Ny governemantam-paritr'i Sindh any Pakistana dia namoaka ny drafitr'asany amin'ny fandrarana mandritra ny telo volana ireo fampiasa fandefasana hafatra Viber,WhatsApp, Tango, Skype sy ireo fitaovana hafa mifototra amin'ny aterineto fampiasa amin'ny fampitana feo sy hafatra izay antsoin'ireo mpiasam-panjakana ho “hetsika manelingelina mampihorohoro any amin'ny faritany, indrindra any amin'ireo faritra an-tanan-dehibe”.
Ny minisitry ny fampitam-baovao Sharjeel Memon dia nizara ity vaovao ity tamin'ny famoriana mpanao gazety ny Zoma 4 Oktobra 2013 tany amin'ny tanàna any atsimon'ny seranantsambon'i Karachi. Miandry ny fahazoan-dalana avy amin'ny governemanta federaly any Islamabad ny governemantan'i Sindh.

Rindrambaiko sosialy fampiasa amin'ny finday. Sary avy ao amin'ny Flickr-n'i Nurudin Jauhari. CC BY-SA
Tsy io no fandrarana voalohany an'ireo tolotramedia sosialy any Pakistana. Noraràna ndritra ny herintaona mahery ny YouTube ary imbetsaka nobahanana ny “Facebook”.
Ireo fikambanana sy ireo mpikatroka mafàna fo amin'io sehatra io dia nanao hetsi-panoherana ilay tolo-dalàna fandraràna ny fampitàna hafatra, tamin'ny fiantsoana izany ho sakana iray hafa ho an'ny zo fototra sy ny fahalalahana maneho hevitra. Ny Bolo Bhi, seha-pikarohana tsy itadiavan-tombontsoa, mpitari-dalana, politika dia nanao fanambarana an-gazety teo noho eo:
Tsy fanajana ireo zo fototry ny olom-pirenena izany ary fanekena avy any amin'ny governemanta fa tsy nahomby izy ireo tamin'ny fampanajàna ny lalàna sy ny filaminana tamin'ny fandraisana fepetra samirery sy fanakorontanana ny fifandraisana. Tokony tsy hiharam-pahavoazana avy amin'ny resaka filaminam-pirenena ny fahafahana miditra aterineto.
Tsy maintsy mifantoka amin'ny fanatsaràna ny lalàna sy ny fandriam-pahalemana eto an-tanàna ny governemanta fa tsy mametra ny zon'ny vahoaka ao aminy. Misy fomba hafa mandaitra kokoa hiadiana amin'ny fampihorohoroana mba tsy hanitsakitsahana ny zo fototry ny olom-pirenena ka hidirany aterineto sy hifandraisany.
Namaly haingana tao amin'ny Twitter ihany koa ny mpisera ety anaty aterineto. Fatima Bhutto (@fbhutto), Mpanoratra, dia nitsikera hoe:
Don't give them any ideas “@masoodym @fbhutto why not put a ban on oxygen too in Sindh?”
— fatima bhutto (@fbhutto) October 3, 2013
Aza manome hevitra azy ireo “@masoodym @fbhutto maninona ihany koa raha asiana fandraràna ny rivotra oksizena any Sindh?”
— fatima bhutto (@fbhutto) 3 Oktobra 2013
Nanao sangisangy zary tenany i Usama Bin Nasar (@ubinnasar):
So whatsapp and viber will be banned in #sindh because terrorists are using them so whats next banning beds because they sleep in them?
— usama bin nasar (@ubinnasar) October 4, 2013
Ka dia voaràra izany ny “WhatsApp” sy “viber” any #sindh satria mampiasa azy ireny ireo mpampihorohoro ka inona indray ny horaràna manaraka; ny fandriana ve satria matory eny ireo mpampihorohoro?
— usama bin nasar (@ubinnasar) 4 Oktobra 2013
Faizan Lakhani (@faizanlakhani) dia nanahy fa ny Pakistan Telecommunication Authority (PTA) dia mety hanaiky:
PTA may not entertain Sindh Government's request to ban Skype, Viber, WhatsApp and Tango for various reasons.
— Faizan Lakhani (@faizanlakhani) October 3, 2013
Mety tsy naharay ny fangatahan'ny Governemantan'ny Sindh angamba ny PTA ny mba handraràna ny Skype, Viber, WhatsApp ary Tango noho ny antony samihafa.
— Faizan Lakhani (@faizanlakhani) 3 Oktobra 2013
Imran Ali (@imranaliwattoo) dia nampahafantatra ny olona hoe ahoana ny fomba atao manoloana ny fandraràna:
getting emotional gives us nothing but inability of controlling things #Sindh
— Imran Ali (@imranaliwattoo) October 4, 2013
Tsy mitondra na inona na inona hoantsika ny be fihetseham-po fa mahatonga antsika tsy hahafehy ny zavatra #Sindh
— Imran Ali (@imranaliwattoo) 4 Oktobra 2013