- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanofanana Voalohany Miaraka Amin'ny Ekipan'Onjam-peon'ny Dizha Kieru

Sokajy: Mediam-bahoaka, Tetikasa, Rising Voices

Iray amin'ireo nahazo famatsiam-bola madiniky ny Rising Voices amin'ity taona ity ny Dizha Kieru – voalaza amin'ny antsipiriany anatina lahatsoratra vaovao iray hafa [1]ao amin'ny bilaogy ny asan'izy ireo. Nosoratan'ny mpikarakara io tetikasa io ity taratry ny fanofanana andiany voalohany ity.

Nandritra ny andiany voalohan'ilay fanofanana , notarihan'i Maka Muñoz avy ao amin'ny Palabra Radio [2], ireo mpitatitra mivantana amin'ny onjam-peo avy any Dizha Kieru, ny vondrom-piarahamonin'ny tobin'onjam-peo FM any Talea de Castro, dia afaka naneho ny asan'izy ireo ary nieritreritra ny fomba hanamafisana ny asany amin'ny maha-mpampifandray ny vondrom-piaraha-monina azy ireo, satria efa miandraikitra ny tambajotrana finday GSM azy manokana ankehitriny ny tanàna. Namolavola rafitra fandefasana Simaiso marobe ireo mpiara-miasa amin'ny sampana teknolojia ao amin'ny Rhizomatica [3], Ciaby sy  Tele, izay manome fahafahana ireo mpikambana anatina ekipan'onjam-peo handefa hafatra an-tsoratra maimaim-poana mivantana any amin'ny findain'ireo mponina any amin'ny vohitra. Io andiam-panofanana io dia nifantoka tamin'ny fomba raitra hakana tombontsoa amin'ity teknolojia vaovao ity sy ny fomba, ohatra, hakàna ireo vaovao mafàna ka hanafohezana azy ireo ho litera 160 (halavan'ny simaiso mahazatra) nefa tsy very izay tena votoatin-dresaka.

Ireto misy sary vitsivitsy tamin'io andiam-panofanana voalohany io:

DSCF5192

DSCF5206

DSCF5225

 Iray amin'ireo nahazo famatsiam-bola madiniky ny Rising Voices tamin'ity taona ity ny Dizha Kieru [4]. Afaka mahazo ireo vaovao avy amin'ny Rhizomatica ianao ao amin'ny Twitter [5].