Nitifitra ireo mpianatra tao amin'ny Kolejin'ny Fambolena ao amin'ny firenena Yobe ny vondrona mpampihorohoro Nizeriana Boko Haram, mpianatra am-polony 18 hatramin'ny 22 taona natory tao amin'ny efitrano fatorian'ny mpianatra kilasimandry no notifirin'izy ireo.
Araka ny filazan'ny Associated Press, mpianatra maherin'ny 50 no namoy ny ainy, ary nodoran'ireo mpikatroka ihany koa ny efi-trano fianarana nandritra ny fanafihana.
Fikambanana mpikatroka jihadista mpampihorohoro miorina any avaratra atsinanan'i Nizeria, aravatr'i Kamerona ary Nizera ny Boko Haram. Nazoto nanao fanafihana tao Nizeria izy io hatramin'ny 2001. Toy izao manaraka izao ny isan'ny maty tamin'ny fanafihana vitan'ny Boko Hara (tsy ireo ihany) tao amin'ny firenena:
- December 24, 2003: Christmas Eve attacks in Kannama and Geidam in Yobe State
- September 21, 2004: Attack on Panshekara Police station, Kano
- September 21, 2004: Attack on Bama and Gwarzo Police Stations
- December 31, 2007: Attack on Presidential Hotel Port/Harcourt
- July 26-30, 2009: Launch of mass uprising with attack on a police station in Bauchi that spread to Kano, Yobe and Borno states
- September 7, 2010: Attack on a prison in Bauchi and freeing numerous prisoners including BH members.
- October 6, 2010: Assassination of ANPP leader, Awena Ngala in Maiduguri
- December 24, 2010: Christmas period bombing in Jos killed 38
- October 9, 2010: Assassination of Muslim cleric Bashir Kashara and one of his students in Maiduguri
- December 31, 2011: Mogadishu Assassination of ANPP gubernatorial candidate Modu Fannami Gubio and 8 others in Maiduguri
- June 6, 2011: Assassination of Muslim cleric, Ibrahim Birkutu in Maiduguri
- June 16, 2011: Bombing of Police Force Headquarters in Abuja
- August 26, 2011: UN Building Bombing in Abuja
- September 22, 2011: Attack on Maiduguri jail to free hundreds of prisoners
- December 20, 2011: Dozens killed in Maiduguri shootings
- December 25, 2011: Series of bomb attacks on Christmas day in Niger and Plateau States killed dozens
- January 22, 2012: Multiple bomb explosions and attacks in Kano on Police facilities and security agency offices: death toll 215
- April 9, 2012: Easter Sunday explosion in Kaduna. Death toll 38
- 24 Desambra 2003: Fanafihana tao Kannama sy Geidam ao amin'ny firenena Yobe ny andro mialoha krismasy
- 21 Septambra 2004: Fanafihana tao amin'ny tobin'ny polisy Panshekara, Kano
- 21 Septambra 2004: Fanafihana tao amin'ny tobin'ny polisy Bama sy Gwarzo
- 31 Desambra 2007: Fanafihana tao amin'ny Lapan'ny Filoha ( Port/Harcourt )
- 26 Jolay 2009: Fanaovana fitroarana goavambe narahana fanafihana tao amin'ny tobin'ny polisy ao Bauchi ary niely hatrany amin'ny firenena Kano, Yobe sy Borno
- 7 Septambra 2010: Fanafihana ny fonjan'i Bauchi nahatafatsoaka gadra marobe, anisan'izany ireo mpikambana ao amin'ny BH.
- 6 Oktobra 2010: Famonoana ny lehiben'ny ANPP, Awena Ngala tao Maiduguri
- 24 Desambra 2010: Namono olona 38 ny daroka baomba nandritra ny Krismasy tao Jos
- 9 Oktobra 2010: Famonoana ilay mpitondra fivavahana Miozolomana Bashir Kashara sy iray tamin'ireo mpianany tao Maiduguri
- 31 Desambra 2011: Famonoana tao Mogadishu ny kandidàn'i ANPP Modu Fannami Gubio sy 8 hafa tao Maiduguri
- 6 Jiona 2011: Famonoana mpitondra fivavahana Miozolomana, Ibrahim Birkutu tao Maiduguri
- 16 Jiona 2011: Daroka baomba tao amin'ny Foiben'ny Polisy ao Abuja
- 26 Aogositra 2011: Daroka baomba tao amin'ny tranoben'ny Firenena Mikambana ao Abuja
- 22 Septambra 2011: Fanafihana tao amin'ny fonjan'i Maiduguri ka gadra an-jatony tafatsoaka
- 20 Desambra 2011: Am-polony ireo namoy ny ainy tamin'ny fitifirana tao Maiduguri
- 25 Desambra 2011: Daroka baomba nisesisesy tamin'ny andron'ny Krismasy tao amin'ny fanjakana Nizera sy ny fanjakana Lembalemba ka nahafatesana olona am-polony
- 22 Janoary 2012: Baomba nipoaka marobe sy fanafihana tao amin'ny toby polisy sy ny biraon'ny mpiambina ao Kano: 215 ireo namoy ny ainy
- 9 Aprily 2012: Fanapoahana baomba ny Alahadin'ny Paska tao Kaduna. 38 ireo namoy ny ainy.
Tamin'ny volana Mey 2013, nanambara ny firenena latsaka an-katerena tao amin'ny firenen'i Borno, Yobe ary Adamawa ny Filoha Goodluck Jonathan izay firenena tena voakasiky ny fanafihana fampihorohoroana. Nampanantena ny filoha Nizeriana fa:
…whoever they may be, wherever they may go, we will hunt them down, we will fish them out, and we will bring them to justice. No matter what it takes, we will win this war against terror.
…na inona na inona, na aiza na aiza mety halehany, hohazaintsika izy ireo, hojonointsika izy ireo, ary hoentintsika eny amin'ny fitsarana. Tsy maninona izay vokany, handresy ity tolona amin'ny fampihorohoroana ity isika.
Na dia izany aza, nampisaona ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana ilay famonoana mahatsiravina natao tamin'ireo ankizy tsy manan-tsiny tao anatin'ny torimasony ity.
Nalahelo i Obi Asika, filohan'ny SocialMediaWeek Lagos :
Why are we killing ourselves still can't fathom this madness and those who profit on it? I'm so depressed to hear about Yobe this am #rip
— Obi Asika (@obiasika) September 29, 2013
Nahoana isika no mamono ny tenantsika ary mbola tsy mahaaisotra hatrany ity hadalana ity ary ireo izay manararaotra amin'izany? Rera-tsaina amam-panahy tanteraka aho nahare momba an'i Yobe tamin'ny maraina # rip
Kivy dia kivy i Mark Amaza, mpaneho hevitra:
Life in Nigeria is hard as it is. Those in Yobe, Borno, Southern Kaduna & parts of Plateau & Nassarawa seem to be getting a double portion.
— Mark Amaza (@amasonic) September 29, 2013
Sarotra dia sarotra tahaka izany ny fiainana ao Nizeria. Voa in-droa (toy ny tain'omby natsentsina lavabary) ireo izay ao Yobe, Borno, ao atsimon'i Kaduna sy faritra ao amin'i Lembalemba ary Nassarawa.
Mpanao gazety Abang Mercy nampahatsiahy vono olona goavana tahaka izany nataon'ny Boko Haram tamin'ny volana Jolay 2013:
Same Yobe were gunmen stormed the premises of Government Secondary School in the town of Mamudo killing 29 students and a teacher in July.
— Abang Mercy-Asu (@AbangMercy) September 29, 2013
Toy ny tao Yobe nisianà lehilahy mitam-piadiana tamin'ny Sekoli-mpanjakana ambaratonga faharoa fototra tao an-tanànan'i Mamudo izay namoizana mpianatra 29 sy mpampianatra iray tamin'ny volana Jolay.
Nnodim Blossom, mpanoratra sady bilaogera ary namana, nanao vavaka ho an'ireo namoy ny ainy:
My thoughts are with all the grieving families in Yobe. May the souls of the faithful departed rest in perfect peace. Amen!
— Nnodim Blossom (@blcompere) September 29, 2013
Mahatsiaro ireo fianakavian'ny maty izay misaona ao Yobe. Handry am-piadanana anie ny fanahin'ireo namoy ny ainy. Amena!
Henry Okelue nanontany hoe:
How can a State of Emergency, be in force in 3 States including Yobe and the body count of the innocent hasn't stopped?
— Henry Okelue (@4eyedmonk) September 29, 2013
Ahoana ny fomba hampiharana ny firenena latsaka an-katerena, amin'ireo fanjakana 3, anisan'izany i Yobe ary mbola tsy mijanona ny fanisana ireo namoy ny ainy?
Nanontany i Opeolu Abiodun :
I really feel sorry for innocent lives been killed today by Boko Haram in Yobe state. For how long shall we continue to leave with this.
— Opeolu Abiodun (@Upmajor) September>29, 2013
Mirary fiononana ireo tsy manan-tsiny namoy ny ainy androany noho ny fanafihana nataon'ny Boko Haram tao amin'ny fanjakan'i Yobe. Mandra-pahoviana no hiaretantsika izao.
Nindrana ny tenin'ilay mpanoratra Nizeriana, Chiagozie Nwonwu nanoratra hoe:
So the guns of Boko Haram coughed again. Now more mothers will wail for children who won't be coming home….
— Chiagozie Nwonwu (@mazinwonwu) September 29, 2013
Mbola nirefotra indray ny tafondron'ny Boko Haram. Ankehitriny, ho maro ireo renim-pianakaviana higogogogo ny zanany tsy hody an-trano ….