Tantara tamin'ny 27 Septambra 2013
GV Face: Mampita Ny Siokan'ny Mpampihorohoro? Ilay Fanafihana Tao Westgate

Mivantana amin'izao fotoana izao Google Hangouts. Inona ny marina lazainy amintsika momba iny fanafihana mandravarava ny olom-pirenena Kenyana iny?
Arabia Saodita – Sady Voatifitra Ianao no Mbola Voasazy Vokatr'Izany
Voatifitra teo amin'ny ambavafony nandritra ny hetsi-panoherana iray tamin'ny taona lasa tao Qatif i Jalal Al-Qattan. Voasambotra izy nanomboka teo ary nohelohina higadra telo taona. Maneho hevitra ny mpisera anaty aterineto.
Tsy Mifandray Tanàna Etazonia Sy Iran, Saingy Mitoetra Ny Fanantenana
Samy nikabary teo anoloan'ny Firenena Mikambana ireo filoha roalahy Obama sy Rouhani nandritra ny fivoriana Itambaramben'ny Firenena Mikambana, ary samy nanome tsirim-panantenana ny amin'ny ho fifandraisana any aoriana, saingy tsy dia betsaka loatra-.
Minisitra Ogandey: Mangataka Haolana Ny Vehivavy Manao Fitafy Miboridandridana
Nampanantsoin'ny Antenimiera ny Minisitry ny Tanora ao Oganda mba hitondra fanazavana mikasika ny fanehoa-kevitra nataony.
Fanafihana Tsenambarotra Tao Nairobi Nanome Aingam-Panahy Fitaovana Vonjy Taitra An-Tserasera Roa
Ny Ping hanampy ny fianakaviana hamantarany haingana raha tsy misy maninona ny ao aminy raha misy ny vonjy taitra ary ny Blood Donation Kenya kosa mampifandray ny ivon-toerana fanomezan-dra amin'izay te-hanolotra fanomezana.