Ny 27 Septambra 2013, anjatony ireo tanora Nizeriana no nidina an-dalambe, na ny marina kokoa nankany amin'ny tranon'ny Antenimieram-Pirenena mba haneho ny tsy hafalian-dry zareo mikasika ny karama midangana sy ny tombontsoa omena ireo mpanao lalàna.
#OurNASS [1] (Our National Assembly) dia hetsika iray an'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Nizeriana Enough is Enough [2] (Ampy tena ampy) sy Nizeriana mpisera anaty aterineto vitsivitsy. Takian-dry zareo [3] ny hisian'ny fisokafana bebe kokoa amin'ny resa-bola avy amin'ny sampana mpanao lalàna manjavozavo ity :
ANGATAHANAY
- ny fitsinjarana feno sy avy hatrany ny vola 150 lavitrisa Nairas natao ho azy ireo ho an'ny taona 2013.
- ny fanaovana tatitra momba ilay 1000 lavitrisa Nairas azo hatramin'ny 2005 mialohan'ny fialantsasatra manaraka amin'ny Desambra.
- Fomba fifandraisana mandeha araka ny tokony ho izy – laharana, adiresy mailaka sy adiresin-trano misy ny birao fiasan'izy ireo.
- Ny antontan-taratasim-pifidianana REHETRA momba ny fanitsiana REHETRA araka ny lalam-panorenana.
- Takianay ny hanaovana ho fanta-bahoaka ny fandraisam-pahatongavana mamonjy fivoriana isaky ny fotoam-pivoriana tsirairay.
Ny hamaritra marina ny tarehimariky ny vola azon'ny mpanao lalàna, tahaka ny ankamaroan'ireo olana izay mila angon-drakitra mitombina/azo antoka tsara ao Nizera, dia azo lazaina ho “iraka tsy ho efa”. Na izany aza anefa, i Akin Akintayo [5] Nizeriana bilaogera sady mpikirakira vaovao dia manome tsipalotra toy izao :
Ny hiodidinana ny sakana tsy hahafahana mijery ny karaman'ireo Nizeriana mpanao lalàna dia asa sarotra tanteraka izay tsy misy na iray aza amin'ireo fikambanana manana anjara asa fanaraha-maso mahavita mandray an-tànana azy.Kanefa, rehefa nabaribarin'ny “The Economist” ny karama mihoam-pampanan'ireo Loholona Nizeriana herinandro vitsy lasa izao, tahaka izay nosoratako ao amin’ity bilaogy ity [6], dia nanaraka avy hatrany ny fampiakaram-peo, indrindra fa tety anivon'ny media sosialy izay nidika hoe tsy ho vita ny hinia tsy mahalala ary misy zavatra tsy maintsy hatao.
Inona no naboraky ny “The Economist” ? Amin'ny fanoratana tao amin'ny “Nigeria Village Square”, manazava i Femi Ajayi [7] :
Ny gazetiboky “The Economist” dia namoaka ho fantatry ny rehetra fa ireo mpanao lalàna federaly Nizeriana, miaraka amin'ny vatakaràna $189,500.00 isan-taona (N30.6m), no mpanao lalàna be karama indrindra eran'izao tontolo izao. Ny nijereny ny vatakaraman'ireo mpanao lalàna dia toa ny fampitahàna ny Harin-Karena Faobe isam-batan'olona manerana izao tontolo izao. Araka ilay tatitra, ny vatakaraman'ny Nizeriana iray mpanao lalàna (tsy tafiditra anatin'izany ireo tamby azo tsinontsinoavina) dia in-116 avo heny amin'ny Harin-Karena Faobe isam-batan'olona ao amin'ilay firenena $1,600.00.
Anaty tatitra iray hafa, ireo 469 mpanao lalàna federaly (loholona 109 ary 360 mpikambana ao amin'ny antsoina hoe Chambre des Représentants) dia andoavan'i Nizeria maherin'ny 76 lavitrisa Nairas karama isan-taona, tamby sy vola fandray isan-telovolana. Ny mpikambana tsirairay amin'ireo kaomisiona 54 mijoro ao anatin'ny Antenimieran-doholona dia mandray vola isam-bolana eo anelanelan'ny 648 tapitrisa Nairas sy 972 tapitrisa Nairas isan-taona, raha ho an'ny mpikambana ao amin'ny Chambre des Représentants kosa 35 tapitrisa Nairas hatramin'ny 140 tapitrisa nairas ny tambin-karama isan-telovolana na isan-taona; izay midika fa vinavinaina ho eo amin'ny 25 isan-jaton'ny fandaniana ankapobeny amin'ny tetibolan'ny firenena no lasa mankany amin'ny Antenimieram-Pirenena (NASS).
[…] ho takatry ny tsirairay ny antony nitakian'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny hanaisorana an'i Lamido Sanusi Lamido, Governoran'ny Banky Foibe, izay niteny indray andro izay hoe 50 isan-jato amin'ny tetibolam-panjakana no lasan'ireo mpanao lalàna federaly. Raha ampivadianao ny tarehimarika tery ambony amin'ny tetibolantsika amin'izao fotoana izao, hohitanao mazava fa ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena no tena vesatra ho an'i Nizeria; satria ry zareo no mandidy amin'ny volam-bahoaka, ary maka ny volam-bahoka ho azy ireo manokana, manao tantely afa-drakotra mangalatra amin'ireo vahoaka jamba.
How on earth can anybody justify 300 mil/annum in salaries for 360 pple at the expense of 120 mil pple in poverty? How?? #OurNASS [1]
— Kolawole Osafehinti (@kolaosafehinti) September 22, 2013 [10]
Ahoana eto ambonin'ity tany ity no hahafahana manamarina karama 300 tapitrisa/taona ho an'olona 360 ka hamelàna vahoaka 120 tapitrisa ho anaty fahantrana? Ahoana? #OurNASS [1]
— Kolawole Osafehinti (@kolaosafehinti) 22 Septambra 2013 [10]
Royal Amebo (@RoyalAmebo [11]) nanamarika hoe :
Quarterly allowance of each member of d House of Representatives was increased to N27 million in March 2012. are we still watching #OurNASS [1]
— Ask#OurNASS•26/09/13 (@RoyalAmebo) September 21, 2013 [12]
Nakarina ho 27 tapitrisa Nairas ny tamby fanome isan-telovolana ho an'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Chambre des Représentants tamin'ny Martsa 2012. dia mbola hitazana hatrany ny #OurNASS [1] ve isika?
— Ask#OurNASS•26/09/13 (@RoyalAmebo) 21Septambra 2013 [12]
Nnamdi Anekwe-Chive (@nnamdianekwe [13]), manampahaizana manokana amin'ny resaka fiarovana, dia te-hahafantatra hoe mba nahavita inona moa ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta :
All the members of the National Assembly are collective failure. What have they achieved since 1999 other than sharing trillions? #OurNASS [14]
— Nnamdi Anekwe-Chive (@nnamdianekwe) September 18, 2013 [15]
Samy tsy fahombiazana tambabe daholo ry zalahy mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao. Inona no mba zava-bitany hatramin'ny 1999 afa-tsy ny mifampizara vola an-davitrisa?
— Nnamdi Anekwe-Chive (@nnamdianekwe) 18 Septambra 2013 [15]
Zainab Usman (@MssZeeUsman [16]), mpanoratra sady bialogera, nanoratra hoe :
Young Nigerians demand for transparency & accountability from the National Assembly #ournass [17] pic.twitter.com/8egSN9buUH [18]
— Zainab Usman (@MssZeeUsman) September 26, 2013 [19]
Mitaky mangarahara sy fandraisana andraikitra avy amin'ny Antenimieram-pirenena ireo tanora Nizeriana #ournass [17] pic.twitter.com/8egSN9buUH [18]
— Zainab Usman (@MssZeeUsman) 26 Septembra 2013 [19]
Emerie Udechukwu (@emerieconqueror [20]) nizara rohy mankany aminà lahatsary iray avy amin'ilay hetsi-panoherana :
Senators issued outdated pay slip to #ournass [17] protesters. http://t.co/dpKkdnUCIK [21]
— Emerie Uduchukwu (@emerieconqueror) September 27, 2013 [20]
Taratasy fandraisan-karama efa lany andro taloha elabe no natolotr'ireo Loholona ho an'ireo mpanao hetsi-panoherana avy amin'ny #ournass [17] http://t.co/dpKkdnUCIK [21]
— Emerie Uduchukwu (@emerieconqueror) 27 [20] Septambra 2013
Nanohana ilay hetsi-panoherana i Nuhu Ribadu [22](@NuhuRibadu [23]), filoha teo aloha tao amin'ny masoivoho Nizeriana miady amin'ny kolikoly :
Yes, we need transparency and accountability in all sectors. I support full disclosure #OurNASS [1]
— Nuhu Ribadu (@NuhuRibadu) September 26, 2013 [24]
Eny, ilaintsika ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra amin'ny sehatra rehetra. Tohanako tanteraka ny fanaovana ampamoaka #OurNASS [1]
— Nuhu Ribadu (@NuhuRibadu) 26 Septambra 2013 [24]