- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manomboka Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ny Renin'ilay Mpitoraka Bilaogy Mifonja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Hossein Ronaghi Maleki and his mother Zoleykha [1]

Samy manao fitokonana tsy hisakafo daholo i Hossein Ronaghi Maleki sy ny reniny Zoleykha. Sary nalaina tao amin'ny pejy fanentanana Facebook.

Reny tsy manam-panantenana i Zoleykha Mousavi. Renin'ny Iraniana iray mpitoraka bilaogy voafonja izy, dia i Hossein Ronaghi Maleki, izay nitokona tsy hisakafo efa ho roa herinandro izay. Nanomboka [2] nanao ny fitokonany tsy hihinan-kanina ihany koa i Rtoa Mousavi tamin'ny Talata 20 Aogositra 2013 mba “hihainoana ny feony”.

Manefa sazy 15 taona i Hossein Ronaghi Malki [3]. Nisy ny fanentanana teo amin'ny Facebook mba hanohanana [4]azy.

Toy izao ny zavatra voalohany novakianay teo amin'ny pejy fanentanana:”Tandindonin-doza ny ain'i Hossein, mila manohana azy isika amin'izao fotoana izao ary tsy hilaza azy ho olo-malaza amin'ny andro handevenana azy.”

Lahatsoratra vao haingana teo amin'ny Facebook no nahalalanay [1] fa nanomboka nanao fitokonana tsy hisakafo ny renin'i Hossein “satria tsy raharahin'ny manampahefana mihitsy ny fitokonana tsy misakafo ataon'ny zanany sy ny toe-draharaha.”

Io lahatsoratra io ihany no mandrisika ireo mafana fo tsy hangina amin'ity toe-draharaha ity.

Maro no manahy amin'ny fiharatsian'ny toe-pahasalamany satria i Hosein taloha efa narary [5] voa sy nanana olana teo amin'ny vava, ary tena mijaly mafy izy amin'izao. Nanoratra taratasy izy mikasika ny fomba fampijialiana azy ataon'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fitsikilovana/Fanangonam-baovao  izay manery azy ny hiaiky heloka eo anatrehan'ny mpanenjika azy, saingy voatazona foana anefa ny taratasy.

Tsy misy valifaty

Namahana horonan-tsary i Hossein talohan'ny niverenany tany am-ponja taorian'ny fakan'aina fohy, izay milaza fa raha tiantsika ny hanova ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, dia tokony tena mandeha amin'ny lavitra indrindra tratrantsika isika… Tokony miroso lavitra mifampitantana isika, tsy misy valifaty. Tokony hanangana am-pisainana sy fahamoram-po isika satria tokony ho afaka amin'ny fanavakavahana i Iran. Afaka mitondra fiantraikany eto amin'i Iran isika tsirairay avy ary samy tompon'andraikitra daholo.