- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitakian-Jòn'Ireo Koesiana Tsy Mizaka Izany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ho fanamarihana ny andro iraisampirenena amin'ny tsy fampiasana herisetra, mihoatra ny 3000 [1] ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin'ny fiaraha-monin'ny tsy mizàka ny zom-pirenena ao Koety (Bedoon) nanao filaharambe hitaky ny zony hisitraka ny zony. Notontosaina tamin'ny 2 tao amin'ny faritra Taimaa ny fihetsiketsehana izay nombain'ny vondrona sivily ao an-toerana sy ny mpikatroka bedoon.

Nahazo aingam-panahy avy amin'ny fanonganana ny filohan'i Ejipta Hosni Mubarak ireto tsy manana zom-pirenena ao Koety ireo ka izany no nanaovany fihetsiketsehana [2] hatramin'ny Febroary 2011. Hatramin'izany fotoana izany, niezaka ny  nametraka hetsika isam-paritra mifantoka amin'ny mahaolompirenena, fanabeazana ary ny fahantrana ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonina.

Ny dikan'ny Bedoon amin'ny teny arabo dia tsy manana ary manazava ny toerana misy ilay fiaraha-monina izany raha fehezina. Tsy omena fitsaboana, fampianarana, asa ary ny tahirin-kevitra isan-karazany ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonina.

Nampivoatra ny fomba fifandraisana sy ny fifampiresahana politika eo amin'ny samy mpikatroka ao amin'ny vondro-piarahamonina ny tambajotran'ny fiarahamonina fa ny lehibe kokoa noho izany dia nanatsara endrika ny fitakiana izany ary nahazo mpanohana ivelany sy anatin'i Koety. Noho ny any amin'ny sehatra hafa notampenam-bava, dia manampy ny Bedoon hahango-tahiry ireo fanitsakitsahana mahazo azy ireo – ka tsy tantarain'ny mpampita vaovao be mpanaraka – ny Twitter. Ny marina, nomanina sy tarihan'ny kaonty tsy mitonona anarana antsoina hoe “Tomanim-Pirenena” ity hetsika ity ary natsangana tamin'ny volana lasa teo hanetsiketsehana ny faha-2 oktobra ary mampiasa ny teny ifankafantarana #اعتصام_2_أكتوبر [3], izay midika hoe hetsi-panoheran'ny 2 Oktobra [ar].

هذا الحساب يدار عبر مجموعة من شباب الكويتيين البدون آمنوا بأن الحياة ماهي إلا وقفة عز وقرروا إكمال المشوار حتى اكتمال هذا العز وظهور الحق.

Q8voice1 [4]: Ity kaonty ity dia tantanin'ny vondro-tanora Bedoon-Koesiana izay mijoro ho amin'ny fahamendrehana ary hitolona mandra-pahazoana ny rariny.

Fiaraha-Mientana Anatiny
Na dia tsy marisika loatra amin'ny fanohanana ny tolon'ny Bedoon aza ny antoko politika koesiana, dia nitera-bokatsoa ho an'ny Bedoon ihany ny fifanenjanana misy eo amin'ny antoko mpanohitra sy ny ny manampahefana. Ny tolona politika no nahatakaran'ny vondrona politika ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ny fitakian'ny Bedoon. Andro vitsivitsy mialoha ny fihetsiketsehana, vondrona politika 21 ao Koety no nanasonia fanambaràna [5] milaza ny fanohanana ny hetsi-panoherana amin'ny 2 Oktobra. Tafiditra ao anatin'ny fanambaràna ny fitakiana fototra telo: ny fananan'ny Bedoon zo hanao fihetsiketsehana milamina, ny tsy maintsy hitadiavana vahaolana farany momba an-dry zareo, ary ny maha-zava-dehibe ny fidirana an-tsehatry ny fiarahamonim-pirenena koesiana amin'ny fametrahana vahaolana maharitra.

Tao anatin'izany lalana izany ny siokan'ny profesoran'ny siansa politika ao amin'ny Oniversite Koesiana Mohammad Alwuhaib iray andro mialoha ny fihetsiketsehana [ar]:

كم أتمنى أن أرى أعداد المواطنين غدا في تيماء تفوق أعداد البدون: هل بإمكان المواطن أن يتجرد من كل شيء إلا إنسانيته؟

@m_alwuhaib [6]: Faniriako tokoa ny hahita olom-pirenena koesiana maromaro kokoa ao Taimaa rahampitso ankoatra ny mpanao fihetsiketsehana Bedoon: tokony hitazona ny fananany ny mahaolona azy ny olompirenena.

Na dia vitsy aza ny Koesiana niseho tao amin'ny fihetsiketseha-panoherana, dia nitari-dalana sady nihiaka ny iray tamin'izy ireo izay mpikatroka politika Koesiana sady poeta:

Misioka ny hetsi-panoherana
Na dia betsaka ihany aza ireo mpanao fihetsiketsehana dia tsy naharitra ora vitsivitsy izany, noho ny fiheverana mety hisian'ny fanafihana avy amin'ny polisy misahana ny rotaka. Nisioka avy any amin'ny hetsi-panoherana ny mpikatroka Bedoon Falah althuwaini:

"@althuwaini: #stateless #bedoon groups are gathering in one large group near Najashi street in Taima in #Kuwait" [7]

“@althuwaini: vondrona #stateless #bedoon mivory ao anatin'ny toera-pivoriana malalaka akaikin'ny lalana Najashi ao Taima any #Kuwait”

@althuwaini [8]: Helicopter and riot forces in large number in Taima, so far they didn't storm the #Statelessness protesters.

Angidimby sy vondro-kery misahana ny rotaka ao Taima, fa tsy nanakorontana ny fihetsiketsehan'ny tsy manana zom-pirenena ry zareo

"@althuwaini: #stateless #bedoon R marching from their city (for Bedoons only) Taima toward Naseem (city for Kuwaitis)" [9]

“@althuwaini: #stateless #bedoon R nanao diabe niala tamin'ny tanànany (natokana ho an'ny Bedoons irery ihany) Taima mankany Naseem (tanàna natokana ho an'ny Koesiana)”

Namoaka vaovao farany momba ny fihetsiketsehana tao amin'ny kaonty Twitter ihany koa ny hafa, ka ao anatin'izany ity iray ity izay namoaka sary mampiady hevira nefa niely tokoa taty aoriana:

"@s_alshmmari: the police department's cameramen set fire to the garbage and videotape it to blame the bedoon for this act." [10]

“@s_alshmmari: nandrehitra afo tamin'ny toerana fanariam-pako ny mpaka sarin'ny polisy dia nandrakitra izany an-dahatsary hiampangana ny bedoon.”

Ny hafa indray nandrakitra ny famoretana nataon'ny polisy tamin'ny fihetsiketsehana:

"@Nashmiq8: Smoke bombs used against protesters." [11]

“@Nashmiq8: entona namelezana ny mpanao fihetsiketsehana.”

Noho ny namelezan'ny [12] polisy misahana ny rotaka ireo vehivavy Bedoon tamin'ny fihetsiketsehana teo aloha dia tsy nahasahy nanao fihetsiketsehana ny ankamaroan'izy ireo. Ity sary eto ambany ity dia mampiseho balonina nasidin'ny vehivavy Bedoon nandritra ny fihetsiketsehana ho fanehoan-dry zareo ny fanohanana sy ny fijoroan'izy ireo – saingy tsy afa-nanatrika ilay fihetsiketseha-panoherana:

ballons 2oct [13]