GV Face: Mampita Ny Siokan'ny Mpampihorohoro? Ilay Fanafihana Tao Westgate

Nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny fielezam-baovao momba ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao amin'ny tsenambarotra Westgate teo Nairobi, Kenya, ny tambajotra sosialy saingy miely miaraka amin'ny hafainganan'ny vaovao ihany koa ny vaovao tsy voamarina, ka tafiditra amin'izany ny an'ny fitondrana, ny mpampihorohoro, ny mpanao gazety ary ny olom-pirenena ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Inona marina no lazainy amintsika momba taorian'iny fanafihana mandravarava ny olom-pirenena Kenyana iny?

Misy lanjany ve izay taterin'ny gazety, raha mitady ny teny ifankafantarana mandeha ao amin'ny Twitter izay rehetra te-hitady ny zavanisy marina?

Tamin'ny Zoma 27 Septambra 2013, namaly momba ireo fanontaniana ireo sy ny fanontaniana hafa ihany koa ny ekipan'i GV faritra Afrika atsimon'i Sahara-  Ndesanjo Macha, Njeri Wangari,  Omar Mohamad  ary Collins Mbalo ao amin'ny andiany Google Hangout GV Face.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.