- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ambarao Ny Hevitrao: “Blog Action Day” Momba Ny Zon'Olombelona!

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Human rights [1]

Sary momba ny zon'olombelona avy amin'ny Catching.Light tao amin'ny Flickr (CC-BY)

Nanomboka tamin'ny taona 2007, niantso ireo bilaogera manerantany haka ny lakile ny Blog Action Day [2]: Andro iray, lohahevitra iray, feo an'arivony. Ny Zon'Olombelona no lohahevitra amin'ity taona ity – ary amin'ny 16 Oktobra no hanaovana azy. Ao anatin'ny fiaraha-mientana, hampisongadina ny maha-zava-dehibe ny olana manerantany ireo bilaogera, ny “podcasters” (mpandray feo) ary ny hafa – ary tsara kokoa raha maro ny mampisongadina momba ny zon'olombelona miohatra amin'ny tokana: “Manan-jo halalaka miteny sy haneho hevitra ny tsirairay” (Fanambarana ny Zon'Olombelona, Andininy faha-20).

Miresaka matetika momba ny zon'olombelona izahay ato amin'ny Global Voices, indrindra momba ny sivana, ny fanaraha-maso, ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera. Miandry fatratra ity andro natokana hieritreretana sy hiresahana lohahevitra iray tsy mety lany manja ity izahay.

Hatramin'izao, bilaogy 1.377 avy amin'ireo firenena 114 no efa voarakitray fa handray anjara amin'ny Blog Action Day 2013. Ampidiro ato anio ny bilaoginao [3], ary mandraisa anjara amin'ny resadresaka manerantany! Ny teny ifankafantarana amin'ity taona ity dia #BAD13, #HumanRights, #Oct16.

Araka ny mahazatra, ho ampitainay ny fandraisan'anjaran'ireo mpikambana Global Voices manerantany – aza miala.