- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsikerain'ny Vondrona Indoneziana Ho Tsy Mifanaraka Amin'ny Mahasilamo Ny ‘Oliravina Izao Tontolo Izao’

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
Muslim demonstrators hold posters rejecting the Miss World 2013 in Jakarta. Photo by dharma wijayanto, Copyright@Demotix (9/3/2013)  [1]


Mpanao fihetsiketsehana miozolomana mitazona sora-baventy manohitra ny fanatontosana ny Oliravina izao tontolo izao 2013 ao Jakarta. Saripikan'i dharma wijayanto, Copyright@Demotix (9/3/2013)

Nahatery ny governemanta hanaisotra [2] ny fanatontosana ny fifaninanana hatsaran-tarehy Oliravina izao tontolo izao 2013 ao an-drenivohitra Jakarta ny fihetsiketsehana manerana ny firenena nokarakarain'ny vondrona islamika indoneziana tarihin'ilay antoko mampiady hevitra Front Pembela Islam (FPI). Mbola hotontosaina amin'ny 28 septambra ihany ny lanonana saingy any Bali, nosy izay ny Haindò kosa no maro an'isa ao aminy ny toerana [3] hanatontosana izany.

Arangarangan'ny vondrona miozolomana tahaka ny FPI fa ‘tsy Islamika’ ity fifaninanana Oliravina Izao Tontolo Izao ity. Nandrahona ry zareo fa horavàny ny lanonana ary hanatontosa hetsi-panoherana maro kokoa raha mamela io fifaninanana io hitohy ny governemanta. Indonezia moa no firenena be Miozolomana indrindra manerana ny tany.

Ho setrin'ny hetsi-panoherana dia nampanantena ny mpikarakara ny Oliravina Izao Tontolo Izao fa hosoloina sarongs Balinezy ny bikinis rehefa tonga eo amin'ny seho miompana amin'ny eny amin'ny tora-pasika. Saingy tsy naharesy lahatra ny mpitarika miozolomana izay mbola niantso ny mpanaraka azy hanohitra ny lanonana izany tolo-kevitra izany.

Diso fanantenana tamin'ilay hetsi-panoherana i @riotuasikal ary mitsipaka ny fomba fijery tery ao amin'ny kolontsaina Indoneziana [4]:

But what is budaya Indonesia (Indonesian culture) exactly, is that wearing kebaya not bikini, speaking bahasa Indonesia not English, and dancing kecak not ballet? Then we automatically judge a women as not Indonesian just because she is wearing a tank top, and is budaya Indonesia that simple? Oh no, sometimes we don’t realize that we have simplified our high cultural values into just those symbols. If we do so, please prepare yourself for symbol war.

Fa inona marina tokoa ny budaya Indonesia (kolontsaina Indoneziana), ilay mitafy kebaya fa tsy bikini ve, ilay miteny bahasa Indonesia fa tsy anglisy ve, ary mandihy kecak fa tsy ballet ve? Avy eo isika mitsaratsara ny vehivavy ho tsy Indoneziana noho ny fitafiany ‘débardeur’, ary fa angaha tsotra tahaka izany ny budaya? Tsia kosa e, indraindray isika tsy mahatsapa fa tsorintsika ho amin'ireny sariohatra ireny monja ny soatoavintsika ambony. Raha manao izany isika dia miomàna amin'ny fanaovana ny sariohatry ny ady.

Tohina [5] i Tsara ny Fiainana (Life is Beautiful) tamin'ny fahitana nireo mpifaninana Oliravina mianjaika ny fitafim-pirenena Indoneziana nandritra ny sehom-panokafana [6]:

I watched the part of the show, Nusantara Parade, I think it was all joke. How can we “force” people to wear our national custom. It supposed wear with pride, but look how clumsy they wore them. Compare with usual parade when all contestant wear their own national custom, we missed all the bright happy contestant's face while they were wearing their national custom.

Nijery ny sombintsombin'ny seho, edinedina Nusantara, aho ary nieritreritra fa kihanihany daholo ireny. Ahoana no “hanerena” ny olona hianjaika ny fitafim-puirenentsika. Heverina mba hotafiana amim-pireharehana iny, saingy jereo ny jonitr'ireo mitafy azy ireny. Ampitahao amin'ny edinedina mahazatra rehefa samy mianjaika ny fitafim-pireneny nentin-drazana avokoa ny mpifaninana rehetra, tsy hitantsika ny endrika falifalin'ny mpifaninana rehefa mitafy ny an'ny fireneny ry zareo

Nampahatsiarovin'i Randomness Thing tamin'ny mpanao fihetsiketsehana fa firenena lahika [7] i Indonezia:

Indonesia is not an Islamic country. The constitution is clear about that and in fact we have various religions: Islam, Christian, Catholic, Hindu, Buddha, and others. What might be “haram” for you does not necessary apply to others.

Forcing your way to boycott the contest single handedly is the act of intolerance to others because clearly you are not open to discussion with other people.

Tsy firenena Islamika i Indonezia. Mazava ny lazain'ny lalampanorenana momba izany ary raha ny marina dia misy fivavahana isan-karazany eto amintsika: Islam, Kristianina, Katolika, Haindò, Boddha, ary ny hafa. Izay mety ho “haram” aminao tsy voatery mihatra amin'ny hafa.

Ny fanerenao manao fahirano mandeha irery dia fihetsika tsy fahazakàna ny hafa satria miharihary fa tsy misokatra hiady hevitra amin'ny olona hafa ianao

Notsikerain'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho porofo hafa amin'ny fiakaran-danjan'ny mpitari-pivavahana tsy mahazaka ny fisian'ny hafa [8] ao amin'ny governemanta ny fanapaha-kevitra hanova ny toerana hanatontosana ny fifaninanana. Saingy nandrisika [9] ireo vondrona ireo hitsikera ihany koa ny hatsaran-tarehin'ny mpifaninana i Angry Magpie:

Personally I would be rather surprised if Human Rights Watch supported Miss World – beauty pageant is not exactly an issue that progressive human rights groups traditionally pursue. If anything, I'd much rather see HRW criticising beauty pageant whilst maintaining that the government should not be so easily coerced by radical groups.

Raha izaho manokana dia ho gaga aho raha manohana ny Oliravina Izao Tontolo Izao ny Human Rights Watch – tsy resaka arahin'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona loatra ny fampitaha hatsaran-tarehy. Raha izay, aleoko lavitra mahita ny HRW mitsikera ny fampitaha hatsara-tarehy sady mifikitra hoe tsy tokony ho mora voatsindrin'ny vondrona radikaly.

Tian'i William Pesek ho any amin'ny lohahevitra hafa ny ‘fahatezerana diso toerana’ [10] :

My question is, why the misplaced anger? Where’s the outrage over obscene levels of graft, which eats up national wealth and forces 115 million Indonesians to live on less than $2 a day? Where are the placards condemning policies that have made the rupiah Asia’s most pathetic currency? Why don’t we hear chants demanding greater accountability from leaders?

Ny fanontaniako, nahoana no misy io fahatezerana diso toerana io ? Aiza ny fahatafintohinana eo amin'ny lafiny kolikoly tsy fampiseho masoandro, izay mitroka ny harem-pirenena sy ny hery iveloman'ny Indoneziana 115 tapitrisa mandray vola latsaky ny  $2 isan'andro ? Aiza ny sora-baventy manameloka ny politika manao izay mahatonga ny Ropia ho vola marary indrindra ? Maninona raha mba miray saina isika mitaky fandraisana andraikitra sy mangarahara eo amin'ny fitantanan-draharaha bebe kokoa avy amin'ny mpitondra antsika?

Nana Bali manamarina [11] fa faly ny mponina any Bali amin'ny fanatanterahana any amin'ny nosin-dry zareo ny lanonana:

meanwhile, Bali is calm, peace and no people are thinking the contest will bring a bad thing for us

Mandritra izany fotoana izany, tony, milamina i Bali ary tsy misy olona mieritreritra fa hitondra zavatra ratsy ho anay ny fifaninanana

Indreto ny sasantsasany amin'ny fihetseham-po ao amin'ny Twitter:

“…ny hafatra tokana eo ampandefasana amin'izao fotoana izao amin'izao tontolo izao dia hoe mihamaka an-tendrony ny Islam ao Indonezia”

Tsy ny Indoneziana rehetra RT @AlArabiya_Eng [13]: ‘Tontolo Miozolomana: Manana ny valiny atao amin'ny Oliravina izao Tontolo izao ny Indoneziana

Izany hoe nolazain-dry zareo fa fifaninanan'ny mpivaro-tena ny Oliravina Izao Tontolo Izao. Tsy azoko an

Raha tian'ny FPI ny hanasa ny fahotan'i Bali dnoho ny Oliravina Izao Tontolo Izao, Maninona raha tsy natomboky ry zareo tamin'ny trano fandihizana aloha ? Tsy azoko

Lanonana hanoloana izany ny fanatontosana fifaninanana hatsaran-tarehy Muslimah World [22] izay nomena anarana ho “Setriny ataon'ny Islam amin'ny Oliravina izao tontolo izao”. Notontosaina tao Jakarta ny fifaninanana izay hanaovan'ny mpifaninana tsianjery ny Korany mandritra ny seho. Takiana ny fitiavam-bavaka sy ny fahaizana ary ny fahaiza-mitondra tenan'ireo mpifaninana.