Mampizarazara An'i Malezia Ny Sondro-bidin'ny Solika

Gas station in Malaysia. Photo by Flickr user Sham Hardy (CC BY-SA 2.0)

Toby mpaninjara solika ao Malezia. Sary Flickr an'i Sham Hardy (CC BY-SA 2.0)

Notsenain'ny fomba fijery tena samihafa be mihitsy ny fampakàrana vidin-tsolika tsy ela akory nambara tao Malezia. Etsy ankilany, be ny mahatsapa fa manao tsindry bebe kokoa amin'ireo tokantrano sy fianakaviana ny governemanta ary tonga hatramin'ny fampakàrana avo loatra ny vidim-piainana noho ny randra-mitarika nateraky ny sondro-bidy (effet domino). Etsy andaniny, ny sasany mahatsapa hoe ny fisondrotam-bidy misy amin'izao fotoana dia araka ny tokony ho izy noho i Malezia efa misitraka sahady ny tohana ara-bola amin'ny resaka angovo no sady manana ny vidin-tsolika ambany indrindra eran-tany. Fanampin'io, marobe no mino fa ho tsara tantana ny fandaniana ny tahiry azo avy amin'ny fampihenana ireo tohana ara-bola araka ny nambaran'ny Praiminisitra Najib Razak hoe hatsofoka any amin'ny tahirim-bola fiahiana ny ara-tsosialy BR1M izy io.

Nihevitra i Hoongling fa tokony hizatra hiaina ny fifanakalozam-bola ny Maleziana :

Betsaka ny olona mivazavaza sy manome tsiny ny hafa ankoatra ny tenany. Hiantraika amintsika foana ny vidin-tsolika na ho ela na ho haingana, na misy na tsia ny tohana ara-bola avy amin'ny governemanta, ary na ho vitantsika na tsia ny hifehy ny vidiny, na firenena mpamokatra solika na tsia isika.

Betsaka ny fomba ahafahana mitsitsy solika. Ary TOKONY hitsitsy solika isika, tsy hoe noho ny  vidin-tsolika hiantraika amintsika fa indrindra indrindra mba hisian'ny tontolo iainana sy hoavy tsara kokoa ho an'ireo taranatsika any aoriana.

Miaraka amin'ny hanihany no naneken'i Trav :

Amin'ny fomba rehetra mihitsy, tsy tokony ho tezitra na hahatsiaro ho sorena isika rehetra amin'ny fitsinjaràna ny vola ho an'ny solika, fa tokony aza hijery ny lafitsaran'ny fiainana. Sady izao e, miaraka amin'ny sondro-bidin'ny solika, azo atao ny mahazo ireto tombontsoa ireto :

- miaraka amin'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, hisaina indroa ireo lohandohany sy mpampiasa solika rehefa hampiasa izany ny Sabotsy alina, izay midika fa afaka ny hanana fotoana mamy sy milamina ianao miaraka amin'ny olon-tianao. Aza misaina intsony ny teny hoe “reraka aho” ho fialan-tsiny azafady.

- Hihena ny heloka bevava! Mety hampiasa bisikilety ireo mpangalatra mpanao sinto-mahery na hihazakazaka satria lafo loatra ny hividy solika ho an'ny kodiarandroan-dry zalahy. Ho lafo ny hanao “cocktails Molotov” ka dia ho very asa ireo tia kilalaonafo.

- Hahazo rano madio fisotro tsy mitsahatra ny olona ao Selangor satria tsy ho zavatra tsara ahitan-tombony intsony ny fanariana solika mavesatra “gazoala”/menaka any an-drenirano.

- Handrisika ny firaisana fiara! Te-hahafantatra foana ilay sipa mpandray olona ao amin'ny biraonareo ve? Anontanio azy ny toerana onenany dia lazao azy fa halainao izy isaky ny handeha hiasa. Iza no mahafantatra fa mety ho izy no ho vadinao ary dia hiray fiara mandritra ny fotoana maharitra ianareo roa.

Iray tamin'ireo nanohitra ny fanovàna i Anil Netto:

Efa voatery amin'ny hofa/vidin-trano avo be ny saranga antonony – sy ny mpiasa ao Malezia (aiza izao ny hoe trano mora vidy?) raha ireo fiveloman'ny sarangan'ny mpiasa aza efa nofoanan'ny politikan'ny famelàna mora sy faran'izay tsotra ny fampiasàna ireo hery mpamokatra tonga hitady ravinahitra.

Raha mandany RM70 isan-kerinandro ho an'ny solika ianao, dia ho RM3  sisa no hiafaran'izany isam-bolana. Dia efa ampoizo ny hahalafo hatrany ny vidin-tsolika arakaraky ny faharitàn'ny tahirin-tsolika ambanin'ny tany ary dia ho lasa sarotra hita sy ho tsy taka-bidy ny fitrandrahana azy tsy manara-penitra.

Rahoviana isika no mba hahazo fitateram-bahoaka lafatra ka tsy hiankin-doha loatra intsony amin'ny fiaran'ny tena manokana? Mandritra izany, tahaka ny zara raha nahavita niroso isika tamin'ny fanotofana ny taha avo ben'ny kolikoly.

Hishamh dia nanindry fa hisy fiantrakany goavana eo amin'ireo tokantrano manana fidiram-bola ambony be ny sondro-bidin'ny solika:

Ny fampihenana ny tohana ara-bola dia hisy fiantraikany tsy mifandanja ho an'ireo tokantrano ambony fidiram-bola, fa tsy ireo kely karama akory, izay mandany kely lavitra amin'ny resa-pitaterana (15.9% ny fitambarany raha 12.3% ho an'ireo tokantrano mandray RM3k isam-bolana). Somary mahagaga ihany, hizaka kokoa ny fiantraikany ihany koa ireo tokantrano any ambanivohitra mitaha amin'ny eny an-tanan-dehibe (ampahany misimisy kokoa amin'ny fandaniana amin'ny resa-pitaterana).

Ary raha ny momba ny hoe nahoana no nahena sy ny hoe nahoana no amin'izao fotoana izao, saika niakatra 5% daholo ny vidin-tsolika manerana izao tontolo izao tato anatin'ny volana iray monja, ary 15% ambonin'ny tamin'ny taona lasa. Mbola ambonin'ny vinavina nataon'ny governemanta tamin'ny tetibolan'ity taona ity – raha toa tiana ho tratra ny tanjon'ny fampihenana, dia misy zavatra tsy maintsy avela any ho any.

Nisy fanehoankevitra vitsivitsy tao amin'ny Twitter  :

#Malaysia: Mitahiry 13 lavitrisa amin'ny fampihenàna ny tohana ara-bola ho an'ny solika. Mandany 80 lavitrisa/taona na maherin'izany ho an'ny kolikoly.

— Diyana Yahaya (@diyana_yahaya) 3 Septambra 2013

Arahaba maraindraina ry Malezia. Antenaiko fa afa-bizana ny tsirairay taorian'ny alina iray niatrehantsika faramparany ny fialamboly nasionaly ankafizintsika, ny filaharana solika.

— rakyat / Leen (@twt_malaysia)  2 Septambra 2013

Aminà firenena 227, ny vidin-tsolika eto Malezia no faha-8 isan'ny mora indrindra. Te-hahazo izany mora ve? Azonao atao foana ny mitaingina bisikilety.

— Shafiqah Othman (@sfqomhz) 2 Septambra 2013

Ao amin'ny Facebook, lasa nalaza be ny pejy iray ‘Saya Benci Harga Barang Naik!’ (Halako ny fiakaran'ny vidin-tsolika), nahazo mpitia efa ho 70.000. Novàna ny sary sy ny mombamomba azy mba hamoaka tsara ny fiakaran'ny vidin-tsolika, miaraka aminà famoahan-dahatsoratra sy fanehoan-kevitra mikasika ilay olana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.