Mamaly ny Hafa-Panavakavahana Mahazo Ilay Oliravina Amerika 2014 Ny Karana

Ilay New-Yorkey Nina Davuluri, 24 taona, nandresy tamin'ny Oliravina Amerika 2014. Sary tao amin'ny Pejy Facebook Miss New York Organization

 

Voasoratra amin'ny tantara amin'ny maha-Amerikana voalohany taranaka Karana nandrombaka ny Oliravina Amerika azy ilay tovovavy 24 taona misolo tena an'i New York antsoina hoe Nina Davuluri. Kanefa ankehitriny izy voafelafelaky ny hafatra feno fanavakavahana [rasista] eny amin'ny tambajotra sosialy, manaporofo fa ny hatsarana, ho an'ny maro, dia mbola mitoetra ho raharahan'ny volonkoditra. Mampihomehy moa fa noho ny tsy fahafantaran'ny maro izay fiaviany, dia miantefa any amin'ny Arabo, Afrikana ary Silamo, ankoatra ny Indiana [Karana] ny hafatra sy tweets feno fahatezerana. Dia misy ihany koa ny mampifandray azy amin'ny raharaha 11 septambra sy ny fampihorohoroana.

Tsy raharahian'i Davuluri ny fisasasasan'ny fanavakavahana eny amin'ny serasera, milaza izy fa naleony “mitsangana ambonin'izany” ary nihevitra ny tenany ho “amerikanina voalohany sy hatramin'ny taloha” hatrany izy. Ao amin'ito Horonan-tsary YouTube nataon'ny Fikambanana Oliravina Amerika nandritra ny fifanintsanana Oliravina Etazonia 2014 ito no nilazan'i Davuluri ny fitaizana azy sy ny zavamisy fa i New York izay isoloany tena dia akanin'ny kolontsaina marolafy.

Raha tsy nampihontsina an'i Davuluri ny fanehon-kevitra manavakavaka, ny hafa no tena nanohitra. Hatrany India dia  maro be ireo ady hevitra mikasika ny fandresen'i Davaluri, mahantonga azy ho lohahevitra nironana nandritra ny andro.

Mahavariana fa nisara-kevitra ny mpiserasera tany India momba ity Oliravina Amerika vaovao ity.

Etsy andaniny, maro ny fanohanana an'i Nina Davuluri sy ny fahatezerana ao amin'ny fanehoa-kevitra feno fanavakavahana izay nanamaloka ny fandreseny. Etsy ankilany, mafana ny adi-hevitra raha mety hahazo fandresena amin'ny fifaninanana hatsaran-tarehy ao India i Davuluri noho ny fitiavan'ny firenena tafahoatra ny volonkoditra mazava.

Ni-tweet ny mpanoratra sady mpanao gazety Deepanjana Pal (@dpanjana) monina ao Mumbai :

Nampivoaka ny lafiny maha-mpanavakava-bolonkoditra ny Mpitweet Amerikana ny fandresen'i Nina Davuluri tamin'ny Oliravina Etazonia. http://t.co/jbdEY5ZR42 Mitovy daholo ny mpanaratsiratsy manerana ny tany

Navohitran'ilay mpibilaogy momba ny sakafo sady mpisahana momba ny fatran-tsakafo Nandita Iyer (@saffrontrail) ny hamaroan'ireo fanehoa-kevitra mpanavakava-bolonkoditra tsy mahalala ny mahasamihafa ny Arabo sy ny Karana. Hoy izy tamin'ny tweet:

Misy olona mba donto loatra ka milaza ny Karana sy ny Arabo ho mitovy – Mandehana miverina mianatra, Manalabaraka ny Karana Oliravina Etazonia http://t.co/XUYW00tg6H

Miharihary ny hatezeran'ilay mpianatra ho Injenera Siddhartha R Thota tezitra mafy famelezana amim-panavakavaham-bolonkoditra mahazo ilay vao notolorana ny diademan'ny Oliravina Etazonia ao amin’ity tweet ity:

Mampangotraka ny rà-ko sy tsy fanajana ho an'ireto “Amerikanina” adala ireto amin'ny resaka #MissAmerica. Misy ihany ny sasany miavaka na izany aza

Nisy akony tany amin'i Ankita Singh (@VaanarMukhi) izay nilaza ny heviny tamin'ny tweet ny fahatezerany

Tena matoky aho fa manana hatsaram-bika sy volon-koditra tena madio ireo ny olona manivaiva an'i Nina Davuluri ireo

Nasongadin'i Gyanonymous ny fihatsarambelatsihy mifikitra ao anatin'io sioka mpanavakava-bolonkoditra io:

Mahatsikaiky ny mahita ny olona maneratany mitanin'andro hanamatromatroka ny volon-kodiny. Kanefa ireo ihany no manejika ny volokoditr'i Nina Davuluri (Oliravina Etazonia 2014)

Mainty Hoditra loatra raha any India?

Nahasarika ny maro ny hamaintin'i Davuluri. Nanontany tao Amin'ny Tweet iray ny mpanao gazety sady mpanoratra Samar Halarnkar (@samar11) :

Mahaliana. Indiana-Amerikanina “matroka” lasa Rtoakely America mba nahavita toy izany ve izy raha tany India? http://t.co/MZsmcyw9E5

Kushan Mitra nanako ny fihetseham-pony tao amin'ny sioka iray:

 Ny fanontaniana dia hoe mety handrombaka amin'ny Oliravina India ve ny tovovavy mainty tahaka an'i Nina Davuluri? Raha ny fahafantarako ny fitiavantsika ny rariny [volonkoditra fotsy], Angamba tsy mety!

Nisaina izany eritreritra izany ihany koa ilay mpanoratra sy mpanao matoandahatsoratra Salil Tripathi (@saliltripathi), nampahatsiahivin'ity lahatsoratra ao amin'ny FirstPost hoe matetika no “manitsy ny lokon-koditra ny mpilatro sy mpiantsehatra “matroka” mialoha ny hanekena azy.

Angamba nampiasa Fair and Lovely mihitsy ny Oliravina Amerikana hahazoany ny Oliravina India, araka ny nampahatsiahivin'i @ElChaudhry antsika: http://t.co/nJ6W1EEamv

Misy hatrany moa ny mananihany sy mampivohitra fa matroka volonkoditra manahirana Rtoakely Davuluri fa tsy fotsy volonkoditra maha-tena Amerikanina. Ni-tweet toy izany, ohatra, ilay mpanao hatsikana mampitsangana Atul Khatri (@one_by_two):

Tena marina ve ry zalahy fa Nina Davuluri no nandrombaka ny Oliravina Etazonia fa tsy Oliravina Afrika?? #JustAsking

Fahatsaran-tarehy mampisy fihantsiana

Na izany aza, misy ampahan'ny mpiserasera nankalaza ny mpandresy ary mahita azy ity ho fanohanana manan-danjan'ny fifanentanana “Manja ny Mainty” hafa koa [“Dark is Beautiful”]

Tweet avy amin'i Mysore, Mpanoratra sady blaogera Ratna Rajaiah (@alphabetiya) :

raha tsy diso ny fijeriko, vehivavy mainty i Nina Davuliri , sa tsia? Raiso izany, Fair&Lovely

Kaveri Jain (@Mehitabel) avy any Delhi nilaza avy amin'ny  tweet-ny

Nahazo ambasadaoro vaovao ny fanentanana [Dark is beautiful] Manja ny mainty  “@ndtv: Miss America nanolotra voalohany ho an'ny taranaka karana ny diadema  ”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.