Ny volana oktobra mazàna dia fankalazana ny fetin'ny Labiera any Alemana. Ary efa miha lasa fomba fanaon'ny mponina ao Togo tsikelikely koa izany. LoveJoyce Amavi, bilaogera iray ao Lomé, renivohitr'i Togo, dia nanameloka ny faharatsian'izany fankalazana izany ao amin'ny tanànany. Nanoratra izy ao anatin'ny “L‘âge de la bière” (taonan'i Labiera) [fr] hoe :
Si en Allemagne, pays inventeur, ou tout au moins, grand producteur de bière, la fête de la bière (die Oktoberfest), est cette rencontre coutumière, conviviale, cordiale, chez nous, l’excès suprême d’alcool, et les débordements nuisibles, sont le lot de chaque année [..] D’imaginer près de 100.000 jeunes, à la fête de la bière, et à peine 300, au forum de l’emploi des jeunes, est une blessure profonde.
Any Alemana, mpamorona azy sady mpamokatra Labiera be indrindra, ny Oktoberfest dia fomba fanao mahazatra hiangonan'ny mponina hifaliana am-pilaminana. Kanefa eto amintsika isan-taona, fotoana ho an'ireo mpimamo hanaovana fihetsika mahaletra ny fahalalahan'ny fahazoana mandray zava-pisotro misy alikaola [..] Mampalahelo be ahy ny fahitàna ireo tanora 100 000 mamonjy ilay fetin'ny Labiera sy ny fahitàna fa eo amin'ny 300 eo ihany ireo tonga mamonjy ireny foara/fetiben'ny asa ireny.