Horohoron-tany nahatratra 6.8 tamin'ny maridrefy, ary lasa 7 tato aoriana, [1] no re tany amin'ny faritra afovoany sy atsimon'i Però tamin'ny 11:43 antoandro. Nolazain'ny USGS fa tany Acari any amin'ny faritr'i Arequipa [2] no nisy ny foibeny.
Notaterin'ny haino aman-jery sasany fa kely ny zavatra simba [3] [es], toy ny vato nianjera ka mibahana ny ampahany amin'ilay làlambe Panamericana any atsimo. Tsy nisy firy ny tatitra momba ny niharam-boina.
Misy ireo tatitra fahatapahan'ny antso an-tariby, heverina ho noho ny hamaroan'ny antso avy any amin'ireo fianakaviana any anatin'ny faritra niharam-boina. Nolazain'ny [4] Ben'ny tanànan'i Acari, Carlos Mejia Quispe fa nisy trano sy sekoly izay efa triatra rava, ary ny Ben'ny tanànan'i Caraveli, faritany izay misy an'i Acari fa tsy misy fahafatesana voalaza.
Vetivety dia tonga ireo tatitra tao amin'ny Twitter ; ireto ny sasany :
El sismo ocurrió a las 11:42:40 La magnitud fue de 6.9 º al sur de las Lomas (Arequipa) con una profundidad de 30 Km pic.twitter.com/Vy5FOJtmYG [5]
— Agencia Andina (@Agencia_Andina) September 25, 2013 [6]
Tamin'ny 11:42:40 no nisehon'ilay horohoron-tany. Nahatratra 6,9° ny heriny tany atsimon'i Lomas (Arequipa) ary tany amin'ny 30 Km ny halaliny
Ese temblor estuvo algo largo, vecinos #Arequipa [7]
— Diego de la Cruz (@cruzpe) September 25, 2013 [8]
Naharitra iny horohorontany iny, ry mpiray vodirindrina an
Radio Yaraví http://t.co/JO9xiEb1yI [9] y Radio Melodía http://t.co/yT6BlfwjoI [10] reportan en vivo sobre movimiento en Arequipa.
— Manuel Igreda (@Elmejormanuel) September 25, 2013 [11]
Nitantara mivantana ny momba ilay horohorontany tany Arequipa ny Radio Yaraví sy ny Radio Melodía.
Tato aoriana kely dia nisy ireo tatitra tamin'ny haino [12] [es] sy ny lahatsary [13] [es] avy any amin'ilay faritra. Tamin'ny Twitter no tonga ny sary sy tatitra sasany avy any Acari :
Policía de Carreteras confirma desplome de cerro en Chala, #Arequipa [7] http://t.co/9OZygzk6Vc [14]
— Diario La República (@larepublica_pe) September 25, 2013 [15]
Hamafisin'ny mpitandro filaminana avy any Carrateras ny firodanan'ny havoanan'i Chala
#Arequipa [7]: poblador de Palca informó que caserío quedó aislado por fuerte #sismo [16] http://t.co/zhvDoQIZzz [17] [VIDEO]
— AméricaNoticias.pe (@noticiAmerica) September 25, 2013 [18]
Notaterin'ny olona iray avy ao Palca fa misy trano maromaro zary nitoka-monina noho ilay horohorontany mafy.
@PanamericanaTV [19] imagen de casa destruida en Acari pic.twitter.com/fySz0raJmR [20]
— Godo Ramos (@godoramos) September 25, 2013 [21]
Sarin-trano rava any Acari
Paredes rajadas y vidrios rotos de viviendas causó sismo en distrito de #Acarí [22] http://t.co/9KWWNycjZZ [23]
— Agencia Andina (@Agencia_Andina) September 25, 2013 [24]
Rindrina mianjera sy vakivakinà fitaratra avy aminà trano noho ny horohorontany nanerana ny distrikan'i Acari
Na dia nahilika [25]aza [es] ny mety hisian'ny tsunami vokatr'ilay horohorontany, misy tatitra vitsivitsy milaza tsy fetezan-javatra tany amin'ny morondranomasin'i Però :
Mollendo RT @terrape [26]: #Sismo [27]: Marea intensa se registra en Mollento, según reporta un poblador de #Arequipa [7] http://t.co/ouKaAm82Ad [28] (vía RPP)
— Marco Ascencio (@DYORKOS) September 25, 2013 [29]
Onja mahery be no tany Mollento, araka ny tatitra nataon'ny mponina iray avy ao Arequipa
Tsapa tany Lima ihany koa ilay horohorontany, saingy malefaka ny heriny ; na izany aza, dia tsy maintsy nandray fepetra ho fisorohana loza ry zareo :
#AlertaNoticias [30] Trabajadores de empresas en Dan Isidro Evacuaron tras Sismo de 6.8 dado en Arequipa pic.twitter.com/gdRD5XotUg [31] — Cecilia Gonzales (@_CeciliaGF) September 25, 2013 [32]
Nafindra toerana ireo mpiasa tany Dan Isidro rehefa nahatratra 6.8 ny herin'ny horohorontany tany Arequipa
Temblor… pic.twitter.com/NOaU9b1Qvv [33] — Milagro de Maria (@gatito_de_chifa) September 25, 2013 [34]
Horohorontany…
Nisy ihany koa tatitra avy any amin'ireo tanàna hafa ao amin'ny firenena :
@noticiAmerica [35] En Chincha, zona sísmica se sintió fuerte, felizmente no se conocen daños materiales ni personales — roger yataco (@yatacorogers) September 25, 2013 [36]
Mafy ny fandrenesana izany tany Chincha, faritra matetika isehoan'ny horohorontany, Soa ihany fa tsy nisy ny fahasimban-javatra na famoizana aina fantatra.
Temblor en la ciudad del Cusco. — cuscoenportada (@CuscoEnPortada) September 25, 2013 [37]
Horohorontany tany amin'ny tanànan'i Cusco.
@elcomercio [38] Estoy en un segundo piso en Huancayo y se dejó sentir el temblor… — jhon lopez pacheco (@jhonytolopez) September 25, 2013 [39]
Tany amin'ny rihana faharoa tany Huancayo aho no tonga ny horohorontany…
Heno tany Shili, mpifanolo-bodirindrina atsimon'i Però, ihany koa ilay horohorontany :
Regiones de #Chile [40] fueron sacudidos por el #sismo [16] en #Arequipa [7] http://t.co/6WEBOGn6jx [41] via @RadioNacional [42] #hmrd [43] — Humanity Road (@HumanityRoad) September 25, 2013 [44]
Nihovitrovitry ny horohorontany tany Arequipa ireo faritra any Shili.
Temblor grado 7 en el Peru, en Arica se sintio y fue 3 grados,
— Anastasia de Grey (@IshaArica) September 25, 2013 [45]
Nahatratra 7 tamin'ny maridrefy ny herin'ny horohorontany tany Però ; heno tany Arica izany ary nahatratra telo tamin'ny maridrefy ny heriny.
Navoakan'i Juan Arellano tamin'ny bilaogy Globalizado [46] [es] ny lahatsoratra voalohany indrindra .