Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Pejy Facebook Hosoka Amin'ny Anaran'ny Vadin'ny Filoham-pirenena Zambiana teo Aloha Nanaovana Fisolokiana Aminà Resaka Vatsim-pianarana

Niakatra fitsarana vao haingana noho ny hosoka ilay olona nanangana kaonty Facebook hosoka amin'ny anaran'ny vadin'ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Maureen Mwanawasa.

Mitantana fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana antsoina hoe Maureen Mwanawasa Community Initiative (fisantaran'andraikitra eo anivon'ny fiarahamonina) (MMCI), izay mitondra fanampiana ho an'ireo vahoaka sahirana ao amin'ny fiarahamonina i Mwanawasa, vadin'ny filoham-pirenena fahatelo tao Zambia, Patrick Mwanawasa izay efa nodimandry, ary nitondra ny firenena nandritra ny fito taona mandra-pahafatiny tamin'ny taona 2008. Navitrika aok'izany ity fikambanana ity nandritra ny nahateo amin'ny fitondrana ny vadiny ary nahazo fanohanana avy amin'ireo fikambanana sasantsasany sy avy amin'ireo olo-tsotra. Niha-nihena hatrany anefa ny asa soa nataony ka faritra iray na roa fotsiny sisa no iandraiketany, indrindra ao Kapiri Mposhi izay misy sekoly tantaniny ho an'ireo ankizy mahantra.

Tsy hita loatra ny antsipirihan'ity raharaha ity, saingy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana i Mwanawasa, fa mpisolovava ihany koa ny tenany, ary nisioka ny antony nanatrehany ny fotoana ho valin'ireo fanontaniana avy amin'ireo mpisera Twitter:

@NizaSich nisy olona nanangana pejy facebook tamin'ny anarako ary nahangona vola 250 dolara ho aminà vatsim-pianarana hosoka ka voasambotra izy #Zambia

Zambia's former First Lady Maureen Mwanawasa. Image source: Maureen's Twitter account.

Ny vadin'ny filoha Zambiana teo aloha. Ramatoa Maureen Mwanawasa ao amin'ny kaontiny Twitter.

Nitatitra ny Zambian Watchdog fa efa nisy tranga fisolokiana tamin'ny Janoary 2012, saingy tsy fantatra raha misy ifandraisany amin'ity raharaham-pitsarana ankehitriny ity izany. Tamin'ny filazan'ilay mpanao ampamoaka (whisteblower) Laston Nyirenda no nitateran'ny habaka:

I am friends [on Facebook] with the said person and they started sending me messages purporting to be Mrs Mwanawasa and started asking me to lend them $2000 and send it to the person named Florence Lucky who they said is based in Madrid, Spain and want me to send the money using western union. They even provided me a Zambian phone number I can call stating that it is for the former first lady if I want to confirm and when I called the number, the person who answered is based in [the city of] Kitwe and it is not even Mrs Mwanawasa.

Naman’ [ao amin'ny Facebook] ity olona voalaza ity aho ary nandefan'izy ireo hafatra milaza fa avy amin-dRamatoa Mwanawasa ny hafatra ka nangatahany mba hampindrana azy ireo vola mitentina 2000 dolara ary handefa izany any amin'ilay olona antsoina hoe Florence Lucky izay monina ao Madrid, Espaina ary nasain'izy ireo alefa amin'ny western union ny vola. Nomen'izy ireo laharana finday Zambiana mihitsy aho mba hahafahako miantso sy manamarina raha hoan'ny vadin'ny filoham-pirenena teo aloha marina tokoa izany, rehefa nantsoiko anefa ilay laharana, olona monina ao [an-tanandehibe] ao Kitwe no namaly ahy fa tsy Ramatoa Mwanawasa velively.

Rehefa nampahafantarin'i Mwanawasa tao amin'ny Twitter fa ao amin'ny fitsarana izy, nanontany an'ity vadin'ny filoham-pirenena teo aloha ity ny mpisera iray ny amin'ny fahatsapana an'izany hoe atao famotorana izany:

@mwanachilembo ahoana ny fahatsapana an'izany hoe ery amin'ny andaniny? angamba mahazo ny fiafaran'ny famotorana X?

Hoy izy namaly:

@EricKamocha nahatsapa ho hafahafa tokoa aho saingy nahazoana traikefa tsara

Tsy nanome ny antsipirihan'ny raharaha ireo siokan'i Mwanawasa, tahaka ny anaran'ilay voampanga sy ny toerana onenany.

Na dia izany aza, tsy ity vadin'ny filoham-pirenena teo aloha ity ihany no olona ambony niharan'ny kaonty hosoka. Vao haingana, nipoitra tampoka ihany koa ny pejy Facebook amin'ny anaran'ny filoham-pirenena lefitra Dr Guy Scott, ary mandefa fangataha-namana amin'ireo olona maneho hevitra matetika momba ny olana ara-politika ao amin'ny tambajotra sosialy.

Raha niparitaka fa Dr Scott no tompon'ilay pejy Facebook, nitatitra momba izany ny habaka fampahalalam-baovao an-olo-otsotra “Zambiana Eye”, na dia nisy aza ireo ahiahy momba ny mampitombina azy:

The all (whole lot) of Guy Scott to be sending friendship requests to every Jim and Jack on Facebook. Doesn’t take you to be a genius to figure out this[these] are accounts operated by the PF fake generals [ruling Patriotic Front supporters who call themselves by that name] on Facebook that want to use it to collect data. Wake up people

Izay rehetra (maro be) Guy Scott mandefa fangataha-namana ho an'izay Jim sy Jack rehetra ao amin'ny Facebook. Aza mihevitra ny tenanao ho matsilosaina ka hoe karakarain'ny antoko PF [antoko mpanohana ny fitondrana] sandoka ireo kaonty amin'ny Facebook ireo ka nokasaina hanangonana tahiry (data). Mifohaza ianareo ry vahoaka.

Dr Scott no farany nolazain'ny “Zambia Intelligence News” izay nanambara hoe:

I opened an account in 2011 for campaign purposes and I have not opened any account since then. I have not used it since then so everything else that is propping up now is fake. The whole thing is a fraud. It is basically fraudulent.

Nanokatra kaonty aho tamin'ny taona 2011 mba hanaovana fanentanana ary tsy nanokatra kaonty intsony aho taorian'izany. Tsy nampiasaiko intsony izany kaonty izany, ka izay zavatra hafa  mitady fanohanana ankehitriny dia sandoka. Hosoka avokoa ny rehetra. Mamitaka tanteraka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.