- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARY: Fiainana Anatin'i Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika
Myanmar college graduates leaving a beauty salon [1]

Mpianatra mivoaka avy ao amin'ny toerana fikolokoloana tarehy amam-bika. Meiktila, 2013

Sambany nitsidika an'i Myanmar i Geoffrey Hiller [1] ilay mpaka sary efa nahazo loka tamin'ny taona 1987, [1] mihalohalo ao an-tsaiçny mandrakariva ny zava-hitany tao amin'ny firenena:

After a frenetic trip, it wasn’t so much the monks and pagodas that haunted me, but the faces of the Burmese, painted in white, often smiling. I wanted to find out more about who they really were, plagued by a corrupt government and international sanctions.

Taorian'ny dia mafàna, tsy ireo relijiozy sy tempoly no nibahana ato an-tsaiko, fa ny endrik'ireo birmana, miloko fotsy, ary mitsiky matetika. Te hahafantatra bebe kokoa ny momba azy ireo, izay iharan'ny atsonjay ataon'ny governemanta mpanao kolikoly sy ny sazy iraisam-pirenena, marina aho,

Niverina nitsidika matetika an'i Myanmar izy ary nahita maso ireo fiovana tao amin'ny firenena tao anatin'izay taona vitsy lasa izay:

I returned yet again in 2013. My camera focused on capturing daily life, from the cramped streets of the colonial capital of Yangon, to dusty markets in Mandalay, to Muslims in Meikhtila, and river life in Pathein.

The face of Yangon has already changed, with new building construction and imported cars.

Niverina tany indray aho tamin'ity taona ity. Nifantoka tamin'ny fiainana andavanandro ny fakàntsariko, manomboka amin'ireo lala-kely ao an-drenivohitra Yangon, hatramin'ny tsena feno vovoka ao Mandalay, ary koa ireo Miozolomana ao Meikhtila sy ny fiainana an-dreniranon'i Pathein.

Efa niova sahady ny endrik'i Yangon, ahitana fananganana tranobe sy fiara nafarana avy any ivelany.

Mikasa hamoaka boky amin'ny alalan'ny tetikasa Kickstarter  [2] izy hametrahany ireo sary maneho ny fiainana ao Myanmar nanomboka tamin'ny taona 1987 hatramin'ny tetezamita vao haingana manantantara tao amin'ny firenena. Hampiseho ireo sarin'ny Meiktila, toerana notsidihan'i [3] Hiller talohan'ny fitroarana [3]namely ny tanàndehibe ny boky, Birmania anaty Tetezamita:

After my experience in this peaceful town, the news reports about the fighting and killing and burning of homes is unbelievable to me. I had talked with dozens of residents of Meiktila, both Buddhists and Muslims, and I never would have guessed such violence would erupt

Taorian'ny fandalovako tao amin'io tanàn-dehibe milamina io, tsy nampino ahy ny vaovao momba ny ady sy ny famonoan'olona ary ny fandoroana trano. Efa nifampiresaka tamin'ny mponina am-polony tao Meiktila aho, Bodista sy Miozolomana, ka tsy tao an-tsaiko mihitsy ny hisian'ny herisetra tahaka izany ao.

Mandraisa anjara amin'ny fanampiana ny tetikasa momba ny boky ao amin'ny Kickstarter [2] hatramin'ny 9 Oktobra.

Dalah, 2011 [1]

Dalah, 2011

burmese [1]

Vehivavy mifoka sigara, Mandalay, 1987

A building in Yangon, 2012 [1]

Tranobe ao Yangon, 2012

A young man holding a photograph of Opposition leader Aung San Suu Kyi and her father, General Aung San. Yangon Ferry, 2012 [1]

Tovolahy mitàna ny sarin'ny lehiben'ny mpanohitra Aung San Suu Kyi sy ny dadany, Jeneraly Aung San. Yangon Ferry, 2012

Women workers in Meiktila, 2012 [1]

Mpiasa vehivavy ao Meiktila, 2013

*An'i Geoffrey Hiller ny sary rehetra.