Chin Peng, Ilay Maleziana Mpitarika Kaominista : Mahery Fo sa Mpampihorohoro ?

Fisaonana fanehoana fanajàna farany tamin'ny alalan'ny fametraham-boninkazo. Sary avy amin'i Hon Keong Soo, Fizakà-manana @Demotix (9/23/2013)
Tamin'ny volana lasa teo i Chin Peng, Filohan'ny Antoko Kominista Maleziana, no nodimandry tao Bangkok teo amin'ny faha 88 taonany.
Chin Peng dia mpanohitra kanefa dia olona nanàna ny lazany tao Malezia sy Singapore. Nitarika ny tolona nanohitra ny fanjakazakan'i Japana izy nandritry ny Ady Lehibe Faharoa ; ary taorian’ izay , nifanandrina tamin'ireo herin'ny Britanika mpanjanaka tamin'ny taona 1940 sy 1950. Amin'ny maha mpitari-tolona niady ho an'ny fahaleovantena azy, maro ireo niantso azy hoe “Aung San-n'i Myanmar amin'ny endriny Maleziana , Soekarno an'i Indonezia ary Ho Chi Minh Vietnamiana”.
Kanefa nampihena ny lazany koa ny fanentanany hametraka fanjakana Kaominista izay nahatonga ady an-trano an-taonany maro.
Nipetraka nanao sesintany ny tenany tao Thailand hatrany izy na dia efa voasonia ny taona 1989 aza ny taratasy fifanarahana amin'ny fisian'ny filaminana nifanaovana tamin'ny Governemanta Maleziana.
Tsy nanaiky ny fampodiana an-tanindrazana ny lavenon'i Chin Peng ireo manam-pahefana Maleziana tamin'ny filàzana fa tsy mizaka ny zom-pirenena Maleziana izy. Etsy ankilan'izay, manahy ny amin'ny mety hananganan'ireo mpomba an'i Chin Peng tsangambato fahatsiarovana ihany izy ireo.
Talohan'ny nahafatesany, nanoratra taratasy ho an'ny fianakaviany sy ny namany i Chin Peng . Ity manaraka ity ny ampahany amin'izany :
Nanome manontolo ny fanahiko sy ny vatako aho hiarovana ny tsangan-kevitry ny antoko nisy ahy, izay niady ho amin'ny fiarahamonina tsy mitanila sy tsaratsara kokoa, mifototra amin'ireo idealy Sosialista.
Iriko raha ho tsarovana toy ny lehilahy tsara iray fotsiny aho izay sahy nandàny ny androm-piainany iray manontolo nikatsahany ny idealiny azy manokana mba hanorenana tontolo iray tsaratsara kokoa ho an'ny vahoakany.
Resy lahatra aho fa tsy ho faty na oviana na oviana ny afon'ny rariny ara-tsosialy sy ny maha olombelona.
Kanefa i Barrie dia manameloka an'i Chin Peng ho mpampihorohoro :
Marary hatrany amin'ny vanin-taolako rehetra mihitsy isaky ny mamaky lahatsoratra aho na vaovao izay manasohaso an'i Chin Peng ho Mahery fo ka tokony ho deraina. Tsy toy ny hoe midera sy manao an'i Hitler ho mahery fo ve izany? Na koa hoe, Osama Ben Laden?
Hazavain'i Redbean ny fomba tokony handraisana an'i Chin Peng ho isan'ny lehilahy tia tanindrazana, tsara na ratsy :
Chin Peng dia lehilahy tsara navadika ho ratsy nohon'ny niadiany tamin'ireo Britanika. Raha misy olona mpikambana ao amin'ny Fanjakana britanika, dia ratsy i Chin Peng. Raha misy olona mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra ny fanjanahan-tany, dia lehilahy tia tanindrazana i Chin Peng.
Koon Yew Yin kosa dia nampitra ny fanirian'i Chin Peng hiverina an-tanindrazana :
…naniry mafy ny hiverina an-tanindrazana sy ho faty ao amin'ny toerana nahaterahany izy. Nanamafy koa izy fa firenena manan-karena i Malezia ary tokony hiara-hiasa sy hanao fifanarahana amin'ny Malay ny Sinoa mba hahatnga an'i Malezia ho firenena mendrika kokoa.
Tetsy ankilan'izany, i Azeem Abu Bakar dia miombon-kevitra amin'ilay fanapahan-kevitra tsy handevenana an'i Chin Peng ao Malezia :
Tokony ekena ve ny handevenana ny lavenony ao Malezia? Tsia, satria ho tongavan'ny avy amin'ny firenena maro io fasana io avy eo. Ary indrindra, tsy hitsangana hamoha fota-mandry sy hampitahotra ny fiainanay indray io lavenona io. Tokony halevina any an-dranomasina tsy taka-maso any izy. Ho fanaovana tsinontsinona ireo Maleziana, indrindra ny fianakavian'ireo izay maty novonoina tamin-kerisetra izany, ka tokony hoentina miverina an-tanindrazana ve izy ka ho arahabaina toy ny mahery fo.
Miyagi indray dia mankalàza an'i Chin Peng :
Ho an'ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo naman'Andriamatoa Ong sy ireo nanorina an'i Singapore sy Malezia — Izaho ary koa ny olona hafa maro dia mihevitra fa Andriamatoa Ong Boon Wah, antsoina hoe Chin Peng, dia tena lehilahy tia tanindrazana marina tokoa ho an'ny firenena mahaleotenan'i Singapore sy Malezia. Nanao izay tratry ny ainy izy hiarovana izay noheveriny ho rariny sy hitsiny — ka nitàna izany ela tokoa araka izay vitan'ny sainy sy ny vatany — soatoavina tsy maintsy deraintsika
Tonga tao Bangkok ilay (MP) Solombavambahoakan'ny mpanohitra Maleziana, Tian Chua, nanome voninahitra farany ny nofo mangatsiakan'i Chin Peng :
Tonga eto aho amin'ny maha namana, havana ary amin'ny maha Maleziana ahy. Samy manana ny fandraisantsika azy avy amin'ny andraikitra nisy azy teto amin'ny firenena isika rehetra, na ireo resy lahatra na tsia tamin'ny tsangan-keviny. Tsy maintsy ekentsika fa izy dia ampahany amin'ny tantara Maleziana. Izy sy ny mpiara-dia taminy no naha toy izao antsika. Ary niaraka tamin'ireo mpitarika hafa tao Azia Atsimo Atsinanana no nanorenan'izy ireo ny sarintanin'i Azia Atsimo Atsinanana
Ilay Minisitry ny Atitany, Ahmad Zahid Hamidi no mamelabelatra ilay fanapahan-kevitra tsy hamela ny fodiana an'i Chin Peng tao Malezia :
Fantatsika tsara fa raha ampodiana ny vata-mangatsiakany na ny lavenony, dia tsy maintsy hisy ireo hanandratra azy ho toy ny mahery fo tamin'ny ady na hanangana tsangambato ho azy. Izany anefa dia hahavaky ny fon'ireo bekotro maro holatra sy ny fianakavian'izy ireo izay tena niharan'ny herisetran'i Chin Peng sy ny Kaominista.
Hazavain'ilay MP, M Kulasegaran fa tsy mankasitraka ny Kaominisma izy fa kosa milaza fa tokony hampodiana ao Malezia ny lavenon'ilay Mpitarika Kaominista :
Manaiky aho fa mahery ny tolona nataon'ny CPM nanoherana ireo Japone nandritry ny fibodoana an'i Malezia faramparany iny ary nanafaingana ny fahazoan'ny Malay fahaleovantena tamin'ny taona 1957 ny fanoheran'izy ireo ny Fanjanahana Britanika taorian'ny nandresena an'i Japana.
Noho izany antony izany sy ho fankatoàvana ny fifanarahana natao sonia ny taona 1989 mba hisian'ny filaminana, dia tokony ho ekena ny fampodiana ny lavenon'i Chin Peng an-tanindrazana ary koa ny hanitrhana azy amin'ny toerana niriany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...