Victor Jara: Mozika Mitady Ny Rariny 40 Taona Taorian'ny Namonoana Azy

Foto de Gerardo Espíndola

Sarin'i Gerardo Espíndola

Ny alin'ny 15 Septambra 1973, Navoaka avy amin'ny filaharan'ny gadra tao amin'ny kianjabe Chile ho entina any amin'ny kianjabe National, toera-pitazonana gadra hafa nandritra andro maromaro manaraka ny fanonganam-panjakana nataon'i Pinochet i Victor Jara. Izay no fotoana farany nahitan'ny rehetra azy velona ankoatra ny miaramila. Ny marainan'ny 16 Septambra, hita niaraka tamin'ny lasibatra enina hafa teo ivelan'ny Toeram-pandevenana ao Santiago ny vatany rotiky ny bala.

Naharitra telopolo taona mahery ny nikarohan'ny rafi-pitsarana Shiliana hamantarana ireo miaramila valo tafiditra amin'ity raharaha ity, ary efa mandeha ny fangatahana amin'ny fitondrana any Etazonia ny hampodiana ny iray amin'ireo [nahavanon-doza].

Fitaova-piadiana teny ampelatanan'ny ao amin'ny miaramila ao Chile no nanapitra bala 44 namonoana an'i Victor Jara. Saingy lasa olo-malaza tao an-tanindrazany ilay mpihira folk; ary ankehitriny, 40 taona taorian'ny famonoana, lasa olomangan'ny mpihira sy ireo mpankasitraka azy manerana ny tany izy.

Vao tamin'ny herinandro teo, tamin'ny fampisehoana voalohany nataony tao Chile, nampiato ny fandaharan-kira mahazatra azy ilay rocker Bruce Springsteen ka nihira ny “Manifiesto”, iray amin'ny hira mampiavaka an'i Jara. Fahatsiarovana avy amin'ny mpamoron-kira iray manana ny heriny ho an'ny anankiray hafa izany, manisy fitomboka indray mandeha ho an'ny rehetra ny halehiben'ny tsangan'asan'ilay artista Shiliana eo amin'ny sehatra manerantany. “Raha mpikatroka ianao sady mpihira, dia mbola mitoetra ho fakana aingam-panahy i Victor Jara”, hoy i Springsteen.

“Yo no canto por cantar, ni por tener buena voz. Canto porque la guitarra tiene sentido y razón. Tiene corazón de tierra y alas de palomita. Es como el agua bendita, santigua glorias y penas” (Manifiesto).

“Tsy mihira mba te-hihira aho, na hampiseho ny feo mangako. Mihira aho satria manana ny dikany ny gitara ary manana ny antony. Vita amin'ny tany ny fony ary avy amin'ny voromailala ny elany. Tahaka ny rano voahasina izany, manamasina ny fiderana sy manasitrana ny ratra.” (Manifiesto)

Niampita haingana ny sisintany ny lafiny anaty lalin'i Chile lazain'i Jara taorian'ny nisian'ny olona namono azy. Tamin'ny 22 Septambra 1973, voamarik'ilay mpijery kintana Sovietika Nikolai Stepanovich Chernykh ny tainkintana [asteroid] 2644, izay mihodidina ny masoandro ihodinan'ny tany misy antsika, ka nanome anarana ilay tainkintana ho Victor Jara Victor Jara, noho ny fihetsehampo tamin'ny nandrenesany ny namonoan'ny sasany azy

Efa lasa kintana [star] eny an-danitra ny anarany. [Star] Mpihira rock mpioko, saingy mioko manam-poto-kevitra, hoy ny gazety-boky Rolling Stone, tamin'ny Jona 2013, izay namoaka ny “15 rock & roll rebels” [Ireo mpihira rock & roll mpioko 15] , nametraka azy hiaraka amin'i Nirvana, Jerry Lee Lewis sy ny Sex Pistols, ankoatra ny hafa :

The love and justice songs of Chilean folk singer Victor Jara were apparently so threatening to the military leaders who staged the nation's 1973 coup that they had to murder him.

Nampatahotra fatratra ny lehiben'ny miaramila nanao ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1973 ny hiram-pitiavana sy mitady ny rariny an'ilay mpihira folk Shiliana ka tsy maintsy novonoin-dry zareo

Mural of Victor Jara in Santiago, Chile. Photo by Gerardo Espíndola.

Sarin'i Victor Jara lokoina amin'ny rindrin'i Santiago, Chile. Saripikan'i Gerardo Espíndola.

“¿Fa aiza izay rock & roll ao amin'ny Victor Jara” hoy ny fanontanian'ny sasany. Ao amin'ny zavatra rehetra izay nataony. Ohatra iray amin'izany tamin'izy nandrakitra ny “El Derecho de Vivir en Paz” [ny zo hiaina am-pilaminana] [es], izay nahitana gitara elektrika sy niarahana tamin'ny tarika rock Los Blops [es]. Ho an'ny maro, mariky ny imperialisma amerikana io fitaovam-pitendrena hira io saingy famantarana hafa ny fahaiza-mamorona ananany kosa ho an'i Jara

Tao amin'ny andraikitra mahatalen'ny teatira azy, dia nanatontosa sy nandrafitra indray ny Viet Rock, tonony sy feonkira nosoratan'i Megan Terry i Victor Jara, ka nampifantoka azy hitodika kokoa amin'ny fomba fijery manohana ny Vietnamiana. Nandravaka ny asa [tamin'ny soradihy] kosa ny vadiny Joan Jara. Natondron-dramatoa tao amin'ny tafatafa nivoaka tao amin'ny bilaogy Palabra Callejera [es] fa:

El rock estaba como en el movimiento de la producción de algunas cosas, tremendamente movido… Víctor era un gran coreógrafo, y se movía en la acción en toda la sala, y eso digamos es el espíritu rock, yo creo que es el espíritu rock que se produjo ahí.

Tahaka ny mpanetsika nampandroso zavatra ny Rock…mpahay soradihy ikoizana i Victor ary nanetsiketsika an-tsehatra sy nanerana ny efitrano, ary izay no toetran'ny rock; toetra izay inoako ho fanahin'ny rock tamin'ny namoronana azy.

Jara ilay Manerana izao rehetra izao

“Lokoy ny tanananareo dia nandoko ny tany manontolo ianareo,” hoy i Tolstoy. Nahariharin'ny lova navelan'i Victor Jara izany: Hery mpanorina manerana izao rehetra izao ny folk sy ny rock.

Rehefa maty i Victor dia nanoratra momba azy ilay poeta britanika Adrian Mitchell ka nanolotra izany an'i Joan Jara rehefa nandalo tany Angletera ity farany; novakiana nandritra ny fampisehoana natao hanampiana ny niharam-boinan'ny jadona shiliana nokarakarain'ny mpihiran'ny hetsi-panoherana amerikana Phil Ochs [es] tao Etazonia izany tononkalo nosoratany izany. Efa tafahoana tamin'i Victor i Ochs nandritra ny dia nataony tany Chile taona vitsivitsy nialoha rehefa samy nandray anjara tamin'ny fampisehoana ho an'ireo mpitrandraka varahina.

Lasa hira folk (vokatry ny tany) Amerikana Tavaratra navadik'i Arlo Guthrie, izay nandray anjara tamin'ny fampisehoana notontosaina tao Etazonia ihany koa ary nahare ny namakiana azy, ilay poezia.

Hatramin'ny 1973, mihoatra ny 10 ny sarimihetsika sy ny lahatsarim-panadihadiana vita momba an'i Victor Jara tany amin'ny firenena tahaka an'i Frantsa, Alemaina sy Espana sy ny tany Etazonia sy Chile. Samy naneho ny fankasitrahany azy ny mpihira tahaka an'i Bob Dylan, Joan Baez, Astor Piazzola, ary Los Fabulosos Cadillac ankoatra ny hafa.

Funeral of Victor Jara, December 2009, photo by Gerardo Espíndola

Fandevenana an'i Victor Jara, Desambra 2009, saripikan'i
Gerardo Espíndola

Nihoatra sisintany ny lova navelan'i Victor Jara, tahaka ny akom-pitakian-drariny manerana izao rehetra izao izay itakiana amin'i Etazonia ny famerenana an-tanindrazana ilay manamboninahitra miaramila shiliana taloha Pedro Pablo Barrientos. Tsy maintsy hotsaraina any Chile ny raharaha, ary tsy maintsy mamaly ny vesatra iampangana azy noho ny heloka bevava nataony tamin'ilay mpihira vokatry ny tany ny voampanga.

Tsy nivoa-drà, tahaka izay tokony hanjo ny tanan'ny mpitendry rock amin'ny gitara, ny tanan'i Victor Jara. Rotiky ny basin'ny miaramila iray ny tanan'i Jara. Notereny hihira, tanatin'ny ratra, izy ka nihira. Ary efapolo taona taty aoriana dia mbola re hatrany ny feony, ary mbola velona ny hirany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.