- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

25 Taona Taty Aoriana, Mbola Mihelohelo an'i Iran Ny Famonoana Faobe Tamin'ny 1988

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
Khavaran cemetary

Tanim-pandevenan'i Khavaran, sary avy amin'ny pejy Facebook-mpahatsiarovana

Dimy amby roapolo taona lasa izay, an'arivony maro tamin'ireo gadra politika Iraniana no novonoin'ny [1] Repoblika Islamika sy nalevina tamin'ny fasana tambabe tsy nasiana marika, indrindra ny tao Khavaran [2], atsimon'i Tehran. Na dia naharitra am-bolana aza ny famonoana tany amin'ny tanandehibe maro dia ny 31 aogositra no napetraky ny havana sy ny naman'ireo lasibatra ho androm-pahatsiarovana azy.

Tamin'ity taona ity, ho fahatsiarovana ny faha-25 taona nitrangàn'ny toe-javatra, na ny Iraniana monina any ivelany na ny mpiserasera dia samy namoaka songadina, sioka, lahatsoratra, sarimihetsika ary tatitra manokana momba ilay fasana tambabe tsy nomena anarana tao amin'ny tanim-pasan'i Khavaran. Nisy ihany koa ny pejy Facebook [3] natokana ho an'ireo lasibatra maro hatramin'ny 1988.

Ny ankamaroan'ireo novonoina ireo dia voaheloka noho ny fahazotoany ara-politika taorian'ny fitsarana miangatra tany amin'ny fotoam-pitsarana revolisionera. Fa tsy nisy voaheloka ho faty mihitsy ry zareo.

Na dia teo aza ny fanerena avy amin'ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona tahaka ny Human Rights Watch [4] sy ny Amnesty International [5] dia tsy nety nanaiky tamin'ny fomba ofisialy ny famonoana ny governemanta iraniana.

Efa nitsikera ny fandripaham-bahoaka, indray mandeha ny Grand Ayatollah Montazeri [6] izay noheverina hisolo ny Grand Ayatollah Khomeini [7], ilay Mpanorina ny Repoblika Islamika, araka ny tatitra fa niala ilany avy eo.

Tamin'ity taona ity dia navela hanatrika fihaonam-pahatsiarovana ny olo-malalany tao Khavaran ny fianakaviana.

Shabeke Anarshist (“tambajotran-tsaritaka”) nizara [8]ny hosodoko ho an'ireo lasibatra tao Khavaran ary nanoratra fa nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fibaikoana ny fandripahana tsy ankitsahatra ny voafonja ny Minisitry ny Fitsarana amin'izao fotoana izao, Mostafa Pour Mohammadi [9].

Khavaran cemetary

Maro ny mpiserasera nizara ny lahatsarin'ny fisaonan'ny vehivavy iray any Khavaran tamin'ny 2010.

Nahatsiaro ny fotoana iray amin'ny maizina indrindra nandritra ny fisian'ny Repoblika Islamika ny Iraniana any amin'ny firenena maro ka anisan'izany ny any Alemaina izay nilazan'ny mpandray anjara fa “tsy te-hanadino ity heloka bevava ity” ry zareo.

http://www.youtube.com/watch?list=UUnkDnqZCTEFXSKxZGLpAzoQ&feature=player_detailpage&v=P5dOKp9jYCc [10]

Misy ihany koa ny fihetseham-po amin'ny Twitter.

Tsy navelan'ny mpitandro ny filaminana hanao fihetsi-pahatsiarovana ireo novonoina ny havany.

Ambanin'ny tany diavintsika no nandevenana ireo tanora an'arivony novonoina.