Mahazo Fanohanana Antserasera Ny Filoha Am-perinasa Tadjik

Raha nanjary anisan'ny voalohany nokendrena hihomehezana ao amin'ny aterineto ny filoha Emomali Rahmon ao Tajikistan, mikasika ny fifidianana amin'ny 6 Novambra,  nahazo fanohanana tsy nampoizina avy amin'ireo mpiserasera sasantsasany ity miaramila menavazana teo aloha ity. Enina herinandro latsaka alohan'ny handehanana hifidy filoham-pirenena, nilaza ireo bilaogera marobe fa hifidy an'i Rahmon izay efa nitondra ny firenena nanomboka tamin'ny taona 1992 izy ireo.

Tao amin'ny bilaogy ASIA-Plus, Alisher Ko nilaza [ru] fa “tsy mila filoha hafa afa-tsy i Emomali Rahmon” i Tajikistan:

Потому что он зарекомендовал себя, он – личность, он стал неким примером для подражания более молодым политикам, он вытащил страну из кризиса, сделал все возможное, для того чтобы мы сейчас жили более-менее сносно. Не побоюсь этого слова, если скажу, что Эмомали Рахмон стал брендом нашего государства…

Заслуги Эмомали Рахмона в обеспечении мира и спокойствия, единства и сплоченности таджикского народа очевидны…

Satria nampiseho ny lanjany izy; olona mahery izy; nanjary ohatra alain'ireo tanora mpanao politika tahaka izy; nitondra ny firenena nivoaka tamin'ny krizy izy; ary nanao izay vitany mba hahafahantsika mivelona amin'ny antonony ankehitriny. Holazaiko tsy am-pihambahambana ihany koa fa nanjary mariky ny firenentsika i Emomali Rahmon…

Mibaribary ny fandraisana anjaran'i Emomali Rahmon hisian'ny fandriampahalemana sy ny fahamarina-toerana, firaisana sy ny firaisankinan'ny vahoakan'i Tadjik…

Hoy ilay bilaogera nanampy [ru]:

Еще такой немаловажный момент. Президент должен нести личную ответственность за судьбу нашей государственности. Нам нужен «свой де Голль», у которого в одной руке была демократия, а в другой меч против хаоса и вседозволенности, которая используется для распада государства. Президент должен быть львом и лисой одновременно… Под все эти характеристики подпадает никто иной, как Эмомали Рахмон.

Misy zavatra hafa ihany koa. Tokony ho tompon'andraikitra manokana amin'ny hoavin'ny firenentsika ny filoha. Mila “de Gaulle” [jeneraly sy filoham-panjakana Frantsay, filoha voalaza fa olo-be ao amin'ny Frantsa moderna] antsika manokana isika, izay mitàna ny demokrasia amin'ny tanana iray ary sabatra amin'ny tanana hafa, ka hampiasa [ny sabatra] amin'ny tsy fahombiazana sy ny gaboraraka izay mitondra ho amin'ny firodanan'ny Fanjakana. Tokony ho liona no sady fosa ny filoha… Tsy misy olona mahafeno ireo fepetra ireo kokoa noho i Emomali Rahmon.

A giant portrait of the president mounted on the building of the Ministry of Agriculture in central Dushanbe. Image by Alexander Sodiqov, July 2013.

Afisy lehibe misy ny sarin'ny filoha mihantona eo amin'ny tranoben'ny Ministeran'ny Fambolena ao Dushanbe. Sary avy amin'i Alexander Sodiqov, Jolay 2013.

Mpanoratra ao amin'ny bilaogy hafa, “Russkaia Letopis’ Tadzhikistana” [Ireo vaovao rosiana ao Tajikistan], nanazava [ru] ny antony hifidianany ny filoha menavazana ao Tajikistan: 

[Я] считаю, что в существующих на сегодняшний день условиях нет кандидата на президенсткий пост лучше, чем он. Во-первых, мы знаем кто он, чего от стоит, и чего от него можно ожидать. Известность всегда лучше, чем неизвестность. Во-вторых, Рахмон при всех его недостатках человек очень сильный, способный принимать волевые решения. В-третьих, мне глубоко симпатизируют его приоритеты по развитию Таджикистана…

Как и любой человек, Рахмон конечно не без изъянов, и проблем в период его пребывания у власти в Таджикистане хватало. Однако я на данный момент не вижу никого, кто мог бы хотя бы попытаться решить эти проблемы лучше, чем он.

Mino aho fa tsy misy kandidà mendrika kokoa ho filoha ankoatraan'i [Rahmon] amin'izao fotoana izao. Voalohany, fantatsika hoe iza izy, inona no maha-mendrika azy, ary inona no azontsika andrasana aminy. Tsara kokoa ny mahafantatra noho ny tsy mahafantatra. Faharoa, amin'ireo kilemany rehetra, olona mahery i Rahmon, mahay mandray fanapaha-kevitra sarotra. Fahatelo, manohana am-pahatsorana ireo laharam-pahamehany amin'ny fampandrosoana an'i Tajikistan aho…

Tahaka ny olombelona rehetra, olona manana kilema i Rahmon; ary nanana olana marobe i Tajikistan nandritra ny fitondrany. Na dia izany aza, tsy mahita olo-kafa aho amin'izao fotoana ka farafaharatsiny afaka hamaha ireo olana ireo kokoa noho izy.

Zavatra hafa mihitsy kosa no manosika ilay bilaogera Tojikzaminazy hanohana ny filoha ankehitriny. Hoy izy nanoratra [tj]:

Сабаби муҳимтарини дастгирии ман аз номзадии “Ҷаноби Олӣ” дар он аст, ки ӯ аллакай аз бист сол зиёд шуд ки давлатро роҳбарӣ мекунад. Чуноне ки халқ мегӯяд, ӯ аллакай аз дуздиву ришвахӯрӣ “сер шуд”. Кӯдакону хешовандонаш ҳам сер шуданд. Акнун ба мардуми оддӣ ҳам кам-кам аз дастовардҳои афзоиши иқтисодӣ мерасад.

Дигар кас раисҷумҳур шавад агар пеш аз ҳама худашро ва кӯдакону хешовандонашро сер мекунад. Дан ин сурат чанд соли дигар мардуми оддӣ сахт алам мекашад.

Ана аз ин сабаб ман ба Эмомалӣ Раҳмон овоз медиҳам. Раиси сер аз раиси гушна беҳтар аст.

Ny antony lehibe hanohanako ny kandidà [Emomali Rahmon] dia satria efa nitondra ny firenena nandritra ny 20 taona mahery izy. Araka ny filazan'ny olona, efa “leon'ny” fangalarana sy ny fandraisana kolikoly izy. Leo toy izany ihany koa ireo zanany sy ny fianakaviany. Ankehitriny, afaka manararaotra ny fandrosoan'ny toekaren'ny firenena ny vahoaka. 

Raha olo-kafa kosa no lasa filoha, ny “hamoky” ny tenany sy ny zanany ary ny fianakaviany aloha no ho ataon'izy ireo voalohany. Amin'izany, hitohy hijaly ny vahoaka tsotra mandritra ny  taona maro. 

Izany indrindra no antony hifidianako an'i Emomali Rahmon. Tsaratsara kokoa ny filoha efa voky noho ny noana.

Koa na dia eo aza ny buzz (laza) amin'ny media sosialy momba ny fisian'ny kandidà filoham-pirenena vehivavy voalohany Oynikhol Bobonazarova ao Tajikistan, mahazo fanohanana avy amin'ireo mpiserasera ao amin'ny firenena ihany koa ny filoha am-perinasa ankehitriny. Mbola lehibe kokoa izany fanohanana izany eo amin'ireo vondrona mpifidy maro an'isa Tajikistani izay monina ivelan'ny faritra andrenivohitra ary tsy manana aterineto. Araka ny filazan’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity ao amin'ny bilaoginy manokana, tsy mahafantatra ireo kandidà hafa ankoatra an'i Rahmon ny ankamaroan'ny mpifidy ao Tajikistan ary tsy miraharaha fifidianana mihitsy. Noho ireo manampahefana miezaka mafy mitàna izao fandeha-javatra izao , azo antoka fa handresy mora foana amin'ny fifidianana hoavy i Emomali Rahmon

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.