- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Minisitra Ogandey: Mangataka Haolana Ny Vehivavy Manao Fitafy Miboridandridana

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
A screenshot from the petition calling for the minister's resignation.

Pikantsary tamin'ny fanangonan-tsonia mitaky ny fialàn'ny minisitra.

Araka ny voalazan'ny Minisitry ny Tanora ao Oganda [1] Ronald Kibuule, mangataka haolana ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika, ary ireo voarohirohy ho nanolana vehivavy tahaka izany dia tokony havotsotra. Nilaza ihany koa izy fa amin'ity raharaha fanolanana ity, tokony hanamarina tsara ny fomba fitafin'ilay niharam-boina aloha ny polisy, ary raha hita fa manao fitafy miboridandridana izy ireo, dia tokony voampanga ihany koa satria nitady ilay heloka.

Tao amin'ny Faritra Kajara, Distrikan'i Ntungamo no nanaovan'i Kibuule ilay fanehoa-kevitra tamin'ny Asabotsy 21 Septambra 2012, raha nanatrika ny fampahafantarana ny Koperativa Fampandrosoana ny Tanora sy ny Orinasa fametraham-bola Tahiry ao Kajara izy. Nivoaka tao amin'ny gazety Daily Monitor [1]ao Oganda tamin'ny 24 Septambra 2013 ilay fanehoan-kevitra. Na dia izany aza, tsy nanazava ny votoaty izay nanaovany fanehoa-kevitra ilay lahatsoratra.

Nampanantsoin'ny [2] parlemanta ilay minisitra mba hitondra fanazavana momba ilay fanehoa-kevitra nataony tamin'ny herinandro lasa.

Namaly izany fanehoa-kevitra izany tamim-pahatezerana ireo mpiserasera Ogandey tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Kibuule [3] ao amin'ny Twitter. Ireo izay mitaky ny fialàny kosa nampiasa ny teny ifankafantarana #KibuuleMustGo [4] sy #KibuuleOut [5].

Mitaky ny fialàn'ny minisitra ny fanangonan-tsonia [6] tao amin'ny Change.org:

By these words, Mr. Kibuule is promoting the rape of women based on their dress code; he is excusing rapists for their crimes against supposedly scantily clad women and; he is ensuring that victims of rape are afraid to come forward for fear of being persecuted for being raped. He should lose his position immediately since he clearly does not represent the well being of his constituents.

Amin'izany fiteny izany, mampiroborobo ny fanolanana vehivavy arakaraky ny fomba fitafiny Andriamatoa Kibuule, mamela ireo mpanolana vehivavy izay voalaza fa manao fitafy manify miboridandridana izy, ataony izay hampatahotra ireo iharan'ny fanolanana mba tsy hisehoseho sao ho voampanga satria voaholana. Tokony hiala amin'ny asany avy hatrany izy, satria mazava fa tsy mitondra izay mahasoa ho an'ireo nifidy azy izy.

Rosebell Kagumire (@RosebellK [7]), mpanao gazety antserasera Ogandey nanoratra hoe:

ankizy 4000 ao avaratr'i #Ouganda no voaloto (voaholana) isan-taona, sahiko ny manao fanamby fa heverin'i #kibuule fa mpihantsy (mitady haolana) izy ireo! Adala tonga eo amin'ny fitondrana!

Wandera Samuel (@wandyBlackstig [11]) nandinika izay niavian'izany eritreritry ny minisitra izany:

Mipetraka eo ambonin'ny seza-lava i #kibuule| mikarokaroka fantsona amin'ny fahitalavitra! mihaotra baolina| mieritreritra ny tenany —> fa tokony ho voaolana ireo tovovavy manao zipo fohy

Linda (@LindaNEK [13]), vehivavy mpandraharaha Ougadey, namazivazy ny fahefana ara-moralin'ny minisitra:

     Tsy manam-pahaizana ara-moraly i #Kibuule amin'ny fanomezana hevitra mivaingana mikasika ny olana ara-pitondra-tena indrindra raha izy mampirafy no jerena @DailyMonitor

Mark Namamanya (@mnamanya [17]), mpanao gazety ara-panatanjahatena, nahita hoe:

Amin'ny ankamaroan'ny fiarahamonina, ilay clown #Kibuule dia mety hanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mikasika ny fametra-pialana androany. Indrisy, tsy mitovy amin'ny fiarahamonina hafa i Ouganda

Gordon G Ananura (@NgabiranoIV [19]) niombon-kevitra tamin'ireo izay namazivazy ny minisitra:

@eshbankwesiga [20] @iDEASUG [21] : Efa fantatro fa vazivazy ny nataon'i Minisitra #Kibuule [14]

Na dia izany aza, Ogandey sasany tahaka an'i Ibrahim Batambuze (@TheBigPapaa [23]) nanohana ny hevitry ny minisitra:

@Mr_Bata_ [24] miombo-kevitra aminao tanteraka. Raha avelanao hidanadana ny varavaranao ary voaroba ianao avy eo, iza no omena tsiny noho ny fahadalanao? #Kibuule [14]