- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahafaty Olona Sivy Ny Tondra-drano Tany Romania, An'Arivony Nafindra Toerana

Sokajy: Romania, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

Olona sivy ny fantatra fa namoy ny ainy tamin'ny tondra-drano niserana vetivety nanenika ny manodidina ny seranan'i Danube tao Galati [1] izay any atsinanan'i Romania. Nahatratra toerana 21 ny fihoaran'ny rano ary naharava tanimboly an-jatony hekitara, voakisaka ihany koa ny lalamby ka niteraka fivoahan'ny fiaran-dalamby tsy misy olona tamin'ny lalany.

Nahatery ny olona an'anarivony handao ny tranony any atsinanan'i Romania tao anatin'ny efatra andro farany ihany koa ny tondra-drano. Niteraka fiakaran'ny rano haingana dia haingana tamin'ny alakamisy 12 septambra 2013 lasa teo ny oram-batravatra. Anisan'ny namoy ny ainy ny zazavavy kely valo taona [2] voafoaka tamin'ny tanan'ny rainy.

Rescuers and locals push through the floodwater in Eastern Romania; photo courtesy of Balkan Inside, used under Creative Commons license.

Mpamonjy voina sy ny tompontany manavatsava ny rano nihoatra tany atsinanan'i Romania; sary nozaraina noho ny fahatsaram-pon'ny Balkan Inside [3], nampiasaina noho ny fahazoan-dalana Creative Commons.

Niteny i Eugen Chirita, mpitondratenin'ny sampana mpamonjy voina ao amin'ny faritra Galati: “Ny antotanisa hatramin'ny alakamisy teo dia manome sivy maty, 6.900 nafindra toerana ary 1.735 ny trano difotry ny rano.”

Kaomiseran'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Fifandaisana Iraisampirenena [4], Fanampiana mahaolona ary famaliana ny krizy Kristalina Georgieva no nisioka [5]:

Tondradrano Romania 9 niharam-boina sy fahapotehana betsaka. Nampihetsika mpiasa arivo ny manampahefana.  Noho ny fahamaroan'ny orana mety mbola ho avy dia efa mijoro izahay raha ilaina ny fanampiana

Manontany tena [9] ny mpisera Twitter iray, @FauziPewarisPG [10], raha vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro izao:

Miakatra ny fahatetehana sy ny herin'ny tondradrano eto Eoropa. Mariky ny fikorontanan'ny toetr'andro daholo izany

Jim Bedient [15], mpijery ny toetrandro sady astronoma (mpandinika ny kintana), nisioka [16] avy any Ukraine:

Tondra-drano – Galati, Romania : TONDRA-DRANO

Mandritra izany fotoana izany, mpamonjy voina, miaramila ary polisy an'arivony no miasa, raha lazaina ho manangom-baovao momba ny toe-draharaha eny an-kianja ny Praiminisitra Romaniana Victor Ponta [19]. Ny lahatsary eto ambany no mampiseho ny habetsaky ny fahapotehana sy ny fiakatry ny rano, raha eo am-pamonjena ny biby fiompy ny mpamonjy voina sy ny mponina ao an-toerana.