Any Miryang, tanàna kely ambanivohitra, any Korea Atsimo, manao izay ho afany ireo zokiolona mba hanakanana ny fanorenana andrin-jiro fitaterana herinaratra faran'izay avo hamakivaky ny tany fambolen-dry zareo.
Ny orinasam-panjakana mpamatsy herinaratra, “Korea Electric, Power Corp (KEPCO)” dia mieritreritra ny hanangana andrin-jiro 12 izay hitaira 765-kilovolta [ko] mamakivaky an'i Miryang ka mety hahakasika tanàna 30 ary trano fonenana miisa 1.800. Henjana ny fanoherana. Maro amin'ireo mponin'ny tanàna, izay mpiompy mananika ny 60 sy ny 70 taona, no nifikitra nandritra ny valo taona mahery ankehitriny, mitanisa izay mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana sy maneho ny hasarobidin'ny tanin'izy ireo eo imasony izay efa nipetrahany amam-polotaonany.
Tany amin'ny volana Janoary 2012 tany, lasa lohatenin-gazety nanerana ny firenena ilay tolona rehefa nandoro ny tenany ny lehilahy 74 taona iray ho mariky ny fanoherany. Nampitsimbadika ny hevi-bahoaka hiandany amin'ireo mponina ireo andiana fampisehoana tsy fankatoavana amin'ny fomba mampitaintaina ireo, ka nampiatoan'ny KEPCO vetivety ny asany tamin'ny volana Marsa 2013.
Taorian'ny fiatoana izay naharitra 126 andro, dia nitohy indray ny asa fanorenana tamin'ny 2 Oktobra 2013, ka nifoha indray ny fanoherana, na tany amin'ny toerana nanaovana ny fananganana na teo anoloan'ny tranoben'ny KEPCO tany Seoul. Olona dimy no voatana am-poja taorian'ny fifampikasihan-tànana tamin'ireo mpitandro filaminana.

Asehon'ny olona ny fanohanany ny hetsi-panoherana ao Miryang. Sary avy amin'ny ‘Mijoroa miaraka amin'ny Miryang, Sakano ireo andrin-jiro 765kv’ – Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Toa nihemotra kely raha ny fahitàna ny KEPCO. Kanefa, izy ireo dia nanenjika na nitory mponina miisa 15, izay na mpiompy na tsy an'asa, ho nanelingelina ny asan'izy ireo. Na dia teo aza ny filazan'ny KEPCO hoe nahavita fampiraharahana niaraka taminà tanàna 15 izy ireo, dia namoaka fanambarana nandà ny fisian'izany ny mpanohitra, nanindriany fa tsy babon'ny fanampiana ara-bola ireo mponina. Ny haino aman-jery iray tao an-toerana aza nanambara mihintsy fa ny KEPCO dia nanana antonta-taratasy momba ny fikarohana anatiny izay manaiky mety hiteraka olana amin'ny fahasalaman'ireo mponina izay mipetraka ao amin'ilay toerana vokasik'izany ireo andrin-jiro fitaterana herinaratra avo dia avo ireo.
Tonga nanatevin-daharana ny toloha henjan'ireo zokiolona ireo ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana sy fikambanan'olon-tsotra. Ny pejy Facebook Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers dia nizara ireo sarin'ny hetsi-panoherana tsy ela akory izay (eo ambany) sy ireo vahoaka mihazona ny mariky ny fanohanany ny tolom-panoherana ataon'ny Miryang (eo ambony).

Olona manao hetsi-panoherana eo anoloan'ny tranoben'ny KEPCO . Sary an'ny ‘Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers’. nahazoana alàlana.
Nampiseho ny hatairany ireo mpampiasa aterineto manoloana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampiasa ny herin'ny mpitandro filaminana hiadiana amin'ireo zokiolona mpiompy. Manodidina ny 2000 ireo olon'ny mpitandro filaminana naparitaka [ko] teny an-toerana (tamin'ny voalohany, 3.000 no noeritreretina ho alefa):
최악의 불상사 우려되는 밀양 송전탑 공사 http://t.co/Z3ZjWSTFNZ 주민들은 대부분 나이 많고 힘없는 노인들이다. 수천명의 경찰을 동원해 이들을 몰아내고 공사를 강행하겠다는 건 전쟁 상황에서도 상상하기 힘든 일이다.
— 들풀 #시국선언 (@wow815) September 29, 2013
Mandindona ny (toerana) misy asa fanorenana ireo andrin-jiro ao Miryang ny ahiahy hisian'ny trangan-javatra faran'izay ratsy. Efa antitra be avokoa ny ankamaroan'ireo mponina, antitra tsy misy mpanampy. Te hiroso hiatrika an'ilay asa fanorenana izy ireo amin'ny alalan'ny fandroahana ireo olona miaraka amin'ireo mpitandro filaminana an'arivony! Zavatra tsy takatry ny saina ny tahaka izany, na dia tany amin'ny fotoanan'ny ady aza.
@MyoungrrangAndy: […]밀양에 경찰병력이 계속 늘어가고 있답니다. 주민의사 무시하는 공사 강행은 명백한 폭력입니다.
@MyoungrrangAndy[…] Henoko ny fitomboan'ny isan'ny mpitandro filaminana tany Miryang. Fihantsiana ady ny fanohizana miroso ho amin'ny fananganana mifanohitra amin'ny fanirian'ireo mponina.
Satria toa tsy ho azo ihodivirana ny fifandonana, maro no nahatsiaro ny loza tany Yongsan efa-taona lasa izay, nahafatesana olona 6 noho ny tifitra tsy nahy raha iny niezaka ny nandrava ny fitokonan'ireo olona voaroaka taminà tranobe iray tao Seoul iny ireo mpitandro filaminana:
밀양 송전탑 공사 재개를 앞두고 송전탑 건설 현장에 10월 2일쯤 경찰 기동대 34개 중대 3000여 명을 투입하기로 했다고…어르신 몇 분에 3000명? 용산참사의 비극을 벌써 잊었는가? http://t.co/mm4AG77oDf
— 불꽃, 정중규 (@bulkoturi) September 28, 2013
Satria efa miha-akaiky ny fotoana hitohizan'ny fanamborana ireo andrin-jiro ao Miryang, dia nanapa-kevitra hanaparitaka polisy mpandrava korontana miisa 3.000 (ekipa 34) tany an-toerana izy ireo tamin'ny 2 Oktobra… mpitandro filaminana 3.000 hifanandrina aminà antitra vitsivitsy? Adinon'izy ireo sahady ve ny loza tany Yongsan?
밀양 송전탑 사태, 국가는 공익목적이라는 이유로 주민의 삶을 파괴해서는 안된다. 공익에 꼭 필요하다면 주민을 설득하고 삶의 대책을 반드시 마련해준 뒤에 시행해야 한다. 아무 대책마련도 없이 공익만 들이대면 된다는 후진적 사고가 용산사태를 불렀다.
— 강려(江廬) (@Riverside_hut) September 30, 2013
Ny olan'n andrin-jiro fitaterana hernaratra ao Miryang dia mampiseho fa tsy manan-jo hamotika tanànan'olona mba ho tombotsoam-pirenena ny governemanta. Raha zavatra tena ilaina ho amin'ny tombotsoam-pirenena marina, dia mila mandresy lahatra ireo mponina [voakasik'izany] ry zareo ary tsy maintsy mamatsy azy ireo tolotra hafa ho takalony. Io hevitra kidaladala toa manao tari-dositra io amin'ny filazana fa ho amin'ny tmbontsoa ambonin'ny rehetra nefa tsy nisy fanomanana no nahatonga ny loza tao Yongsan.
밀양 송전탑 사태의 평화로운 해결을 바랍니다. 부디.
— jiyouuu (@jiyouuu) September 30, 2013
Tena manantena vahaolana am-pilaminana amin'ny olana mikasika ny andrin-jiro fitaterana heriaratra ao Miryang ao.