- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia : Manomboka Fitokonana Nasionaly Ny Mpampianatra

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanabeazana, Zon'olombelona

Nanomboka [1][es] fitokonana nasionaly mba hitakiana drafitra ara-pahasalamana mendrika kokoa , ny famaranana ny “politikan'ny fisintahan'ny fanjakana ” amin'ny fampianarana ary ireo olana hafa [2]ny mpampianatra avy amin'ny Federasionan'ny Mpanabe Kolombiana FECODE [3]. Hahitàna hetsika any amin'ny faritra sy diabe hankany Bogotá, renivohitr'i Kolombia ilay fitokonana.

Nizara sary ao amin'ny Twitter i Catalina Vanegas :

Diabe nasionalin'ny mpampianatra mitokona izao any Girardot… Kalitao tsara ho an'ny fanabeazana !

Raha nibitsika kosa ny minisitry ny fampianarana  hoe:

Manasa ny mpampianatra, ny ray aman-dreny ary ny vahoaka rehetra izahay hamantatra izay efa zava-bita