- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanabeazana Shiliana : ‘ Tsy Mila Rafitra Ara-Barotra, Tsy Mila SIMCE’

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka
Foto compartida por Alto al SIMCE en Facebook [1]

Sary zarain'ny Alto al SIMCE ao amin'ny Facebook

Fanentanana nokarakarain'ny vondron'ireo mpifanerasera eny amin'ny fampianarana ambony,  mpampianatra, mpianatra izay te-hanakana ny fepetra ny Rafi-pandrefesana ny kalitaon'ny fanabeazana (SIMCE no fiandohan'ny teny amin'ny fiteny Espaniola ), rafitra iray ho lasira fanaovana tombana ny fari-pahaizan'ireo mpianatra Shiliana ny atsaharo ny SIMCE [2] [es] na (“Alto al SIMCE” amin'ny teny Espaniola).

Lazain'io vondrona io fa mandahatra ireo sekoly ny SIMCE ” mba ho hisarihana ny fandraisan'ireo ray aman-dreny fanapahan-kevitra momba ny hatsarana na ny haratsian'ny sekoly”. Ankoatra izay dia hamafisin'izy ireo ihany koa fa “manana anjara fototra amin'ny fiarovana ny tsenan'ny lafim-pampianarana izay manjaka amin'ny fanabeazana Shiliana hatramin'ny nisian'ny jadona olon-tsotra sy tafika (1973-1990)” io rafitra io.

Hazavain'i Cristián Bellei, mpianatra sady mpikaroka, amin'ity lahatsary  [3] [es] manaraka ity, ny andraikitry ny  SIMCE amin'ny “tsenan'ny fanabeazana” :

Hitanareo ao amin'ny Prezi ny fanolorana iray miaraka amin'ny “ antony 10 hanoherana ny [4]SIMCE [4]” [es].

Azonao arahina ao amin'ny Facebook [1][es], sy ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #AltoAlSIMCE [5] [es] ny fanentanana.

Midira amin'ny fanentanana Alto al SIMCE. Mila fanabeazana iarahan'ny rehetra miasa sy tsy dia anjakan'ny fifaninanana loatra izahay.