Shiliana Anjatony Nimenomenona Amin'ny Seho TV Pinochet sy ny Didijadony

Foto del usuario de Flickr RiveraNotario, utilizada bajo una licencia Creative Commons CC BY-NC-SA 2.0.

Sary avy amin'ny Flickr nampiasa RiveraNotario, nahazoana alalana avy amin'ny CC BY-NC-SA 2.0.

Andro vitsivitsy talohan'ny fahatsiarovana ny faha-efapolo taona ny fanonganam-panjakana izay namarana ny fitondran'i Salvador Allende, maro ny tatitra media, namoaka ny tsiaro niraisana ny tahiry mbola tsy nivoaka, nampahafantatra sy mampahatsiaro ny taranaka momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny fitondrana miaramilan'i Augusto Pinochet. Tsy ilaozan'ny fifanolanana izany.

Hatramin'ny voalohany ilay fandaharana “Shily, Sary voarara“[es] (“Chile, las imágenes prohibidas” amin'ny teny espaniola), no nalefan'ny televiziona Chilevisión, nandritra ny fotoana nahabe mpijery mba hahaliana ireo shiliana maro amin'ny fitsidihana indray sy hahatakatra izay nitranga tanelanelan'ny ny fanonganam-panjakana ny 11 septambra 1973 sy ny fiverenan'i Shily indray tamin'ny demokrasia nandritra ny faramparan'ny taompolo 1980. Na izany aza, nizarazara ny hevitra naterak'ilay fandaharana, ka sady maro ny nanohana no toy izany ihany koa ny nanohitra.

Tsy nandeha lavitra fa vao ny fizarana roa voalohany tamin'ny 14 sy 21 Aogositra no lasa dia efa nahazo fitarainana mihoatra ny 100 tao amin'ny Vaomieran'ny Fahitalavi-Pirenena (CNTV) [es] sahady , izay Rafitra miantsoroka ny “fiantohana ny fiasan'ny televiziona Shiliana amin'ny alalan'ny politikam-panjakana mirona ho amin'ny fitarihan-dalana, fandrisihana ary mandrindra ny lahasan'ireo mpiantsehatra ao amin'ny televiziona“[es].

Nanambara ny fitarainana voaray fa niteraka “fifankahalana sy fifampizarazana eo amin'ny firenena” ilay fandaharana, satria, mampiseho “”fijery mitongilana ny tantara“[es]”[es] hoy ireo fitarainana 40. Nolavina moa ireo fitarainana ireo noho ny falalahana maneho hevitra izay ananan'ny olom-pirenena rehetra.

Iadiana hevitra ao amin'ny blaogy El huevo revuelto [es] (Atody Nokapohina) izany hevitra izany tamin'ny 29 Aogositra, raha nandray ny fanevan'ny mpanohitra ny fandaharana ilay mpanao matoandahatsoratra Marcel Castro (@marcelocastrob) [es], raha tarafina amin'ny fitarainana nentina tany amin'ny CNTV:

Pero no todo es color de rosa, o más bien rojo, para ellos, ya que acumulan más de 80 denuncias en el Consejo Nacional de Televisión, sólo el capitulo del 14 de agosto tuvo 62 reclamos, 40 de ellos por que “el programa presenta una visión sesgada de la historia”, cosa que es verdad, ya que muestra lo que le conviene a los bolcheviques, y otros 22 denuncios por “provocar odiosidades y división en el país”. Estas ultimas siguen vigentes ya que las otras 40 fueron desechadas debido a la libertad que tienen los realizadores de mostrar lo que a ellos se les plazca.

Saingy tsy miloko mavokely, na mena, avokoa ny zava-drehetra, ho an'ireo izay efa nahangona fitarainana mihoatra ny 80 tany amin'ny Vaomieran'ny Fahitalavi-Pirenena. Vao tamin'ny fizarana voalohany tamin'ny 14 Aogositra dia efa 62 ny fitarainana, 40 amin'ireo milaza fa “fandaharana mampiseho fijery mitongilana amin'ny tantara,” misy marina ihany satria maneho izay mety amin'ny Bolshevika, ary ny 22 hafa mitaraina fa “mandranitra fifankahalana sy mampizarazara ny firenena.” Fitarainana azo raisina ny an'iretsy farany na dia nolavina aza ny an'ireo 40 hafa noho ny fahalalahan'ny mpamokatra ny filma mampiseho izay tiany aseho. 

Nanamafy ny fisian'ny fomba fijery mitongilana i Natalia Ramos Briones (@nataliaramosb) [es] raha nilaza ny heviny tao amin'ny kaonty twitter izay vokatry ny fifangaroana eo amin'ny fomba fijerinà mpanoratra sy ny fomba fiasa henjana amin'ny maha-mpanao gazety:

Aza afangaro ny fomba fijerin'ny mpanoratra sy ny fomba fiasan'ny mpanao gazety. Mifanohitra amin'izany ny fijery tsy feno, mitongilana sy vendrana.

Raha jerena amin'ny fomba fijerin'ireo manohitra ilay fandaharana ao amin'ny fahitalavitra sady milaza ankolaka ny anaran'ilay fandahrahana (“Shily, Sary Voarara”), namoaka ny sary tsy nasehon'ny Chilevision ireo mpisera Twitter maro ary, araka ny hevitr'izy ireo, , dia anisan'ny “ambadiky ny vola.” [ny “La moneda” dia sady milaza ny vola no milaza ihany koa ny Lapan'ny filoham-pirenena raha any Shily].

Lino González A (@LlinoGozalez) [es] nizara tao amin'ny twitter-ny sary iray naseho tao amin'ny fandaharana “Ny 1000 andro” [es] (programa manana lohahevitra mitovitovy aminy koa mandeha ao amin'ny fantsona 13). Saripika maneho ny mpanohitra an'i Salvador Allende mitabataba ny tsy fisian-tsakafo sy ny hantsana ara-toekarena nisy nandritra ny fitondrany (1970-1973).

“AMPY ZAY Atoa Allende.” Ny sary voarara izay tsy nalefa tamin'ny fantsona hafa

Eo ihany, ny sarin'ny polisy Shiliana roa, ahitana ny iray manamarina raha mbola mampiseho mari-pahavelomana ilay hafa izay naratra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana, ary nosiahan'ny @SeptiembreOnce [es] indray mandeha sy Don Corleone (@Don_Corleone_) [es]:

Sary izay tsy hipoitra velively ao amin'ny sary voarara satria tsy dia mety loatra ny amoahana manontolo ny marina fa ny tian-dry zareo aseho ihany

ITY SARY ITY DIA TSY HO HITA MANDRAKIZAY AO AMIN'NY “SARY VOARARA SHILY” avy amin'ny @Chilevision

Ankilany, raha jerena ny fototry ny fitarainana avy amin'ny mpanohitra ny fandaharana, ny mpanao gazety Federico Zurita Hecht dia nanoratra tao amin'ny blaoginy [es] sy tao amin'ny Revista Intemperie [es] lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny antony dimy sandoka nandrarana ‘Shily, Ny Sary Voarara‘,” [es] ka ao amin'ireny no ijoroan'izao hevitra manaraka izao:

Primero El mencionado argumento de “la otra cara de la moneda” estaría sugiriendo que tanto las imágenes de represión en las poblaciones, en los funerales de las víctimas y en la visita del Papa, como los testimonios sobre la muerte de funcionarios de la Vicaría y sobre el incidente que terminó con Carmen Gloria Quintana y Rodrigo Rojas envueltos en llamas, corresponden a mentiras, porque habría otra supuesta versión (que incluso se sostendría en algo que ocurrió antes de 1973) que demostraría que esas medidas violentas fueron más bien una acción justiciera.

Segundo La idea de “la otra versión” sugiere que las seis mil personas asesinadas por los aparatos de inteligencia de la dictadura habrían formado parte de un plan tenebroso para devolver al país a la “dictadura marxista”. Esta idea que está implícita en la crítica al programa del que aquí hablo tampoco tendría sustento, porque la elite de la eventual “dictadura del proletariado” no podría haber sido tan grande (si ni siquiera hoy la elite empresarial que estrangula al resto del país, es tan grande), y porque finalmente muchas de esas seis mil personas no tenían vínculos con las estructuras de poder.

 

Voalohany Ny toha-kevitra milaza ny “ambadiky ny vola” dia te-hilaza fa ny sarin'ny famoretana ny mponina, ny fandevenana ny maty ary ny famangian'ny Papa, mbamin'ny fijoroana vavolombelona momba ny nahafaty ireo ao amin'ny Vikarià sy ny momba ny korontona niafara tamin'ny fandoroana an'i Carmen Gloria Quintana sy Rodrigo Rojas, dia () lainga satria ny fijery hafa (izay mampiditra zava-nitranga nialoha ny taona 1973) dia mampiseho fa nohamarinin'ny zavamisy ny herisetra natao.

Faharoa Ny hevitra momba ny “fijery hafa” dia mametraka fa ireo olona 6 tapitrisa matin'ny sampam-pitsikilovan'ny fitondrana jadona dia nandray anjara amin'ny hiverenan'ny firenena ho any amin'ny “fitondrana jadona Marksista.” Tsy iadiako hevitra na tohanana eto ny hevitra ambadiky ny tsikera, satria ireo elitan'ny “fitondrana jadon'ny mpiasa madinika” mety ho tsy nanana izany loatra (na ny elitan'ny fandraharahana amin'izao fotoana izao izay manakenda ny firenena ihany koa), ary farany satria maro amin'ireo enina tapitrisa ireo no tsy manana fifandraisana amin'ny rafi-pahefana

Mitohy ny lahatsoratra:

Tercero Las palabras “la otra cara de la moneda” nos informan que se da por aceptada la idea caricaturesca que instituciones estadounidenses formularon sobre el marxismo y que difundieron ampliamente en Latinoamérica. De esta forma, Chile, las imágenes prohibidas intentaría ocultar esa otra cara en la que los marxistas se presentan como seres despiadados en su esencia.

Cuarto Cada vez que alguien reclama que se debe contar “la otra versión de los hechos”, además de abandonar la discusión original y suponer ridículamente que hay un plan maestro formulado por un movimiento marxista caricaturesco, propone que las formas de pensamiento de izquierda son homogéneas y que todos quienes adhieren a estas creencias quieren replicar lo hecho por Stalin en la URSS.

Fahatelo Ny voambolana “ila ambadikin'ny volavy” [na ny lapam-panjakana] dia milaza amintsika fa nekena ny hevitra adalan'i Etazonia momba ny Marksisma ary miparitaka manerana an'i Amerika Latina. Amin'izay lalana izay, Shily, Ny sary voarara dia miezaka manafina ny lafiny hafa maneho ny Marksista ho tsimifaditrovana.

Fahaefatra isaky ny fotoana hitenenan'ny olona sasany “fijery hafa momba ny zavanisy,” mihoatra noho ny tena hevitra teny ampiandohana sy toy manebaka fa misy planina matipaika ataon'ny hetsika Marksista adaladala, lazain'izy ireo fa mitovy ny fomba fisainan'ny fironana ankavia ary izay rehetra mandray izay fomba fisaina izay dia te-hamaly amin'ny zavatra nataon'i Stalina tany URSS.

Mihamiharihary ny fihetsiky ny andaniny manohana ny fandaharana taorian'ny fanambarana fa misy mitaraina any amin'ny CNTV mpanaramaso. Asehon'i Marcelo Gomez (@MarceloGomezG) [es], milaza ny fitarainana ho tsy misy dikany loatra ary nampitaha azy amin'ny fitondrana jadona hafa:

Hitory any amin'ny CHV ny #ImágenesProhibidas dia tahaka ny miampanga ny National Geographic amin'ny tatitra ataony momba an'i Hitler ary ny ady lehibe faharoa.

Ny twitter-n'i Difamadores (@Difamadores) [es], milazalaza ny momba azy ho toerana fanaovana “hatsikana, politika ary tsikera an-gazety miompana amin'ny fiaraha-monina,” tsy namela handalo fotsiny ny toe-draharaha ka nampifandray ireo mpanao fitarainana amin'ireo mpanohana ny fironana ankavanana amin'ny politika:

Fasista miampanga ny fampisehona ireo sary voarara tamin'ny fitondrana jadona fa tsy ireo izay nanomboka [nanao] izany… Sacosdewea.

Raha ny hevitr'i Don Jorgetaker (@Jorgetaker) [es], ireo izay nanao ilay fitarainana manoloana ny fandaharana dia mpanohana an'i Pinochet:

Mbola misy foana ny mpankasitraka an'ilay antidahy Pinochet –>”sary voarara” ao amin'i Chilevisión niteraka fitarainana efa ho 83 tao amin'i CNTV

http://t.co/A3F308vvlR

Andrea Zamora (@negracuriche) [es] nanamarika fa mahatsiaro ho menatra izy manoloana ireto isan'ny fitarainana momba ilay fandaharana:

Tena manahirana! “Shily, ny sary voarara” nahazo fitarainana +100 ao CNTV http://t.co/FMpx6Tff4o tao amin'ny @soychilecl

Ho an'i Cecilia C.B. (@ceciliacarolina) [es], ny tena dikan'ireo fitarainana dia manambara ny tsy fitiavana ny hahafantarana ny tantara marina:

“Sary voarara” ao amin'ny Chilevisión niteraka fitarainana 83 any amin'ny CNTV http://t.co/mbRIEkNKkW /Tsy mampino, misy olona tsy tia ny marina.

Na marina na tsia, ny fitarainana momba ny fandaharana dia maneho an'i Shily ho mbola mizarazara avy amin'io ote-javatra nanamarika ny tantara 40 taona lasa izay ary mbola mampizarazara ny fiaraha-monina mandraka androany. Fanekena? Tsiahin'ny tantara? Fampihavanana? Sahirana Ny Shiliana hitsabo ny fery.

The one duty we owe to history is to rewrite it.

Oscar Wilde

Ny andraikitra andrasan'ny tantara amintsika dia ny fanoratana azy indray.

Oscar Wilde

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.