- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face : Hamily Fiara Ny Vehivavy Saodiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, GV Face

Amin'ny 26 Oktobra [1] 2013, an'arivony ireo vehivavy Saodiana no nivoady hankahatra ny fandraràn'ny fanjakàna tsy hahafahany mamily fiara.

Ao anatin'ity faran'ny herinandro ity ny famoahan'ny “GV Face” dia miresaka amin'ilay bilaogera monina ao Jeddah sady mpanoratra, Tamador Alyami [2], izay manohana ny fanentanana #Women2Drive – #VehivavyHamily.

Niresaka mikasika ilay fanentanana izahay, fiainana ho an'ireo vehivavy any Arabia Saodita, ary ny fomba fandraisan'ireo mpikatroka mafàna fo an'ireo mpanohitra tahaka ilay mpitondra fivavahana izay tsy ela akory izay, niteny hoe “hitanay fa ny ankamaroan'ireo izay mitondra fiara dia miteraka zaza manana tsy fahatomombanana isankarazany.”

Solana Larsen, [3] talen'ny Famoahana ao aminay sy ny Lefiny, Sahar Habib Ghazi [4] no nampiantrano ny “GV Face”

Vakio koa :

Sep 2013 Saudi Clergyman Delivers Ground-breaking Science on Why Women Shouldn't Drive [5]
Sep 2013 26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara [6]
Oct 2012 Arabia Saodita: Miaka-peo ny Hetsika Vehivavy Hitondra Fiara Ary Miampanga ny Politikan'ny Governemanta [7]
Nov 2011 Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara [8]
Jun 2011 Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara [8]
May 2011 Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara [9]
May 2011 Arabia Saodita: Vehivavy iray mihaika ny lalàna tamin'ny alalan'ny fitondrana fiara tao Jeddah [10]