Hazavana be-nà jirom-piaretan-tory nataonà mpitarika Katolika 700 hitsipahany ny fitsabahan'ny sampan-draharaham-pitsikilovan'ny fanjakana amin'ny fifidianana filoha no natao tany Seoul [ko].
Ny 23 Septambra 2013, Pretra Katolika roanjato sy masera 500 manao ny akanjony, miaraka aminò vondron'olon-tsotra, no nanao hetsi-panoherana tany Seoul Plaza. Mpanao fihetsiketsehana dimy arivo no nanatrika ilay hetsika izay naka endrika fanompoam-pivavahana ( vinavinain'ny mpitandro filaminana ho latsaky ny roa arivo) ary io no fotoana voalohany, tato anatin'ny folo taona, izay nikarakaran'ny Fiangonana Katolika fanehoan-kery goavana, amin'ny maha-vondrona azy.
Raha iverenana ny tamin'ny tapaky ny volana Aogositra, dia mpitondra fivavahana 4.500 mahery kely no nivory tao amin'ny Oniversiten'i Sogang, toerana nianaran'i Park, Filoha ankehitriny , mba hanao fanambaràna izay iantsoana ny Filoha Park mba hanao fanadihadiana sy hiala tsiny noho ilay tantara ratsin'ny sampan-draharaha fitsikilovana. Nalefan'ilay mpanao gazety Media Mongu tamin'ny lahatsary Youtube ny zava-niseho.
Nobitsihinà Pretra Katolika iray (@ngo7979) sy Masera Juliana (@nun1004) manaraka eto ireo sarin'ny hetsi-panoherana miaraka amin'ny fanehoankevitra .
더 이상 민주주의 훼손을 지켜볼 수가 없습니다. 오늘 “국정원 해체와 민주주의 회복을 위한 미사”에 첨석하신 모든 분께 고마움의 인사를 전하며 민주주의 회복을 위해 끝까지 함께해주세요~ pic.twitter.com/7Zful0Bm9s
— 세월의 더께 (@ngo7979) September 23, 2013
Tsy afaka ny tsy haninona tsy haninona intsony izahay raha mbola tandindonin-doza ny demokrasianay. Te-hisaotra ireo rehetra nanohana ny antso tamin'ny fanatrehana ny ‘lamesa iantsoana ny fandravàna ny Sampan-draharaha Nasionaly momba ny Angom-baovao – National Intelligence Service (NIS) sy hananganana indray ny demokrasiantsika’. Iangaviana ianareo hiaraka aminay hatramin'ny farany.
상식과 보편된 진리가 통하는 날까지…함께합니다… pic.twitter.com/0WddO9Zpn9
— 율리아나 수녀 (@nun1004) September 23, 2013
Hiaraka hijoro isika mandra-pandresin'ny marina sy ny fitondrantena tsara.
광장의 신부님들. pic.twitter.com/OMlejU2rVs
— 하늘걷기 (@actwalk) September 23, 2013
Ireo pretra katolika tao amin'ny Plaza no hitantsika.
300여명의 사제단 입장-서울시청관장 시국미사 pic.twitter.com/ITQfkKX6xq
— 하늘정원 (@bonghaaa) September 23, 2013
Inty no maneho ny fidiran'ny mpitondra fivavahana telonjato tao amin'ny toerana nanaovana ny hetsi-panoherana nandritra ny lamesa/hetsi-panoherana tao amin'ny Seoul City Hall Plaza.
Mpanoratra iray izay ankafizin'ny olona, i Gong Ji-young no nibitsika ny sarin'ny fivoriana ary nanoratra fanehoankevitra iray [ko] momba ny tantara lavaben'ny fampiasana ny fiangonana Katolika ho fialokalofana ho an'ny demokrasia. Ohatra, raha iverenana ny taona 1970 sy 80 rehefa nanjaka tato amin'ny firenena ny fitondràna jadona roa, dia nanjary sarintsarinà fialofana hanafenana sy hiarovana ireo mpikambana amin'ny hetsika demokratika ny Katedraly Myeong Dong ao afovoan-tanànan'i Seoul.
카메라가 눈의 감동읗 다 전하지 못하네요 pic.twitter.com/nNU98vpHyN
— 공지영 (@congjee) September 23, 2013
Tsy ho vitan'ny fakan-tsary ny haneho feno ny fihetseham-po
@congjee: 박종철 고문치사 사건도 신부님이 폭로하신. 한장의 쪽지로 시작되어 6월항쟁의 도화선이 되었죠 RT @tgs432004: <속보>천주교 사제단 시국선언문 중에 “사전에 개표결과가 조작되었다는 의혹이 있다” 처음으로 천주교 시국선언에서 투표조작을 거론합니다[…]
@congjee: Tranga iray voizinà pretra Katolika iray ny fampijaliana sy ny fahafatesan'i Park Jong-chul. Ny fahatsiarovana azy ( mitatitra ny fahafatesan'i Park) no niteraka ny Hetsiky ny Demokrasian'ny Jona – June Democracy Movement (tamin'ny 1987) RT @tgs432004: <vaovao farany> ny fanambaràna nataon'ireo Katolika mpitondra fivavahana dia misy andàlana milaza fa ‘ahiahiana efa nisy nanodinkodina nialoha (talohan'ny fandatsahambato) ny fifidianana (fifidianana filoha)’. Sambany izao no nilazan'ny fiangonana Katolika io raharaham-panodinkodinana ny resaka fifidianana io.
Efa efa-bolana mahery izao no nanoherana ny tantara ratsin'ny NIS ary manomboka tonga tsirairay ireo antokom-pinoana izay nangina hatrizay – nanomboka tamin'ny fiangonana Katolika, ireo rantsana maro avy amin'ny fiangonana Protestanta ary ny Bodista Won. Nobitsihin'ny mpiserasera amin'ny aterineto ireo fanehoankevitra hoe nahoana ireo antokom-pinoana ireo no nanaraka io hetsika io. Bitsika iray mivaky hoe :
2. “천주교가 나설 수밖에 없는 것은 정당과 사법부 등 국정원 사태 해결을 책임져야 할 주체들이 제구실을 못하고 있기 때문이 아니겠냐”고 말했다. -천주교인권위원회 이사장인 김형태 변호사
— creation (@bonaventura0) September 23, 2013
Ny anton'ny tsy maintsy nanaovan'ny Katolika izao dingana izao dia satria tsy misy mihetsika ireo mpandray anjara mahefa, toy ny antoko politika sy ny Ministeran'ny Fitsaràna, izay heverina handray ny andraikitra amin'ity raharaha NIS ity. – Ny filankevi-pitantanan'ny Komity Katolika Miaro ny Zon'Olombelona, ny Mpisolovava Kim Hyung-tae