tena ho an'ny hetsika maro aho, ary indray andro dia nisy nanasa ahy hanohana antoko iray eo amin'ny toeran'ny mpifaninan'ny fisokafana na dia tsy nitàna toerana mety ho voafidy akory aza aho satria dia laharana 69 tao anatin'ilay lisitra. Fahadimy tamin'ireo dimy amby roapolo voafidy aho.
GV: Nifaninana tanatinà ady totohondry tany Ginea ianao, inona ny fahatsiarovana voatahirinao tamin'izany?
BD: Mieritrerira aho fa io no fotoana tsara indrindra teo amin'ny asa ara-panatanjahantena nataoko. Fotoana tsy hoadinoiko ireny, ny fanaovana ady totohondry manoloana olona 60.000 sy maherin'ny 300.000 tany amin'ireo arabe. Fotoana nahagaga tsotra izao izany.
GV: Niezaka ny nanampy ireo mponin'i Conakry [renivohitr'i Ginea] ianao, indrindra to amin'ny sehatra fitateram-bahoaka. Inona ireo lesona azonao avy amin'izany, ary tamin'ny fomba ahoana?
BD: Hitanao, tsy manana nenina aho, noheveriko fa ilaina ny nanao izany tamin'izany fotoana; raha very volabe aho noho ny haratsiam-panahin'ireo mpanao politika aty amintsika izay teo anilan'izay, nanohy namono ny vahoaka noho ny filomanosan'izy ireo tanaty harena nefa tsy misy tetikasa mivaingana ho an'ny Gineana.
GV: Manana fikasana hafa ho an’i Ginea, firenena niavianao, ve ianao?

Bea Diallo rehefa manao politika. Sary nalaina avy ao amin'ny pejy Facebooki-ny, nalain'i Francine Verstraeten
BD: Ny fikasàna hany ananako ho an'i Ginea dia tsy miova – ny hanampy ity firenena mahafinaritra ity hanafaka ny tenany amin'ny fatotra nataon'ireo tsy iza fa ny rahalahintsika Gineana ihany: ireo mpanao politika, ny maro an'isa hatramin'ny mpanohitra.
GV: Facebook, twitter ary bilaogy! Azonay tsoahana avy amin'io ve fa tahaka an'i Barack Obama sy ny media sosialy i Bea Diallo, izay mampiasa azy matetika, sa tsindraindray ihany?
BD: Indrisy, tsy dia mampiasa azy ireo loatra aho, mbola mila manatsara ary indrindra mikaroka fomba raitra kokoa entiko mampiasa ireo tambajotra ireo aho, izay tena hery lehibe eo amin'ny fifandraisana.
GV: Mihamaro ireo tanora Afrikana miezaka ny handeha any Eoropa, na eo aza ireo sedra goavana hatrehan'izy ireo. Inona ny torohevitra omenao azy ireo?
BD: Sarotra ny manome torohevitra ho an'ireo vahoaka tanora izay miezaka ny hampivoatra ny fepetra fivelomany, sy an'ireo fianakaviany mikasika ireo sedra rehetra mety hatrehany. Ary koa, tsy misy politika enti-mandrisika ireo tanora ireo hijanona any amin'ny firenena niaviany na ny kaontinanta misy azy.
Nefa, ankehitriny any Eoropa dia sarotra ny mitady asa sy ny manatsara ny toerana misy anao rehefa avy any Afrika ianao, noho izany dia any amin'ny kaontinanta [Afrikana] no mila mitohy ny ady miaraka aminà taranaka vaovao maka fahefana mba hanomezany izany ny vahoaka.
GV: Manana teny enti-mamarana izany ve ianao?
BD: Ny entiko hamaranana izany dia ny nofinofiko! Tiako mba ho tonga aty Eoropa ireo Afrikana, tahaka ny fandehanan'ny Eoropeana any Afrika, raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoe, ho fialan-tsasatra ary avy eo miverina mody satria manana asa sy fianakaviana miandry azy izy ireo.
GV: Misaotra anao namaly ireo fanontanianay ary mirary fahombiazana amin'ireo tetikasanao.
Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...