Tantara tamin'ny Septambra, 2013
Tolona Hanakanana Ny Fanambadian'ny Ankizy Ao Yemen
Fomba fanao mahazo vahana ao Yemen ny fanambadian'ny ankizy, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Niteraka adihevitra momba ity olana goavana ity ny tantara momba ny fahafatesan'ilay ankizivavy kely valo-taona efa manambady.
Fitroaran'ny Mpianatra Ao Shily: ‘Misy Hotantaraina’
Global Voices miresaka amin'i Pablo Navarrete, izay mamokatra horonantsary fanadihadiana miaraka amin'ny rainy mikasika ireo Shiliana mpianatra miezaka manandrana manilika ireo aloky ny lasa fony fitondrana jadon'i Pinochet.
Tsy Hangina Intsony: ” Pakistana Hafahafa”
Manana toerana vaovao hikarohany tohana ety anaty aterineto izao ireo Pakistane LGBT niafinkafina tany. Miresaka amin'ny iray amin'ireo mpanorina ny Queer Pakistan ny Global Voices.
Tsikerain'ny Vondrona Indoneziana Ho Tsy Mifanaraka Amin'ny Mahasilamo Ny ‘Oliravina Izao Tontolo Izao’
Nafindra ho avy ao Jakarta ho any Bali ny toerana. Nampanantena ny mpikarakara fa hosoloina sarong [sarona?] Balinezy ny bikinis rehefa eny amin'ny tora-pasika fa mbola nitohy ihany ny fihetsiketseha-panoherana.
Fifaninanana: Ampio Izahay Amin'ny Fanovàna Ny Anaran'ny “Roundup”
Ampio izahay amin'ny fanovana ny anaran'ny "Rising Voices Roundup" - mila anarana izahay ho an'ity gazety ity izay tsara kokoa raha manome lanja ny "Rising Voices" sy ny fahaiza-mamorona ananan'ny vondrom-piarahamoninay ! Ary hisy loka maro ny amin'izany.
Amerika Latina : “Aiza No Tena Nalehan'ireo Nanjavona?”
Ny aterineto dia loharano iray ahitana ireo fandraisana andraikitra sy tantara tsy hita faritra, izay mampahatsiahy ireo nanjavona sy ny tolona hanoherana ny tsimatimanota.
26 Oktobra: Andro Entina Mankahatra Ny Fandraràna Ny Vehivavy Tsy Hamily Fiara
Napetraky ny vondrona iray ahitàna ireo vehivavy Saodiana mpikatroka mafàna fo ny 26 Oktobra 2013 ho andro iray entina mankahatra ny fandraràn'ny fanjakàna ny vehivavy tsy hahazo mitondra fiara.
Mpanoratra Global Voices Mahatsiaro Ireo Namana Novonoina Tamin'ny Fanafihana Tsenam-barotra Tao Nairobi
Very namana i Shurufu, mpanao gazety Tanzaniana monina ao Dar es Salaam, nilaozan-dry Ros Langdon sy Elif Yavuz, izay efa niandry ny zanak'izy ireo voalohany.
GV Face : Fandrakofam-baovao Iraisampirenena Momba an'i Siria
Samihafa manakory moa ny fitaterana ny zava-misy ao Siria, miankina amin'ny toerana misy anao? Ary inona no dikan'izany ho an-dry zareo Siriana? Niresaka momba azy io sy zavatra hafa maro izahay tao amin'ny Google Hangout ny Alatsinainy 23 Sept 2013, tamin'ny 11am EST/3pm ora erantany, andiany faharoa tamin'ny GV Face-nay.
Victor Jara: Mozika Mitady Ny Rariny 40 Taona Taorian'ny Namonoana Azy
Tafahoatra ny sisintanim-pirenena ny lovan-kiran'i Victor Jara, tahaka ny antso hisian'ny rariny [fitsarana] ilàna fitakiana hamerenana ao amin'ny firenena ny iray amin'ireo miaramila namono azy efapolo taona lasa izay.