- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Brezila, Kenyà, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
Leo Vultus by Murillo Martinsfor the campaign Run4Run4Lions.

Leo Vultus nataon'i Murillo Martins ho an'ny hetsika Run4Run4Lions.

Taorian’ny fampielezana nataon’ny olona betsaka #sobreontem [1] (Mahakasika ny Omaly) manohana ny vondrona [2] [pt] izay nitarika ny hetsi-panoherana tamin’ny jona lasa teo [3] tany São Paulo, ny artista breziliana dia mitambatra ao anatina tolona vaovao. Amin’ity indray mitoraka ity, ny sangan’asan’izy ireo dia manohitra ny famonoana ny liona any Samburu, Kenià.

Ireo teratany ao amin’ny faritra dia mampiasa poizina na fitaovana hafa iadiana amin’ireo liona izay manafika ny osin’izy ireo. Mba anairana ny be sy ny maro momba io olana io, tamin’ny 2010 ny Tetikasa Ewaso Lions dia nikarakara hazakazaka lavitr’ezaka mba “hanafoanana ny ady eo amin’ny olombelona sy ny bibidia amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny vondron’ny mponina eny an-toerana amin’ny fiarovana ny liona.” Ho an’ireo mpikarakara, “ny fampitomboana ny osy maimaipoana” dia anisan’ny vahaolana, ary izay no antony nanolorana osy an’ireo mpandresy tamin’ny hazakazaka nandritra ny hetsika tamin’ny 2010.

Ankehitriny, ny tetikasa dia miomana ho amin’ny fifaninanana manaraka amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika fitadiavam-bola #Run4Run4Lions [4], izay hanangona vola ho amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka 2014. Ny sangan’asa miavaka (izay efa misy lafo ny sasany) nataon’ireo artista breziliana dia atolotra ho fankasitrahana ireo izay manohana ny tetikasa.

Raha te ahafantatra bebe kokoa momba ny hetsika: