Manao Fikotonana Hanoherana Ny Lalàna Hanaramàna Vahiny Mpitsabo Ireo Mpitsabo Ao Panama

Efitrano fiandrasana ao amin'ny hopitaly iray ao Calidonia, Panamá. Sary avy amin'ny ORBIS UK ao amin'ny Flickr (CC BY-ND 2.0)
[Mitondra mankany amin'ny fiteny Espaniôla ny rohy rehetra.]
Andiany iray ahitàna Panameana mpitsabo no nanao fitokonana tsy voafetra taorian'ny nandanian'ny Antenimieram-Pirenena ny volavolan-daàna iray nandritra ny fotoam-pivoriany faharoa, lalàna izay manome alàlana handray sy hanaràma mpiasa avy any ivelany ho amin'ny sehatry ny fitsaboana.
Andiany faharoa amin'io karazany io tato anatin'ity 2013 ity ilay fitokonana tsy voafetra natomboka tamin'ny 27 Septambra io. Ny Kaomisionam-pirenena Panameana momba ny Fifampiraharahana ara-pitsaboana (Comisión Médica Negociadora Nacional, or COMENENAL) no nandray ilay fepetra.
Ireo mpisehatry ny fahasalamana dia milaza fa ilay Lalàna 611 dia mikatsaka ny hanome ho an'ny tsy miankina ny resaka fiahiana ara-pahasalamana. Na izany aza, napetrak'i Javier Díaz, Minisitry ny Fahasalamana, nazava tsara fa ny tanjona amin'ilay lalàna dia ny hanome tolotra ara-pitsaboana ho an'ireo tany lavitra andriana sy sarotra aleha ary ho an'ireo izay tena mila izany nefa tsy manana fahafahana hankany amin'ny toeram-pitsaboana tsy miankina. La Estrella de Panamá dia mitanisa an'i Diaz ho niteny hoe, “Ary rehefa tsy afaka mandeha any aminà mpitsabo manampahaizana manokana ny olona iray, dia ny mankany amin'ireo toeram-pitsaboana tsy miankina no tsy maintsy ataony na mamonjy renivohitra. Tena tsy azoko veroka mihitsy hoe ny COMENENAL maniry ny tsy handaniana ity volavolan-dalàna ity ka tsy maintsy hitohy hitety ny Repoblika hanatona ireo toeram-pitsaboana tsy miankina hatrany ny olona eto.”
Mandritra izany, Mauro Zuñiga, mpitondra tenin'ireo avy amin'ny sehatry ny fitsaboana, dia nanao fanambaràna iray tamin'ny Telemetro, nilaza fa “tsy voaaro tanteraka mihitsy ireo mpitsabo, ny mpanampy mpitsabo, ny teknisiana, ary ny matihanina rehetra amin'ny resaka fahasalamana eo ambanin'ity tolo-dalàna ity, satria very tanteraka ny fahamarinan-toeran'ny asany.”
Napetraky ny COMENENAL mazava tsara ihany koa fa, lavitra azy ny hanohitra ilay lalàna amin'ny maha-lalàna azy, fa ny toheriny dia ny fomba fiasan'ny governemanta. La Prensa mitanisa an'i Domingo Moreno, filohan'ny COMENENAL, toy izao manaraka izao: “‘Toherinay ny dingana izoran'ilay fandraisana hiasa, toherinay ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso, ny fileferana tafahoatra, ary izany no antony itolomanay’. Tsapany fa efa ananantsika sahady ireo fitaovana ho entina mamaha ny olana. Kanefa, ny tsy fahampian'ny fahaiza-mamorona sy ny fandraisana andraikitra, ny fisalasalàna mitondra tahotra tsy hirosoana, izany rehetra izany no mitarika amin'ny toe-draharaha misy antsika ankehitriny, hoy ny fanamarihany.”
Lasa ratsy jery eny anivon'ny fiarahamonina ny tontolon'ny fitsaboana noho ireo fitakiany sy ny fitokonana matetika ataony. Iray amin'ireo resabe ny hoe, amin'ireo mpitsabo, ny sasany dia sady miasa any amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana no miasa ihany koa any amin'ireo toeram-pitsaboana tsy miankina, ary manome lanja bebe kokoa ny toeram-pitsaboana tsy miankina misy azy ireny. Miaraka amin'ity fitokonana ity, ho very karama sy mpitsidika ry zareo, izay hilàna volana maro ny mamerina azy amin'ny laoniny avy eo.
Tao amin'ny Twitter, naneho ny tsy fenekeny ny fepetra noraisin'ireo mpitsabo ry zareo Panameana .
Misy tsy fahampiana mpiasan'ny fahasalamana efa ho maherin'ny 6.000 mila fenoina ao Panama, hoy Soraya Castellano miteny amintsika :
#Panamá: paro médico por aprobación ley que permite contratación médicos extranjeros. Déficit es de más de 6,000 profesionales de la salud
— Soraya Castellano (@scastellanor) September 27, 2013
fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana noho ny fandaniana lalàna iray manome alàlana ny fanaramàna mpitsabo avy any ivelany. Tsy fahampiana mpiasa 6.000 amin'ny sehatry ny fitsaboana.
Manamarika zava-mahatsikaiky i Julio R. Gatica amin'ny trangan'ireo dokotera izay manidy ny klinikam-panjakana mba hahafahana manohy mampihodina ny klinika tsy miankina tantanany :
Estamos en “paro indefinido” médico, pero en el consultorio privado si te atendemos… Atentamente, Comenenal. #Ironico #Panama no? — Julio R. Gatica (@Mr_Gatik) September 27, 2013
Anatinà “fitokonana tsy voafetra ataon'ireo mpiasan'ny fahasalamana isika izao”, saingy hikarakara anareo ihany izahay any amin'ny biraonay manokana… Mba marina, ry COMENENAL. Mahatsikaiky, sa tsy izany?
Kianin'i Francisco Alvarez io fepetra noraisin'ireo mpitsabo io (izay ny marary irery ihany no hizaka azy) izay avy eo manome tsiny ny Ministeran'ny Fahasalamana (Minsa) amin'izay vokatra mety haterany :
Deplorable como paro médico ilógico y demagógico afecta pacientes.Al deslindar responsabilidades ciudadanos saben donde mirar. @minsa_panama
— Fco Alvarez De Soto (@FAlvarezDeSoto) September 27, 2013
Tena mampalahelo ny fiantraikan'ity fitokonana tsy araka ny tokony ho izy sy mampandry adrisa ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ity. Rehefa voateny mazava izay tomponandraikitra, fantatry ny vahoaka hoe iza no tokony homeny tsiny. @minsa_panama
Ireo Panameana hafa kosa mijery amim-pitserana ilay hetsi-panoheran'ny mpiasan'ny fahasalamana ary mahita ilay lalàna vaovao ho fiandohanà onjam-panafàrana mpiasa vahiny, toy izay anehoan'i José Gutierrez azy :
Hoy día intentan aprobar ley para traer médicos, mañana serán enfermera, maestros, abogados, ingenieros, transportistas, obreros etc #Panama
— Jammies Jons (@JoseGutierrez09) September 27, 2013
Androany ry zareo miezaka ny hampandany volavolan-dalàna iray hanafàrana mpitsabo, rahampitso ho anjaran'ny mpanampy mpitsabo, mpampianatra, mpisolovava, injeniera, mpiasan'ny fitaterana, mpiasa madinika sy ny sisa hafa koa.
Zavatra iray no azo antoka : na ny governemanta na ireo mpitsabo dia samy tsy nisy niomana ny hilefitra ao anatin'izao olana izay fitaratry ny fomba fanaon'ny governemanta amin'izao fotoana sy ny fanararaotana ataon'ireo mpisehatra amin'ny fahasalamana manoloana ny mpanjifa ny tolotra avy aminy izao. Hitohy ny fitokonana tsy misy fetra, ary ireo izay tena hiharany dia ho ny marary hatrany.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...