Nisoratra Anarana Tao Amin'ny Facebook Ny Polisy Ao Andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka

[Mankany amin'ny pejy habaka amin'ny teny Bengali avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fanamarihana hafa.]

Sambany nitsofoka tao amin'ny Facebook ny sampan'ny polisy mampitaraina mafy ny tanàna manodidina ao andrenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka mba hanatsara ny fifandraisany amin'ny fiarahamonina.

Nahasarika ny maro ny pejy Facebook antsoina hoe Kaomisaria lefitry ny polisy mpanao fisafoana ao Uttara izay natsangana vao haingana tao Bangladesh. Manome vaovao sy toro-lalana momba ireo tolotra maro sahanin'ny polisy ny pejy, indrindra ho an'ireo mponina ao an-tanàna manodidina an'i Uttara, renivohitr'i Bangladesh.

Tsara ny manamarika fa maro ireo mitaraina noho ny nataon'ireo polisy ao Bangladesh. Nilaza ny tatitra vao haingana fa fitoriana ireo polisy manampahefana 13.745 ao Bangladesh no napetraka tamin'ny taon-dasa.

Pejy ahitana zavatra maro ny pejin'ny biraon'ny Kaomisera lefitry ny lehiben'ny polisy Mpanao fisafoana ao Uttara. Mponin'i Uttara eo amin'ny 350 000 eo no nasaina mba hizara izay olana ao amin'ny pejy momba ny ataon'ny polisy.

Tsy voalohany amin'ny fidiran'ny polisy amin'ny teknolojia vaovao izy ity. Efa nanangana karazana fomba fitarainana (boky  ao amin'ny habaka fandraisana ireo fitarainana) izy ireo sy fomba fitarainana apetraka amin'ny Somaiso izay tsy nahitam-pahombiazana.

 

Bangladesh Police force. Image by A. M. Ahad. Copyright Demotix. (13/6/2011)

Polisy ao Bangladesh. Sary avy amin'i A. M. Ahad. Copyright Demotix. (13/6/2011)

Ohatra, namelabelatra tao amin'ny pejy mikasika izay ataon'izy ireo mikasika ny olan'ny fitohanan'ny fiara misy ao amin'ny faritra ny polisy:

উত্তরাবাসীদের যানজট থেকে কিছুটা হলেও মুক্তি দিতে আজ থেকে আমরা এয়ারপোর্ট গোল চত্বরের দুপাশে অতিরিক্ত পুলিশ ফোর্স মোতায়েন করেছি।যেসব পথচারীরা ফুটওভার ব্রিজ ব্যবহার না করে রাস্তা দিয়ে পার হোন তাঁদেরকে ফুটওভার ব্রিজ ব্যবহারে অভ্যস্ত করতে এ ব্যবস্থা।আমি নিজে আজ সকাল ১০ টা থেকে ১২ টা পর্যন্ত রাস্তায় দাঁড়িয়ে ডিউটি করেছি।পুরো সময়টুকু সম্ভব না হলেও অন্ততঃ “রাশ আওয়ার”(Rush Hour) সময়টুকুতে উত্তরার পুলিশ তাদের যথাসাধ্য চেষ্টা করবে পথচারীদের ফুটওভার ব্রিজ ব্যবহারে অনুপ্রাণিত করতে।দুঃখজনক হলেও সত্য, কাজটি খুব কঠিন এবং পথচারীরা প্রায় কেউই এটি মানতে চান না।তবে আমরা ঠিক করেছি আগামী বেশ কিছুদিন আমরা এই ডিউটি অব্যহত রাখব যাতে পথচারীরা এতে অভ্যস্ত হয়ে পড়েন।

Nametraka polisy fanampiny eny akaikin'ny Kianjan'ny Seranam-piaramaidina izahay androany mba hanamaivanana ny olan'ny mponina noho ny fitohanan'ny fiara. Nidina teny an-toerana izahay mba hanentana ireo mpandeha an-tongotra hiampita amin'ny tetezana kely natokana ho an'ny mpandeha tongotra fa tsy amin'ny arabe. Niasa tao izaho manokana nanomboka tamin'ny 10 maraina hatramin'ny 12 alina. Raha tsy mandritra ny tontolo andro, mijanona ao ny polisy mba hanampy sy hanentana ireo mpandeha tongotra hampiasa ilay tetezana kely mandritra ny ora fivezivezena. Miala tsiny raha milaza fa manorisory ilay asa satria maro ireo mpandeha tongotra no tsy manaiky. Nanapa-kevitra hanohy ity fanentanana ity izahay mandritra ny andro vitsivitsy mba ho zatra ny fitsipika ny olona.

Police cleared illegal parking in front of Scholastica School in Uttara

Polisy manala ireo fiara ao amin'ny toerana tsy ara-dalàna ijanonan'ny fiara  eo anoloan'ny Sekoly Scholastica ao Uttara

Taminà lahatsoratra vao haingana nosoratan'ny biraon'ny Kaomisaria Mpanampy ny polisy ao Uttara mikasika ny fomba fanalàny ireo fiara mijanona tsy ara-dalàna eo anoloan'ny Sekoly Scholastica sy ny fihenàn'ny fitohanan'ny fiara. Manana ity soso-kevitra ity ho an'ny olom-pirenena ny polisy:

জোরপূর্বক কাউকে আইন মানানো সম্ভব নয় এটা আমি আপনি সবাই জানি। আপনাদের প্রতি অনুরোধ, আপনারা মেইন রোডে কোনও অবস্থাতেই গাড়ি রেখে যানজট সৃষ্টি করবেন না।

Tsy afaka mampiasa hery hanentanana ny rehetra hanaja ny lalàna izahay, fantatsika rehetra izany. Mandrisika antsika rehetra aho, aza ajanona eny amin'ny arabe ny fiaranao ary aza miteraka fitohanan'ny fiara.

Bilaogera Onu Tareq niantso ireo mponina ao Bangladesh mba hanararaotra ny pejy ary hampisongadina izay olana ao an-toerana:

এই পেজে দলে দলে যোগ দিন। আপনার এলাকার সমস্যার কথা পুলিশকে জানান, পুলিশ জনগণের সেবক, রক্ষক। সঠিক জায়গায় অভিযোগ করুন- এই উদ্যোগের মাধ্যমে ধীরে ধীরে বাংলাদেশের সমস্ত পুলিশ থানা ফেসবুক ব্যবহারকারীদের আওতার মধ্যে আনার চেষ্টা করা হচ্ছে, আপনিও সাথে থাকুন…

Miangavy midira daholo ao amin'ity pejy ity. Resaho ny olana ao amin'ny faritra misy anao. Ny polisy no mpanavotra ireo olom-pirenena, miasa ho azy ireo ny polisy. Ataovy tsara ny fitarainana mba hisian'ny vahaolana mahomby. Manantena aho fa hiditra ao amin'ny Facebook ihany koa ireo biraon'ny polisy hafa ao Bangladesh. Azafady, mijanona miaraka amin'izy ireo….

Bilaogera Asad Mohammad Asaduzzaman nilaza fa nitety firenena maro izy fa mbola tsy nahita ezaka tahaka izao ataon'ny polisy izao. Hoy izy nanoratra:

Accept my sincere appreciation. it's indeed an exceptional but very effective way to ensure civic security through social media. I've been to many countries across Asia, Europe and Africa but have never heard about such innovative idea. my personal feeling is that if the mass have accessibility to the law enforcing agencies by any means, it just boost up their level of courage. please keep your motivation up and I hope people will be beside in spirit. good luck!

Ekeo ny fankasitrahako. Fomba hafa indrindra saingy tena mahomby tokoa izany mba hiantohana ny filaminam-bahoaka amin'ny alalan'ny media sosialy. Efa nitety firenena manerana an'i Azia, Eoropa, sy Afrika aho fa mbola tsy nahare hevi-baovao tahaka izao. Ny fihetseham-poko manokana dia raha afaka miditra amin'ny sampa-draharaha mpampihatra ny lalàna avokoa ny rehetra na amin'ny fomba manao ahoana na amin'ny fomba manao ahoana, dia hampitombo ny herim-pon'izy ireo izany. Azafady, tohizo ny fahazotoanareo ary mino aho fa hilamin-tsaina ny olona. Mirary soa.

Junaed Hossain nankasitraka ity fisantaran'andraikitra ity:

‘পুলিশ ফোর্স’ নয় আমরা ‘পুলিশ সার্ভিস’ চাই। আমাদের নিরাপত্তা প্রদান করা সংস্থার সাথে আমরা বন্ধুত্ব মানের সম্পর্ক রাখতে চাই।

Tsy ny “herin'ny polisy” ihany no ilainay fa ny “sampa-draharahan'ny polisy” ihany koa. Te hanana fifandraisana am-pirahalahiana miaraka amin'ny mpitandro ny filaminanay izahay.

Nanantena i Faisal Ibne Jamal fa hampitombo ny fifankahazoana eo amin'ny “polisim-paritra” sy ny fanatanterahana ireo teoria voakasika izany:

এটি খুবই ভালো একটি উদ্যোগ। আশা করি শুধু মাত্র তথ্য আদান প্রদান কিংবা মতামত-ভিন্নমতেই এটি সীমাবদ্ধ থাকবে না। কমিউনিটি পুলিশিং এর ধারনা ও তার বাস্তবায়নে কীভাবে সবাইকে কাজ করতে হয় এ ব্যাপারগুলো ও উঠে আসবে এই পেজে। ঔপনিবেশিক আমলের পুলিশি বাস্তবতা এবং এ সময়ের পুলিশি বাস্তবতা যে ভিন্নতর তার ধারনা পুলিশ বিভাগেও যেমন গড়ে ওঠেনি তেমনিভাবে জনগণের ও কোন ধারনা নেই সে সম্বন্ধে। আমাদের সৎ পুলিশ কর্মকর্তা বা সদস্যের অভাব নেই মোটেই। কিন্তু আমাদের সমস্যাগুলি অন্য জায়গায়। ভালো সেবা পেতে গেলে যিনি দেবেন আর যিনি নেবেন তাদের সম্পর্কটা সহজ হতে হয়। বন্ধুত্বটা শুধু মুখে মুখে বললেই হবে না গভীরতম বিশ্বাসেও ধারন করতে হবে।

Ezaka azo alain-tahaka izao. Mino aho fa tsy hihanona fotsiny amin'ny fifanakalozam-baovao na hevitra sy hevitra manohitra izany. Hampisongadina ny hevitra “polisim-paritra” sy ny fomba fampiharana izany miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay ity. Samihafa tanteraka ny zava-misy tamin'ny vanim-potoana Britanika sy ny zava-misy ankehitriny, mila ankatòavin'ny polisy ity farany ary tokony ho fantatry ny vahoaka. Manana polisy mahatoky sy vonona isika. Saingy hafa ny olantsika. Tokony ho mora ny fifandraisana eo amin'ny mpanome tolotra sy ny mpandray tolotra. Tokony hotanterahina miaraka amin'ny fitokisana ny resaka momba ny finamanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.